Créer un site internet

Sovaramita

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

29 Novambra 2014
SOVARAMITA - Hetsiky ny Sandratra

Toy ny fanaony isaky ny volana novambra dia ny mpiray faribolana Sandratra avy any Antsirabe indray no nifamotoana tamin’ny mpankafy ny poezia tetsy amin’ny efitrano malalaky ny CGM Analakely ny sabotsy 22 novambra teo. SOVARAMITA : io no lohatenin’ny hetsika sy ny boky izay nozaraina tamin’ny mpijery. Nosokafana tamin’ny feon-kira gasigasy niarahana tamin’ny tarika ARIVOLAHY ny fotoana.

Famaritana

Fa nahoana tokoa moa no natao hoe sôvaramita ny hetsika? Namaly izany ny sasinteny novakian’i Nalisoa Ravalitera tao amin’ny boky izay manazava fa ny “sôva“ dia fitanisana hevitra na lohahevitra. Ny “ramita“ kosa dia avy amin’ny teny hoe kidaombaramita izay toy ny gadona milantolanto.

Antsa tononkalo sy sôva

Taorian’izay dia nisy ny fiantsana tononkalo sy sôva nataon’ireo mpanoratra tao amin’ny boky dia I RA-PHI Sy L Niry Andriamora ary I Georges Randrianambinina, nifandimbiasan’ireo tanoran’ny Faribolana Sandratra Antananarivo nahitana an’i Liantsoa, Serge, RIMA, Zazangaly, Mero Kosiky, Lefitra Aloky ny Ara, Ny Andriniela.

Ny sôva?

Sakafon-tsaina araka izany ny sôva  satria azo amoronana voambolana maro samihafa miainga avy amin’ny teny iray sy  ny fanazavana azy ireo.  Ny teny hoe “ fotsy ” ohatra dia azo anaovana voambolana marobe toy ny hoe:

- rafotsy iantsoana ny vavy ao an-trano

- volo fotsy ilazana ny efa mandroso taona
- volafotsy sy ny sisa e.

Literatiora am-bava mahavoky ny sofina ny sôva ary mahafaly  ny fo koa satria nahay nampihanoka ny mpijery tamin’ny hatsikana ireo mpisôva.

Tsapa tokoa fa manankarena dia manankarena ny fiteny Malagasy ary manana ny maha-izy azy tanteraka ny literatiorantsika ka mendrika ho tandrovintsika.

Sary sy soratra : Ikaloyna

 

 

    Ny Andriniela

 

  
            Serge

 

 RIMA

 

 Lefitra Aloky ny Ara

 

Zazangaly sy  Lefitra Aloky ny Ara

 

 

Mero Kosiky sy Leflitra Aloky ny Ara

 

 Ny tarika ARIVOLAHY

 

Ra-phi sy L Niry ANDRIAMORA ary Nalisoa Ravalitera

 

 

 

 IREO REHETRA NANDRAY ANJARA

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021