Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

29 marsa 2018

Ny Iraka Rambolamanana manolotra ny "Vato nafenin'ahitra"

Ny Iraka Rambolamanana no vahinin'ny Pôetawebs. Efa teto amin'ity akalana ity izy tamin'ny 20 jona 2016 kanefa dia tafaverina soa aman-tsara satria manam-baovao. Lea Fandresena no mampiantrano.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao Ny Iraka Rambolamanana tonga soa eto amin'ny Poetawebs indray. Tsy ho lava resaka aho satria maro ny vaovao hoentinao kanefa na izany aza dia ampahatsiahivo kely hoe ny mombamomba ny vahininay.
 
Ny Iraka Rambolamanana
Mankasitraka indrindra amin'ny fandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanapariahana ny vaovaon'ny Literatiora Malagasy.
"Miarahaba tompoko!"

Ny Iraka RAMBOLAMANANA, teraka tamin'ny 13 Martsa 1980 tao Ambatomanoina-Anjozorobe, manoratra tononkalo, sombin-tantara, tantara tsangana, tantara foronina na tantara fandefa an'onjam-peo ihany koa. Ankoatra ny maha-mpamorona ahy, dia MPIKABARY ihany koa ny tenako.
Nanomboka nanoratra aho ny taona 1995 ary niditra ho mpikambana tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ny taona 1999 sady taona nidirako ho mpikambana tao amin'ny OMDA ihany koa.
Efa nitety toerana sy Sekoly maro manerana ny Nosy aho, nanao velakevitra mikasika ny Literatiora sy niantsa tononkalo mitety vazan-tany. Misy fotoana aho mandeha irery, fa misy ihany koa fotoana niarahako tamin'ireo Poeta namana.
Tononkalo fitolomana sy mitankosina akaikikaiky kokoa ny fiaraha-monina no tena manavanana ahy, na dia tsy vitsy an'isa ary ireo asasoratro miresaka fitiavana sy fivavahana.
Léa Fandresena
Efa namoaka boky ve?

Ny Iraka Rambolamanana
Inefatra namoaka boky aho tao anatin'izay vanim-potoana lavalava nilonako tao anatin'ny sehatry ny Literatiora izay:
- TANAN-DAVA (2001)
- SALAMANGA (2003)
- HIAKA MIRITSOKA (2009)
- SOA MAHAMANINA (2016).

Léa Fandresena
Renay siosio aza fa miala any indray ny boky fahadimy izay hahita masoandro mandritra ny hetsika hataonao sy i Sento amin'ny 4 avrily izao?
 
Ny Iraka Rambolamanana
Miroso amin'ny famoahana ny boky fahadimy indray amin'izao fotoana iresahantsika izao, izay mazava ho azy moa fa iarahako amin'i "SENTO" ny famoahako ity boky ity.

Léa Fandresena
Inona no antony nisafidianana ny lohateniny hoe "Vato nafenin'ahitra"?
  
Ny Iraka Rambolamanana
"VATO NAFENIN'AHITRA", io no lohatenin'ny boky havoaka ny 04 aprily 2018 ho avy izao. Fomba fiteny malagasy mipetraka ara-tantara izany ary mifamatotra lalina amin'ny kolontsaina eto, toy ny finoana ny TSINY sy ny TODY, ary hoy indrindra ny Ntaolo mahakasika izany: "Vato nafenin'ahitra, raha tsy hitan'ny angady fahavaratra, hitan'ny antsy raha fararano". Izany hoe hetsika hitaterana ireo andavanandrom-piainantsika Malagasy voatsindrin'ny aloka, na ireo zava-miafina na ny mody nafenina, na ireo zava-takona na mody notakonana. Mazava ho azy izany fa misy zavatra mety tsy fantatrao mihitsy fa hiharihary tahaka ny tafika andrefan-tanàna, amin'io andro.
 
Léa Fandresena
Hahita ny boky tokoa izany ny mpakafy amin'io hetsika io?
 
Ny Iraka Rambolamanana
Ho an'izay manam-paniriana hahazo ny boky angamba no hilazako fotsiny hoe "IRAY ALINA ARIARY" ny boky iray, dia mivatsia vola raha mba hetahetanao efa hatramin'ny ela ny mba hitahiry ny asasoratray mirahalahy.


Léa Fandresena
Ampahatsiahivo kely hoe ny toerana sy ny fotoana!
 
Ny Iraka Rambolamanana
Efa tena antomotra ny fotoana satria ny 04 aprily 2018 ho avy izao, amin'ny 2 ora sy sasany folakandro, ao amin'ny "IVO-KOLO" na antsoina ihany koa hoe "CEMDLAC" ANALAKELY. Hizara maimaimpoana ny hafatra ho an'ny daholobe izahay mirahalahy amin'io fotoana io ary hisy ny fifanomezan-tanana sy ny fanotronan'ireo Poeta namana eo amin'ny lafiny fiantsana ireo tononkalo voarakitra ao anatin'ny boky.
"TSY MISY VIDIM-PIDIRANA" ny fijerena io famoaham-boky io fa anasana izay rehetra mahatsiaro tena ho manana adidy amin'ny fanohanana ny Poeta sy ny fanandratana ny LITERATIORA MALAGASY.
 
Léa Fandresena
Iza avy ireo mpandray anjara manampy anareo mirahalahy amin'io fotoana io? 
 
Ny Iraka Rambolamanana
Tsy latsaky ny valo ny isan'ireo mpandray anjara hanampy anay hiantsa fa ny efatra tadidiko eto izao dia i RITSOKA BALISAMA, HERY MAMPIONONA Andrianantenaina, Ras VARATRA ary i Njanahary HERIMAMPIONONA.


Léa Fandresena
Mila fanentanana kely angamba ny mpakafy. Manana hafatra atolotra ny mpanoratra amin'izao fotoana izao ve ianao?
 
Ny Iraka Rambolamanana
Samia mitandro ny hasin'ny kanto e! Aleo iaraha-manandratra ny Literatiora Malagasy fa "izay tsy mihetsika mihitsoka!", araka ny tenin'i Elie Rajaonarison, namana ninaloha lalana.

Léa Fandresena
Mankasitraka indrindra anao nivahiny teto  amin'ny tranonkala ary mirary soa amin'ny hetsika izay hataonareo. Ho tontosa soa aman-tsara ary manentana ny rehetra ho tonga eny Analakely ny 4 avrily hijery ny antsa mitondra lohateny hoe vato nafenin'ahitra.

Ny Iraka Rambolamanana
Dia manantena indrindra e! Sady mirary fety sambatra ho antsika rehetra.

ôetawebs©2018 - pôetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/04/2018