Hita indray i Raozigasy

Tapatapakahitra niarahan'i Toetra Ràja tamin'i Raozigasy

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 avrily 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraHITA INDRAY I RAOZIGASY

Pôeta manana ny lazany i Raozigasy ary mpanao hetsika tononkalo tany Parisy tany amin'ny fiandohan'ny taompolo 2010 tany. Tafaverina soa aman-tsara amin'izany tontolon'ny sehatra izany izy ankehitriny. Tsy any Parisy toy ny nahazatra azy anefa fa eto Madagasikara, ary raha ny marimarina kokoa dia ao amin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo mihitsy.

Toetra Ràja
Miarahaba an'ise Raozigasy. Efa nivahiny teto amin'ny Pôetawebs ise tamin'ny 26 desambra 2009. Mihazakazaka ny fotoana, inona ny vaovao nandritra izay folo taona tsy nihaonana izay?

Raozigasy
Miarahaba indray an'i Toetra Ràja sy ny mpankafy ny Pôetawebs.
Folo taona tokoa izay! Raha ny vaovao dia maro satria efa boky telo izao no navoakan'i Raozigasy ankoatra ireo hetsika maro izay natao.
Ary ny vaovao farany dia io antsan-tononkalo hatao ny alarobia 01 mey ho avy izao ao amin ny LAPAN NY TANAN'ANTANANARIVO ao ANALAKELY io.

Toetra Ràja
Efitrano toy ny ahoana ny ao amin'izany Lapan'ny Tanàna izany? Nisy fahasarotany ve ny nahazoana azy?

Raozigasy
Lehibe ilay efitrano ao amin'ny Lapan'ny Tanàna sady mazava tsara satria dia fitaratra lehibe no manemitra ny rindrina roa manatrika ny araben'ny Fahaleovantena. Ny toerana hametrahana fiara moa malalaka sy voaambina rahateo. Tsy sarotra ny mahazo azy fa manao fangatahana an-taratasy. Jeren'ny tomponandraikitra ny fahalalahan'ny efitrano dia atao ny famandrihana.

Toetra Ràja
Poeta ve sa mpanao hosodoko i Anse Etoile hizara ny sehatra amin'ise?

Raozigasy
I Anse Étoile dia sady mpanoratra tononkalo no mpanao hosodoko. Anse Étoile no anarana entiny rehefa manoratra amin'ny teny frantsay izy, ary Olive kosa rehefa manoratra tononkalo amin'ny teny malagasy sy manao hosodoko.

Toetra Ràja
Inona no antony nahatonga ny hoe any Madagasikara mihitsy no hisehatra? Inona avy ny fahasarotana tamin'ny fanomanana azy?

Raozigasy
Noho ny fangatahan'ny olona mpamaky sy mpankafy dia hararaotina ny fandalovana eto an-tanindrazana hanaovana hetsika. Seho tokana sy voalohany ataon'i Raozigasy eto an-tanindrazana io.
Tsy mora mora ny fikarakarana satria maro ireo sedra nolalovana, indrindra moa ny fivezivezena etsy sy eroa nefa ny fifamoivoizana tsy manafaingana velively ny fifindran-toerana.

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraToetra Ràja
Tazonina ho tsiambaratelo hatramin'ny ora farany ve ireo mpanakanto hiaka-tsehatra sa hahazo tombony kely ireo mpiseran'ny Pôetawebs?

Raozigasy
Ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs àry dia hambara fa mpiantsa sy mpanoratra tononkalo ireo vahiny. Ny anarany fotsiny no tsy ambara eto.

Toetra Ràja
Misaotra indrindra! Navitrika tokoa tamin'ny hetsika i Raozigasy teo aloha teo tany Parisy. Tsy henoheno tato ho ato. Misy antony manokana ve?

Raozigasy
Navitrika nanao hetsika ho an'ny besinimaro tokoa tany Paris teo aloha. Nihavitsy izany anefa tato aoriana satria maro ireo fanentanana sy hetsika nokarakaraina teo anivon'ny fetim-pianakaviana samihafa izay niantsoana an'i Raozigasy.

Toetra Ràja
Efa niray sehatra tamin'i Lalao Rabeson ise, moramora ve ny fanomanana ny toy ireny?

Raozigasy
Tsy moramora ny fikarakarana ny hetsika toy ireny satria mila mihaona sy manao famerenana matetika nefa ny fotoana sy ny elanelana somary mifanalavitra.

Toetra Ràja
Anisan'ireo Malagasy notsongaina efa nanentana ny lanonam-panokafana ny RNS (Rencontre Nationale Sportive) any Frantsa i Raozigasy, mbola manohy karazam-panentanana avo lenta toy ireny ve ise?

Raozigasy
Mbola manohy ny fanentanana i Raozigasy fa saingy mandritra ny lanonam-pianakaviana sy fikambanana samihafa sisa.

Toetra Ràja
Misaotra indrindra Raozigasy nahafoy fotoana ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs. Manana teny kely hampitaina ho azy ireo angamba ise!

Raozigasy
Hamaranana azy dia mamerina manentana antsika mpamaky sy mpankafy teny malagasy hanotrona sy hiaraka hanandratra ny kanto malagasy ho avy amin'io hetsika karakaraina ny 01 mey io.
Misaotra ny Pôetawebs!

Toetra Ràja
Ise no isaorana ary mirary fahombiazana tanteraka ho an'ny hetsika!
__________________
Rohin'ny tapatapakahitra nifanaovan'i Toetra Ràja sy i Raozigasy tamin'ny 26 desambra 2009
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-33.html
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/04/2019