Créer un site internet
p

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 aogositra 2018
Fantaro i... ELIZA FREDA
(1900 - 1962)
Pôety
Mpanoratra tantara an-tsehatra
Mpamoron-kira
Mpiasam-panjakana
— Narindran’i Heriarilala Andriamamonjy —



NY FIAINANY SY NY FIANARANY
Teraka tao Ambositra tany ho any amin’ny taona 1900 ANDRIANALY Alfred izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Eliza Freda. Nodimandry ny 1962 teo amin’ny faha-62 taonany izy. Voataiza tamin’ny fivavahana Kristianina izy raha nanovo fahalalana tao amin'ny sekoly kristianina Benjamin ESCANDE ao Ambositra araka ny voasoratra ao amin’ny Takelaka Notsongaina I tak 65. Mpitandrina Frantsay avy amin’ny MPF na Mission Protestante Française i Benjamin ESCANDE ka nampitondraina ny anarany ny sekoly. Na dia tamin'ny teny frantsay aza ny fampianarana tamin'ny Fanjanahantany dia tsy natao tsinontsinona ny fampianarana ny taranja malagasy tao amin'ity sekoly ity. Nampivelatra ny fitiavan'ny mpianatra ny literatiora malagasy izany ka tao amin'ny andiany faharoa navoakan'ny sekoly indrindra no nahitana ny Pôety Eliza Freda sy Bolespara (Rafanoharana); ny Pôety S. Bem (Randrianasolo) indray dia tao amin'ny andiany fahatelo araka ny nosoratan'i Robert Martel, 2011.

Sekoly Benjamin Escande ao Ambositra.
Lycée izy ankehitriny. Sary : Sylvie Raonizafy.

Lalana Escande. Takelaby ao Analakely - Antananarivo. Sary : Vony Mpikabary

Mpiasam-panjakana i Eliza Freda nanomboka tamin’ny taona 1925 ary Mpanoratra tamin’ny fanjanahan-tany rahateo. Heverina àry fa izany no anton’ny tsy nahazoana torohay maromaro mikasika azy, ary mety ho nahatonga azy niafina tamina solon’anarana mifanahatahaka amin’ny anaram-behivavy. Tsy fantatra mazava rahateo ny Ray sy Reny niteraka azy, toy ny tsy nahafantarana ny mombamomba ireo iray tampo aminy, ankoatra an'i ROSA BEBY rahalahiny mpanoratra, niaraka namorona taminy ny tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe "Tranon-kala".
Tonian'ny fanoratana ny gazety Tatsinanana izy araka ny voasoratra ao amin'ny Takelaka Notsongaina.

ELIZA FREDA SY NY POEZIA
Ny pôezia no tena nahafantarana azy, isan’ireny ny "Vetsovetso takariva" (nohirain’i Bodo, mpihira fanta-daza ankehitriny), "Ilay reny tsy miteny", "Hono...?", "Hiran-jaza kamboty".

Araka ny fandalinana nataon-dRanjarasoa L.J (2010) dia mpivetso ny fahafatesana koa izy, nihira ny fo sara-tiana ary ny embona sy hanina. Randriamarozaka, tao amin'ny "Revue de Madagascar" (1969), tak 101, aza nanambara fa mpiandrandra ny kintana amam-bolana i Eliza Freda, entiny hanalefahany ny alahelony. Rehefa maneho ny manjo azy koa izy dia mampitaha izany amin'ny singan-javaboahary mety ho tsy manan-danja loatra toy ny ravina mihintsana, singan'ahitra sns. Manamafy izany ny fanadihadian'i François-Xavier Razafimahatratra (2008) momba ny tononkalo "Vetsovetso takariva" nampiasana ny teny "tsiriry" ho fanehoana ny embona sy hanina, na amin'ny heviny tsiriry ahitra izany na amin'ny dikany tsiriry vorona.

MPAMORONA TANTARA AN-TSEHATRA
Ankoatra ny pôezia dia nanoratra tantara an-tsehatra maro izy toy ny:
- Zanaboromahery
- Mo Mo
- Tranon-kala (nosoratany niaraka tamin’i ROSA BEBY rahalahiny).

MPAMORONA TONONKIRA
Hita taratra amin'ireo tantara an-tsehatra samihafa ny tononkira noforoniny.
- "Rehefa ny rano no misy tsingala", sanganasan'i Eliza Freda, nasian-dRatianarivo feony, nohirain-dRtoa Jeannette sy Raketamanga ary nolalaovina tao anatin'ny Tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe "Tsi... ny".
- "Iarivoko o! Veloma ihany", sanganasan'i Eliza Freda, nanaovan'i Désiré sy Rakotoson tonony, nasian-dRatianarivo feony, nolalaovina tao amin'ny Tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe "Tsy fidiny".
- "Vita voady ka dia tsofy rano", sanganasan'i Eliza Freda, nohirain'ny Tropy Jeannette araka ny feony nandrafetan-dRatianarivo azy ary nolalaovina tamin'ilay tantara tsangana hoe "Tsy fidiny".
- "Kibo saokin'ny nahiny", tononkiran'i Eliza Freda, nasian-dRasamy Gitara feony ary nolalaovin-dRtoa Jeannette Hélène tamin'ny tantara tsangana "Zana-boromahery".
- "Zay kanambina ahy", tononkiran'i Eliza Freda, Ranaivo-Ratianarivo no namorona ny feony ary nohirain-dRtoa Jeannette sy Rasamy-Gitara.




Teatra Monisipaly Ambatovinaky, naorina tamin'ny 1899. Sehatra anisan'ny nilalaovana ny sangan'asan'i Eliza Freda. Nakatona tamin'ny 1951 ary narodana tamin'ny 1953 noho ny rindrina voalaza fa nitriatra. Misy fiheverana anefa fa antony ara-politika no nanaovana izany satria ambohi-pihaonan'ny Malagasy maro io toerana io ka nahiana ho ivon'ny fikotrehana fanoherana ny fanjanahan-tany.
Sary nindramina : Edition Guyard Tananarive
FANAPARIAHANY NY ASA SORANY
Ny gazety no sehatra nivelaran’ny asasorany ka santionany amin’izany ireto: Tanamasoandro, Trompetra volamena, Diavolana, Ny Telegrafy, Akon’iarivo, Ny Mpandinika sns.
Nandray anjara tamin’ny boky Kalokalo Tatsinanana ihany koa izy, izay amboaran-tononkalo nifarimbonany tamin’ny pôety 10 lahy indray nihira taminy dia : Ny Avana, Ignace RATSIMBAZAFY, Jean Joseph RABEARIVELO, Fredy RAJAOFERA, Meteora, Josefa RAJAONAH, RAFANOHARANA, Jean Narivony, Lusio B ary Rodlish. Ny antom-pisian’ity amboaran-tononkalo ity dia ho fahatsiarovana ilay pôety maty tanora, Samuel Ratany.

FIKAROHANA MOMBA AZY
Nanaovan-dRANJARASOA (L.J) asa fikarohana ahazoana ny CAPEN (Certificat d'Aptitude Pédagogique de l'Ecole Normale) tamin'ny taona 2010 mitondra ny lohateny hoe : "Ny tarakevitry ny fahafatesana araka ny ahitana azy ao amin’ny Tononkalon’i Eliza Freda sy i Samuel Ratany."

Marihina fa ao Analakely Antananarivo dia ahitana lalana mitondra ny anaran'Andrianaly Alfred (Eliza Freda).

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA

Boky sy revio
- Robert Martel. 2011. "Une école protestante à Madagascar Ambositra 1951-2011. Edition Karthala.
- RANJARASOA (L J). 2010. "Ny tarakevitry ny fahafatesana araka ny ahitana azy ao amin’ny Tononkalon’i Eliza Freda sy i Samuel Ratany", mémoire de CAPEN.
- François-Xavier Razafimahatratra. 2008. "De l’exil à la nostalgie au travers de la littérature malgache". Paris. Etude Océan Indien, INALCO.
- RAJAONA (S). 2002. "Takelaka notsongaina". Antananarivo. Ambozontany Analamahitsy.
- Rabemolaly Fanomezana sy ny namany. 1973. "Fary Mamy, Teny sy Haisoratra ho an'ny Fianarana ankapobeny sy tekinika: kilasy fahatelo". Antananarivo. Editiona Salohy. Trano Printy Loterana.
- Randriamarozaka. 1969. In "Revue de Madagascar" N°47 - 48, troisième et quatrième trimestres nouvelle série.
- Rajaobelina (P). 1958. "Lahatsoratra voafantina". Antananarivo. Imprimerie Luthérienne Antsahamanitra.
- Kalokalo Tatsinanana, (Anthologie illustrée), Imprimerie Nosy, Tananarive, 1er janvier 1929.

Aterineto
http://archive.is/VwejK (ahitana ny lisitry ny kapila 78 tours, collection Schmidhofer)
https://www.erudit.org/fr/revues/ela/2007-n23-ela02396/1035447ar.pdf

Fisaorana
Rtoa Andriamihamina Sahondra (Talen'ny Arsiva Nasionaly) tamin'ny famatsiana tahirin-kevitra
Atoa Andriamihamina Rija, nanazava ny momba ny lalana Andrianaly Alfred
Rtoa Rasoazananiharisoa Voniniaina Bakoly (Vony Mpikabary) nikaroka ny lalana Benjamin Escande sy naka sary.
__________________
HONO...?


O, ry kintana voahangy,
Izay mitsidika ny tany,
Lohalalan'ny mpamangy
Avy any alavitra any!

Izato endrikao diamondra
Toy ny anja-bolafotsy,
Dia nirahina hitonodra
Ireony tara-drotsirotsy.

Inona, ry kintana iny,
No nitiavanao hifindra?
Ny hiara-mivahiny
Ve no tsy aritrao indrindra?

Tsetra ve no mba nanery,
Sento ve no nahataona?
Ka netezanao hijery
Itony taninay misaona!

Moa hilaza "misitery"
Zava-miafina ao am-pita,
Ka hamboraka ny miery
Ao an-koatry ny tsy hita.

Misy hafatra ve "any"
Horesahinao angamba;
Sa mitsidika eto ihany
Mba hitantana ny jamba?

O, ry kintan'ny hariva,
Mandra-podinao hatory,
Dia vangio ny toerana iva
Ka tsinjovy ny olona ory!

Dia ety no mba atopazy
Itony taratrao tsy lefy;
Izany herinao fohazy
Hampisava ny fo tomefy.

Ka ny nofin'ny Poeta
Nindran-kery avy teny,
No hanafa-ketaheta
Ilay fisainana manjeny!

O, ry kintana, todiho,
Ity Fanahiko mimalo;
Tairo kely, ka bitsiho
Ndrao sodoky ny mandalo.

Eliza Freda
In Fary Mamy, 1973, Tak. 88

_______________________
HIRAN-JAZA KAMBOTY

Misy maro izao mikalo
Tsy mba manam-pahavalo;
‘Zaho kosa toa mimalo,
Toa latsain’izay mandalo

Ao ny revo mikorisa
Eny an-dalam-paradisa;
‘Zaho kosa mitanisa
Fahorian-tsy hita isa!

Ao ny voky safosafo
Hafalia-mitafotafo
‘Zaho kosa misakafo
Sady mandry tsy amin’afo!

Ao ny mbola velon-dReny,
Manan-dRay hiteniteny,
‘Zaho kosa… voa dia eny
Singan’olona manjeny

‘Zay tazaniko rehetra
Samy lavitry ny tsetra
‘zaho kosa manjoretra
sy mijaly an-tery setra!

Ndreo ny vorona misiaka
Miramirana sariaka
‘Zaho kosa toa mifiaka
Ranomaso be mandriaka !

Rony kintana misosa
Tsy mba manana mpifosa
‘zaho kosa! zaho kosa
Mitanondrika fa osa!

Volana manatri-tava,
Taratry ny fo mazava;
‘Zaho kosa maizin-dava;
Tozo oran-tsy nisava!

O, ry lanitra ô, avoty
Fa mahantra ity kamboty
Zaza bodo diso angoty
Vao nitsiry dia voaoty!

Satriko aza anio ihany
Dia ilaozana ny tany
Ka hisinda hankany
‘Lay fanahy nosimbany

Eliza Freda
In Kalokalo Tatsinanana
________________________
VETSOVETSO TAKARIVA

Singan’olona toa very izany izaho,
Ravin-kazo tafasaraka aman-taho,
Tapak’ahitra entin-drano ka indrisy!
‘Zay mba toeran-kitodiana toa tsy hisy!

Zana-borona manintsana elatra aho,
Raiki-tahotry ny oram-be mitraho,
Tsy mba zatry ny fanalan-keniheny
Ka maniry ny hambobain’ny ela-dReny

Ombimanga diso ala mantsy aho,
Manin-kavana tsy fohy fa mitalaho
Any ambadika atsimon’iny Bainga
‘Zay milaza tsy misento dia mandainga!

Mpivahiny mbola lavi-dalana aho,
Raha sendra tianareo mba iaraho
Aza ilaozana midify fa andraso
E, ry vorona eny ampamoizamaso!

Manantena sady miandry fatratra aho,
Ka ny taratrao, ry Volana, apariaho!
Dia vimbino izany alahelo izany
Fa ianao no tazana, eto tsinjo any!

O, ry kintana, ombay manatrika aho,
Mila tsy ho very dia, ka hiresaho!
Hianareo no solon-kava-mahatratra
Hilazako ‘zay mba zavatra mihatra!

Singan’olona toa very izany Izaho,
Sao dia tolan’ny manjo ka ivavaho
O! ry Zoky! O! ry Zandry hany fara!
Tsofy rano mba ho tonga soa aman-tsara!

Dia veloma sy masina indrindra, ho’aho,
Ny fiarovan’ny Tsitoha no angataho!
’Zany “Sandriny Mahery” sy hiala,
Fa hivimbina ny dian’ilay malala!

Eliza Freda
In Takelaka Notsongaina I, tak. 91

________________________
ILAY RENY TSY MITENY
Ao ambany
Dongon-tany,
Ao anaty
Vatam-paty,
Misy Reny
Tsy miteny
Hatry ny ela
No tavela ...

Reny tiana
Nitosiana
'Lay nitondra
Fo diamondra!
Fo malala
Tsy mba niala;
Niara-paly
Sy nijaly!

Fony izaho
Maitso taho,
Raozin'aina
Nolalaina ...
Fony mbola
Niangola,
Nisakafo
Safosafo!

Tambitamby
Manana amby;
Rotsirotsy
Volafotsy;
Mamikely
Toa tantely:
Samy vita.
Samy hita ...

Ndrisy anefa.
Fa nilefa ...
Nofy ihany
Mantsy izany;
Torotoro
'Lay nijoro!
Voninkazo
Ka nandazo!

Taolambalo
Mampimalo
No mba sisa
Voatanisa ...
Hodi-tava
Ravarava
No mba hany
Tratra tany ...

Very toky
'Zao ny zoky!
Folaka andry
'Reto zandry,
Diso angoty
Fa kamboty!
Vao maraina
Dia nangaina!
Eny ho eny,
Misy reny;
Toa tsy hafa
Raha mitafa;
Hoatra an'iny
'Lay fahiny,
Saingy ts'izy!
Dray! rankizy.

'Zany foko
Mitoloko ...
Feno loatra
Ka mandroatra;
Manin-dreny
Mba hiteny,
Manontany
'Zay nombany.

Hono lahy,
Ry fanahy:
Mba tsinjovy
Ka tsarovy;
Aiza ho aiza
'Lay nitaiza?
Aiza indrindra
No nifindra?

Fa maniry
Te-hikiry
'Tony saina
Noratraina ...
N'aiza tany
Niantefany,
Any aho
No apetraho!

O! ry Neny,
'Zao no teny,
Ka raiketo
Farany eto:
'Zaho akory
Tsy ho ory,
Mana-mpiahy
Sy mpitahy!

'Lay modely
Fahakely,
Tsy mba foana
Fa tsaroana!
'Reo anjara
Voatantara
Sarobidy
Ka tadidy!

Tsy mba vola
Mora tola
No sahaza
Ho an-jaza;
Fahendrena
'Zay nomena,
Io no lova
Tsy mba miova !

Eliza Freda
In "Lahatsoratra voafantina", Tak 40-41

Pôetawebs©2018 - Pôetawebs@gmail.com