Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 janoary 2018

RAS VARATRA - TALY

Ny masoandro hono raha miposaka mandefa ny tarany. Ny volana raha hiseho manome hazavana fa izahay kosa no mitafa amintsika mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs dia hanambara vaovao. Koa faly miarahaba antsika mpanaraka ny tapatapakahitra nahatratra ny taona vaovao ary mirary soa sy fanambinana ho anareo.
Handray vahiny vaovao isika anio izay olona manandratra ny literatiora amin'ny alalan'ny soratra.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao Ras Varatra, ampahafataro anay hoe iza no vahinin'ny Pôetawebs anio?

Ras Varatra
Faly miarahaba anao koa Léa Fandresena ary miarahaba ny mpanaraka ny Pôetawebs rehetra ny tenako.
Ras Varatra moa izany dia anarana nentiko amin'ny asa soratra fa ny tena anarako dia RANDRIARIMALALA Santatriniaina, teraka ny 22 Janoary 1997 tao Ambohibary Vohilena (distrika Anjozorobe). Mbola mpianatra aloha hatreto ary mbola tsy manambady...

Léa Fandresena
Inona no hevitry ny anarana diam-peninao?

Ras Varatra
Izao no fanazavana ny nahatonga an'ilay anarana Ras Varatra.
Ras: fanafohizana ny hoe RANDRIARIMALALA Santatriniaina.
Varatra: anarana nampitondraiko an'ilay Ainga ato amiko io, izany hoe raha tsotsorina dia andro fahavaratra no nanombohako nanoratra voalohany ary ny feom-baratra reko tany ivelany dia anisan'ny nanaitra ahy mafy indrindra tao anaty efitra iray ary nahatsiarovako zavatra lehibe teo amin'ny fiainako...
Ary teraka teo ny anarana hoe Ras Varatra.

Léa Fandresena
Ras Varatra hatrany no sonia napetrakao amin'ny tononkalonao?

Ras Varatra
Ras Varatra aloha izany dia mbola anatina tononkalo fotsiny no misy azy amin'izao ary mbola tsy milaza ny tenany hoe mpanoratra. Vao roa taona aza izao izy no nilona tao anatin'izany fikarohana momba ny tononkalo izany.
Ny tanjony: hanandratra ny Literatiora gasy.

Léa Fandresena
Mankasitraka anao nampahafantatra ny momba anao. Inona moa no lohahevitra tena ironanao amin'ny asa soratra? Azo lazaina ho "varatra" be tokoa ve izay miseho?

Ras Varatra
Hihi! Ny Fitiavana aloha izany hatreto no mbola hitako manavanana ahy, fa miditra any amin'ny fahafatesana sy ny tononkalo momba ny fiainana andavanandro koa indraindray.


Léa Fandresena
Afaka manolotra tononkalo iray ve ianao mba hankafizanay azy?

Ras Varatra
Eny,  inty ary misy sombintsombiny kely ao anatina fitiavana.

TSY OMEKO TSINY IANAO

Tsy hitanao tazanina amin'ny maso roa mijery ny fony tia anao,
Tsy takatrao fantarina amin'ny vavany miteny ny ao anatiny ao,
Kanefa tsy mahagaga raha mino sy matoky ny fony ianao satria,
Izany... izany rehefa tia
(...) Tsy omeko tsiny ianao
Ras Varatra


Léa Fandresena
Mahaliana tokoa ny voalazanao. Misy hetsika hokarakarainareo hono entina manokatra ny taom-piantsana?

Ras Varatra
Eny tokoa, tena misy hetsika hokarakarainay mihitsy izay mitondra ny lohateny hoe Taly, midika hoe randrana, hatao amin'ny 24 febroary 2018 ao amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely. 7 mianadahy izahay no mikarakara azy io. I Zoky be FOSA no lehibenay mikararakara azy io. Dia faly manasa anareo izay liana e!
Amboary dieny izao ny fotoana.

Léa Fandresena
Maro tokoa ireo mety ho liana fa ampahafantaro azy ireo mialoha ny tianareo havoitra amin'ny hoe "taly" na randrana hoy ianao teo. Ahoana ny endriky ny seho ary iza avy ireo mpandray anjara?

Ras Varatra
Randrana hoy isika no dikany, ka ao anatin'izany ny hoe mitaly volo, mitaly fanahy, mirandram-bolo mirandram-panahy.
Ny endriky ny  taly izany dia seho miendrika tsangan-tononkalo,
Ny mpandray anjara ao anatiny?  FOSA, FENOTSIKY, SENTO, NY ANDO, TIARY NJAVA, IANDRAINA ary RAS VAHATRA.
Ireo ihany angamba aloha ny azoko ambara hatreto fa any isika mahita azy.


Léa Fandresena
Misy vidim-pidirana sy boky amidy ve?

Ras Varatra
Misaotra anao nampatsiahy Léa Fandresena
Ny vidim-pidirana tsy misy fa tongava maro e!
Ny boky aloha tsy misy angamba amin'io fa mety misy zavatra hafa havoakanay ihany,  fa mivonona ihany dia tongava e! Ataonay mandadina be io!

Léa Fandresena
Azonao ampahatsiahiviny kely ary ve ny fotoana sy ny toerana?

Ras Varatra
Ny toerana moa dia efa mahazatra ny maro ihany:
IVOKOLO CEMDLAC ANALAKELY
Ny fotoana dia amin'ny 24 febroary 2018. Manomboka amin'ny 2 sy sasany ny fampisehoana fa tongava aloha raha mety e!

Léa Fandresena
Hamaranana ny tafa Ras Varatra, ahoana ny fahitanao ny fivoaran'ny literatiora an-tsoratra ankehitriny?

Ras Varatra
Tena tsara ilay fanontaniana. Raha ny literatiora an-tsoratra aloha izany amin'izao dia hita taratra fa tena miroborobo tokoa. Azo raisina ohatra amin'izany ny fitombon'ireo namana mpanoratra ato amin'ny serasera "Facebook".
Saingy ny olana mampalahelo anefa dia nihena ankehitriny ny fahaizan'ny zaza Malagasy manoratra ny teniny noho ny tsy fahazarana mamaky boky intsony. Lasa variana loatra amin'ny fivoarana ara-teknôlôjia ny ankizy, hany ka lasa kamo mamaky boky sy lasa manimbazimba ny teny toy ny fanafohezan-teny tsy araka ny tokony ho izy. Zary lasa tsy mahay manoratra teny feno intsony ny olona.
Raha tsorina ny voalaza rehetra dia azo lazaina fa mihavery hasina ny literatiora an-tsoratra malagasy ankehitriny noho ny firoborobon'ireo fandrosoana avy any ivelany. Na izany aza anefa dia mbola tokony hamiratra ny hoaviny noho ny fahamaroan'ireo ankizy tia mikarokaroka sy manoratra raha toa ka mahatandrina ny hasin'ny sora-gasy izy ireny.

Léa Fandresena
Mankasitraka anao Ras Varatra ary misaotra indrindra nivahiny tato amin'ny Pôetawebs. Mirary soa anareo hahavita soa ny fampisehoana.
Manantena antsika rehetra ho tonga amin io fotoana io!

Ras Varatra
Tongava maro e! Misaotra anao Léa Fandresena nandray ahy tato amin'ny Pôetawebs. Mirary soa e!

pôetawebs©2018 - pôetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/01/2018