Poezia vao mafana, tatitra

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

25 Novambra 2014
POEZIA VAO MAFANA : Hetsiky Ny Eja

POEZIA VAO MAFANA dia hetsika iray niarahana tamin’i Ny Eja ny sabotsy 15 novambra lasa teo tao amin’ny trano malalaky ny IVOKOLO Analakely.

Antsa tononkalo

 Nantsain’i Ny Eja tamin’izany ireo tononkalony nampihirainy an’ireo mpihira toa an’i Tovo Jay, sy ireo tononkalony be mpankafy tao amin’ny facebook. Nampiavaka ny antsa ny  endrika nisalorana tantara an-tsangana niarahana tamin’ireo tanora vitsivitsy, maneho ny trangam-piaraha-monina andavanandro, ny fitiavana amin’ny endriny rehetra, ny vavaka, ny tanindrazana sy ny sisa . Tao ihany koa ny tononkalon’i Ny Eja nadikan’i Zoukki ho amin’ny teny frantsay.

Hirahira samihafa nandravaka ny seho

Nandravaka ny sehatra ireo hira tamin’ny gadona samihafa toy ny rap niaraka tamin’ny tarika Faly , ny kalon’ny fahiny nataon’ireo tanoran’ny DIDEC , ny tango niaraka tamin’i Zoukki David, ary ny hira malefak’ i Mireille Mathieu sy Joe Dassin izay nampiasaina tamin'ny fifaninanana tao amin’ny fandaharana Kopi  Kole.

Fifaninanana tononkalo

Nampiavaka ny fotoana koa, araka ny efa hita teny amin'ny doka sy petadrindrina andro vitsivitsy mialoha ny fotoana, ny fifaninanana mandika ny tononkalon'i Ny Eja tao amin'ny Facebook. Niantsa ny tononkalony  tao koa araka izany ireo nandray anjara ka nahazo ny loka. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fizarana ny loka i  Ny Eja. Ambonin'izany dia natolotra tamin'io fotoana io koa ny boky “poezia vao mafana” izay nandraketana ireo setrin’ny tononkalon’i Ny Eja miisa 22.

Mofomamy nifampizarana

Ary satria moa fankalazana ny andro nitsingerenan’ny nahaterahan’i Ny Eja koa io andro io dia nisy ny fanapahana mofomamy sy ny fanomezana natololotry ny mpankafy.

Ny masoandro mody no nampalahelo teo amin’ireo mpankafy sy Ny Eja.

Sary sy soratra : Ikaloyna

 

Ny Eja



Tanoran'ny DIDEC manandratra ny kalon'ny fahiny

 

Joe Dassin, nandray anjara tamin'ny fifaninanana KOPI KOLE nokarakarain ny TV PLUS farany teo

 

 Zoukki David : mpandika ny tononkalon'i Ny Eja amin'ny teny frantsay

 

Mireille Mathieu, nandray anjara ihany koa tamin'ny fifaninanana KOPI KOLE nokarakarain ny TV PLUS

 

Indray mipikan'ireo mpijery

 

 Mofomamy nanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahan'i Ny Eja

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021