Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

21 avrily 2018

AVELO NIDOR, VAHININ'NY POETAWEBS

Tsy zoviana amin'ny mpanaraka ny tranonkala intsony ny vahiny anio fa mpikambana avy ao amin'ny Faribolana Sandratra. Io Faribolana io dia manao hetsika isam-bolana ao amin'ny CGM Analakely. Isan'ny Faribolana Sandratra i Avelo Nidor izay hampiseho ny talentany ao amin'ny 28 avrily. Efa nisy lahatsoratra momba azy teto amin'ny Poetawebs kanefa mbola maro angamba ireo mpankafy no te hahalala misimisy kokoa azy.

Léa Fandresena
Fanombohana ny hira hono mozika. Fanombohana ny hafaliana tehaka. Fanombohana ny isa ankihy. Fa fanombohana ny resaka atao amin'ny vahiny anio kosa dia fiarahabana, koa faly miarahaba anao Avelo Nidor tongasoa eto amin'ity efitry ny tapatapakahitra an'ny Pôetawebs ity.

Avelo Nidor
Faly miarahaba anao Léa Fandresena sy ireo namana mpiara-miasa aminao eto amin'ny serasera Poetawebs ary faly miarahaba ihany koa ireo namana mpanoratra sy poeta ary isika mpankafy ny zavakanto vita amin'ny teny.

Léa Fandresena
Azonao ampahatsiahivina ve ny momba anao alohan'ny filazana ny voandalana?


Avelo Nidor
Rakotondravelo Hajatiana Rodin no anarana eo anivon'ny fiarahamonina ary Avelo Nidor kosa ny ahafantarana ahy eo amin'ny sehatry ny literatiora,
anarana teraka tamin'ny taona 1999 ary io ihany koa ny taona nidirako tao amin'ny Faribolana Sandratra. Maro ireo antsatononkalo izay niarahako tamin'ireo mpanoratra sy poeta indray mihira amiko sy ireo zokibe fa ny singaniko kosa dia ireo boky sy seho mitokana izay nataoko.

Boky amboaran-tononkalo mitokana
- "Mampangidihidy", 2010
- "Ary tamin’izany andro izany…", 2013
- “Vaovao mahafaly", 2016

Kapila mangirana henoina mirakitra tononkalo
“ary tamin’izany andro izany…”: 2014

Ireo asa fikarohana momba ahy sy ny asasorany
- "Ny fanovana endri-javatra ao amin’ny tononkalon’i Avelo Nidor ao amin’ilay boky "ary tamin’izany andro izany…”, asa fikarohana nataon-dRASOAMANARIVO Anjavola, CAPEN Malagasy, ENS Antananarivo, 2016.
- "Ny fiangaliana kanto manorina ny tononkalon'i Avelo Nidor", asa fikarohana nataon-dRAKOTOANDRIAMASINORO Haritoky Nantenaina, Master 2, Oniversiten’Antananarivo.


Léa Fandresena
Efa nahavita tsangambato ho fahatsiarovana ho an'ny taranaka tokoa ianao nefa mbola miezaka hatrany manohy izany. Misy hetsika ho karakarainao ato ho ato
Azonao ambara ve ny mombamomba izany?

Avelo Nidor
Araka ny mahazatra rehefa misy fampahafantarana boky vaovao avoakanay ao amin'ny Faribolana Sandratra dia antsatononkalo no atao ho fanamarihana izany. Amin'ity kosa mba novaiko kely. Tsy antsa tahaka ny mahazatra fa natao teatra ilay izy satria ny tena sady mpisehatra no mpandrindra an-tsehatra koa tononkira fananganana ny maty no lohatenin'ny boky sady io koa ny lohatenin'ny seho. Ny hevitry ny lohateny indray dia malalaka be sy afaka manonofy izay mety amin'ny rehetra fa ny tena nasongadina ao dia ny hoe ny Poezia dia mamelona ny aim-panahy maty ao amin'ny olombelona. 

Ny endriky ny seho dia misy tantara roa:
- ny seho 1 dia miresaka soratra sy fiainam-pirenena
- ny seho 2, 3, 4 dia resaka fitiavana.

Ireo mpandray anjara, rehefa eto Antananarivo no atao ny hetsika, dia ny Mpiraifaribolana eto Antananarivo no miaraka amiko ao. Rehefa any Manjakandriana indray dia fiaraha-miasa amin'ny Faribolana Sandratra sy ny Zoromanga. Rehefa any Tsiroanomandidy moa dia ny Mpiraifaribolana avy any ihany no milalao azy. Ny any Fianarantsoa dia iarahako amin'ny Mpiaraifaribolana any ary koa ny any Toamasina kosa dia iarahako amin'ny compagnie Randrana.
Nanampy tamin'ny fanatontosana ny boky i Ranjasoa publishing nanao ny couverture ary ny Faribolana Sandratra kosa no nisahana ny fanontana. Nanampy tamin'ny fanontana koa i Maike Meureur sady nanao ny teny fanolorana ny boky.

Léa Fandresena
Rahoviana ary ny fotoana hanaovana ny hetsika dia azo fantarina ve ny vidin'ny boky sy ny toerana ahitana azy aorianan'ny seho?

 

Avelo Nidor
Ny 28 aprily ao amin'ny CGM Analakely amin'ny 3 ora tolakandro
vidim-pidirana 3000ar
vidin'ny boky 10 000ar
Aorian'ny seho dia mbola hodinihina ny hametrahana ny boky fa ny azo ambara dia hiova ny vidiny.

Ny hetsika any amin'ny faritra indray dia
05 may: clac Manjakandriana
19 may: akany fjkm tsiroanomandidy
26 may: alliance française fianarantsoa
03 jona: Toamasina


Léa Fandresena
Ahoana fahitanao ny asa soratra ankehitriny sy ny zavamiseho eo amin'ny manodidina
Mahafehy izany ve ny tanora ankehitriny ary tafita tsara ve ny hafatra araka ny hevitrao

Avelo Nidor
Ny fahitako ny mpanoratra ankehitriny? Araka ny filazako matetika dia miara-manoratra ny tantara isika izao ary miara-miaina ny vanimpotoana misy. Efa mihamivelatra ny sehatra hahafahan'ireo mpanoratra mampiseho ny kantony ankehitriny
ary mahavelom-bolo satria maro dia maro izy ireo no tena manan-talenta sy manam-pinoana. Ka dia mamporisika antsika hatrany hanandratra ny Literatiora malagasy e!

Léa Fandresena
Ahoana ny fahitanao ny firoborobon'ny boky ankehitriny?


Avelo Nidor
Raha eo amin'ny boky mirakitra tononkalo tokoa dia betsaka izy ireny amin'izao fotoana izao fa ny mampametra-panontaniana tokoa dia hoe misy manjifa sy mitady ve izy ireny...
Raha ny fahitako manokana aloha dia tsy ampy ny fampahafantarana ireny boky vaovao vao mivoaka ireny. Eo amin'ny fanjifana indray dia amiko rehefa tian'ny olona ny zavatra soratanao dia jifainy foana io.
Noho izany, mila mamokatra boky mendrika ho an'ny taranaka isika fa tsy boky vita tefy maika na zaitra an-tsena na endrika ivelany izany na votoatiny.

Léa Fandresena
Inona ny fepetra tokony horaisina manoloana ny halatra tononkalo sy halatra asasoratra. Inona no tokony hatao ho fiarovana ny zon'ny mpamorona?

Avelo Nidor
Sarotra dia sarotra tokoa ny mifehy ireny olona ratsy saina mangalatra asasoratra ireny. Fa izao e, ilaina foana ny fanaovana "dépôt légal" rehefa hamoaka boky fa iny irery ihany no miaro anao amin'ny mpangalatra. Harovana atao ahoana tokoa moa ny zon'ny mpamorona? Eto ary misy onjampeo manao fandaharana momba ny literatiora dia ny mpanoratra indray no hakana vola.


Léa Fandresena
Mankasitraka anao nivahiny teto amin'ny fandaharana dia manentana ireo mpankafy rehetra ho avy ao amin'ny CGM Analakely ny 28 aprily amin'ny 3 ora tolankandro.
Misaotra anao Avelo Nidor ary mitomboa fahaizana sy fahalalana hatrany!

Avelo Nidor
Mankasitraka anareo ihany koa e!

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 21/04/2018