varavarana

poeta_malagasy

Fredy Jaofera - 13 mey 2009
  • Fredy Jaofera, fantatra hatramin'ny ela teo amin'ny haisoratra malagasy ianao. Mieli-patrana eto anivon'ny aterineto ny asanao sy ny mombamomba anao ka tsy hivalam-parana eto intsony. Azonao lazaina amin'ny mpisera ve hoe inona no anton'ny nahatonga anao hamorona tononkalo ?
MAMPAHORY ary mahakasika ny fiainako manokana ny nandraisako ny penina voalohany mba hanoratana !....Tsy te hamoha fota-mandry intsony aho fa holazaiko aminao manokana indray andro any !
 
  • Mivoatra ny tononkalo amin'izao fotoana izao. Azo lazaina ho mihatsara ve raha oharina amin'ireo andrarezin'ny taon-jato teo aloha toa an-dry Dox, Rabearivelo sns ?
Sarotra amiko ny hamaly an'io fanontaniana io satria samy manana ny famoahan'ny aingam-panahiny ny poety. Tsy nanam-bintana aho namaky tononkalo maron'ny poety ankehitriny satria tsy hita amin'ny internet loatra, tsy mahavoaka boky, tsy manao antsa loatra ary tsy tia mifampindrana kahie tahaka ny fanaonay taloha ka ho maivana ihany ny hevitra mety omeko anao. Mbola eo ho eo ihany ny fivoaran'ny tononkalo ankehitriny araka ny hevitro. Be ny poety manana tononkalo maro fa mijanona any am-bata sy amin'ny kahie fotsiny fa tsy manambola hamoahana boky noho ny halafosan'izany ankehitriny.
 
  • Manana fanakianana ve i Fredy Jaofera momba ny tononkalo miely ankehitriny ?
Ny tononkaloko sa ny tononkalon'ny hafa ?....Vitsy no miteny mikasika ny tononkaloko !.....Be ny tononkalon'ny hafa hitako amin'ny serasera !.....Misy mahay manoratra saingy zara raha fantatra !....Misy koa mampiady rima fa tsisy dikany ilay tononkalo. Farafaharatsiny dia ny hevitra avoaka no asiana rima fa tsy ny rima no enjehina fa ny hevitra poak'aty !....
 
  • Filoha lefitra ao amin'ny Havatsa Upem sampana Frantsa ianao, azonao lazaina fohifohy ve ny momba ity sampana ity ?
Sambany angamba amin'ny fikambanana rehetra misy any Madagasikara no mba manana sampana aty ivelan'ny riaka. Fikambanan'ny poety efa ela nijoro tany an-tanindrazana sy manana ny lazany ny Havatsa. Ny sampany eto Frantsa dia dimy taona amin'ny 12 Novambra 2009 izao no nijoro. Folo mianadahy no nanaiky hanangana azy; tao an-tokantranoko teto Goncourt no nandaniana fa MITSANGANA ny Havatsa. 18 mianadahy no mikambana ary ny tanjon'ny fikambanana dia ny hampiroborobo hatrany ny teny malagasy sy ny fomba malagasy manerana an'izao tontolo izao. Fantatry ny vahiny i Madagasikara rehefa fantany fa misy ny teny malagasy !
 
  • Matetika ny sehatra ahitana ny Havatsa Upem dia zarainy amin'ny mpanakanto hafa (mpitendry mozika, mpihira, mpikabary sns). Afaka mamindra irery ve ny poeta eo amin'ny sehatra ?
Afaka dia afaka tokoa ! ....Toe-panahy itondrana ny fikambanana no mahatonga izany ! .....Tahotra na ahiahy ny tsy ahazoan'ny poety olona angamba hoy ianao matoa maka artista kanefa tsarovy fa be ny poety an'Iarivo tsy maka artista fa mahafeno olona foana izay ataony. Izany dia mitranga ao amin'ireo poety namana ao amin'ny Faribolana Sandratra. Ny Havatsa any Iarivo dia manao an'izany koa matetika !....Matoa fotsiny ny poeta iray mitady artista dia mbola mahatsapa izy fa mbola tsy alehany (na izy na ny asa sorany) ka mila ny hafa vao ho hita na ho fantatra !....
 
  • Vao tsy ela akory no nandao antsika i Rado, andrarezin'ny tononkalo malagasy. Afaka mitanisa anarana poeta vitsivitsy ve ianao afaka handimby ireo olomangam-pirenena toa an'i Rado ?
Be ny poety malagasy saingy tsy fantatsika satria be amin'izy ireo no tsy tia miditra fikambanana ! Rehefa afaka mamaky ny tononkalon'ny poety maro ao anatin'ny fikambanana misy ahy aho sy ireo poety ivelan'ny fikambanana vao afaka hamaly anao. I Rado matoa nahatafavoaka boky maro dia tsarovy fa efa tandra vadin-koditry ny fiainany ny manoratra ary nanam-bola hamoahana boky ka lasa fanta-daza izy. Rehefa mahavoaka boky daholo ireo poety malagasy rehetra dia ho gaga mihitsy amin'izay. Be no POETES SANS LIVRES any an-tanindrazana. Mbola vitsy ny poeta Malagasy heverina ho manoratra isan'andro noho ny hamafin'ny fiainana ! Be koa ny olona maro no milaza fa ny poety dia adala. Ka misy poety sy mpanoratra tsy te hanohy fa voapepo ary misy anefa mafy loha ka tohizany hatrany ny fanoratana. Mbola tsy nahita olona tahaka an'i Rado aho.
 
  • Fanontaniana efa napetraka ho an'ny be sy ny maro ity : manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, mitoetra eny anjorom-bala ve ny poeta malagasy sa tsia ?
Araka ny fiheverako dia mpitarika (guide) ny poeta . Ny asa soratra iray dia manampy ny vahoaka hatrany rehefa hain'ilay poety no milaza izay zava-mitranga ao amin'ny firenena. Ny asa soratra iray dia manazava ny olona rehefa misy olona na vahoaka tsy mahazo izay fandehan-javatra ao amin'ny firenena ! Rehefa mihetsika ny vahoaka ka manao meeting, ohatra, dia afaka manararaotra tokoa ny poety amin'ny fotoana toy ireny hanehoany ny talentany !....Mora fantatr'olona izy amin'izay !....
 
  • Misaotra indrindra andriamatoa Fredy Jaofera nanaiky nitapatapak'ahitra amin'ireo mpisera eto amin'ny poeta.webs.com. Mandrampisera indray tompoko !

Rohy ahitana ny mombamomba an'i Fredy Jaofera
http://efjr.wordpress.com/

http://efjr.e-monsite.com


poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×