Créer un site internet

Faribolana Sandratra - Sakoroka avrily 2010


Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


01 mey 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

SAKOROKA

  Araka ny taratasy voaray tamin'i MAHEFA, izay tompon'antoka tamin'ny fety, dia tontosa soa aman-tsara ny SAKOROKA tamin'ny alarobia 28 aprily 2010 teo. Nizotra araky ny nieritreretana azy na ny seho na ny haingon-tsehatra. Ny hany azo kianina kely dia ireo olona maro nanatrika tsy afa-po noho ny haterin'ny toerana ka voatery tany an-dalantsara no nianoka ny akony.

Porofo izao fa velom-bolo sy miha-mahazo aina tokoa ny poezia malagasy. Hatramin'ny fiandohan'ny taona dia tsy tapaka ny Mpiray Faribolana no mamory ireo mpakafy poezia ao amin'ny C.G.M. isaky ny alarobia fahefatry ny volana. Vory lanona hatrany ny mpijery ary samy mianoka ny anjara niriny.

Azonao vakiana ny tononkalo iray nantsaina tamin'io fotoana io : Firaisana voalohany

Indreto misy sary vitsivitsy notsongaina tamin'izany fety izany.
 

Hiboka tokoa ny efitrano ary betsaka ny nianoka teo ampitsanganana sy tany an-dalatsara.
 

Tsikaritra tao i Hajaina, Filoha mpanampin'ny Havatsa Upem.


Izy mirahalahy miara miantsa



Mianoka tokoa ny mpijery. Misy ihany anefa ny mitakoritsika.



Miovaova ny fanamiana; marevaka ny haingon-tsehatra
 
Haverina ao amin'ny CEMDELAC Analakely ny Sakoroka tetsy amin'ny CGM ny zoma 11 jona ho avy izao. Tongava maro !
___________________
Nangonin'i Toetra Ràja

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2018