Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

20 jona 2018

ROJO, HISEHATRA NY ANJANKIRA

Ao anatin'ny Iray volan'ny Teny Malagasy isika izao ary maro ny fomba fanehoan'ny Malagasy izany ka anisany ny hetsika tononkalo hotanterahin'ny Poety efatra mirahalahy antsoina hoe Rojo, Zo Sitrakiniavo, Andriniela ary Narilala. Amin'ny sabotsy 23 jona izao ny fotoana, amin'ny telo ora, ao amin'ny CGM Analakely Antananarivo ka noho izany indrindra no nahatonga ny fihaonan'ny Poetawebs tamin'ny iray amin'izy ireo, dia i Rojo izany.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Rojo! Ahoana ny fomba nifankahalalanareo efatra mirahalahy?

Rojo
Miarahaba anao Toetra Ràja. Samy mpiraifaribolana Sandratra izahay efatra mirahalahy. Eo indrindra noho izany ny finamanana noho ilay rohy iray mampiombona dia ny Haisoratra aman-java-kanto.
Mitovitovy "sora-doko" ihany koa moa ka rariny loatra raha tonga amin'izao fananganana fehezan-kalo iray izao dia ny ANJANKIRA izany.

Toetra Ràja
Rojo no hita ao amin'ny petadrindrina kanefa Rojo Fanahy no ahalalako ny anaranao!

Rojo
Rojo no anarana iakanjoako eo amin'ny sahamaitson'ny Haisoratra Malagasy. Ilay "Fanahy" ao anatin'i Rojo kosa no nataoko hanehoana ny iavahako amin'ireo "Rojo" rehetra ao amin'ny tambazotran-tserasera Fesiboky.

Toetra Ràja
Hazavao kely hoe ny hevitry ny Anjankira

Rojo
Anja: zavatra tsara tarehy, kanto.
Hira: "musicalité" na azo adika ho poezia mihitsy. Misy dikany hafa koa io "Anja" io fa izay dikany mifanandrify amintsika no raisina (ohatra: anjamby sns). Ny tiana havoitra aminy dia ny fampiharihariana ny kanto na ny Poezia ao amin'ny tononkalo.

Toetra Ràja
Ahitana sary bolongana mazava dia mazava tazonin-tanana eo amin'ny ivon'ny petadrindrina. Inona no heviny?

Rojo
Ilay sary bolongana dia entina mandravaka sy anehoana ny kanto ao amin'ireo tononkalo valopolo mahery hita ao anatin'ny boky ANJANKIRA.

Toetra Ràja
Inona indray ary no ifandraisany amin'ny setroka mandravaka ny fonon'ny boky?

Rojo
Safidy manokana ilay setroka hita eo amin'ny fonom-boky. Fanehoana ilay emboka manitra atosaky ny kalo feno fanahy ka manentohento sy mamerovero na ao anaty alina maizin-kitroka aza.

Toetra Ràja
Hisy toerana manokana ho an'ny "Iray volan'ny Teny Malagasy" ve amin'ny sabotsy?

 

Rojo
Ho fanandratana ny iray volan'ny Teny Malagasy mihitsy no antony amoahana ny ANJANKIRA. Hetsika efa fanaon'ny Faribolana Sandratra ny fankalazana izany ary tsy eto Iarivo ihany fa saika manerana ny Nosy. Ao dia ao tokoa ireo namana maro any amin'ny sampana isaky ny renivohi-paritra. Ary tsy azo hadinoina ireo mitety sekoly sy tanàna maro amin'ny alalan'ny "Tononkalo mitety vazan-tany", izay isaorana etoana.

Toetra Ràja
Misy mpanohana ve ianareo?

Rojo
Raha izahay efatra mirahalahy, na izaho manokana dia tsy misy mpanohana fa mianto-tena avokoa, ankoatra ny fifanomezan-tanana eo amin'ny Faribolana Sandratra mazava ho azy. Ny antsan-tononkalo ao amin'ny Cercle Germano-Malagasy dia fanao isam-bolana ka ifandimbiasan'ireo Poeta rehetra mandrafitra ny Faribolana Sandratra.
Eto dia misaotra eram-po eran-tsaina ny CGM sady manome ny trano no mpiara-miasa mahafatra-po.

Toetra Ràja
Rojo, teny indraim-bava kely ho an'ny fahombiazana sy ny lesoky ny tononkalo malagasy ankehitriny.

Rojo
Manoloana ny fanatontoloana dia tsapa fa mihamarefo ny fankafizana sy fandalana ny maha Malagasy raha eo amin'ny tanora ankehitrio. Saika mirona any amin'ny kolontsaina vahiny ny ankamaroan'ny zava-kanto hita sy re etsy sy eroa.
Mahavelom-bolo kosa anefa ny firoborobon'ny Haisoratra raha tarafina eto amin'ity tambazotran-tserasera iray ity. Ary tsapa fa tanora vao herotrerony ny ankabeazan'izy ireo.
Ekena, misy ihany ireo lesoka sy tsy mbola mahafehy tsara ny atao hoe Poezia, kanefa dingana tsy maintsy lalovana ihany ireny fa arakaraka ny filomany ela ao amin'ilay rano mangenihenin'ny Sorakanto no hahatsapany miandalana ny mamy entin'izany.
Fanoitra iray tsy azon'ny tantara dinganina eo amin'ny fiainam-pirenena manko ny Literatiora ka inoako fa velona ho velona izy ary antoka iray afaka hamolavola taranaka vanona sy tia tanindrazana.

Toetra Ràja
Misaotra anao Rojo nahafoy fotoana nizara ny mahaliana tamin'ireo mpanaraka ny tranonkala Poetawebs sy ny tontolon'ny poezia malagasy. Mirary fahombiazana ho an'ny Anjankira.

Rojo
Mankasitraka ny Tranonkala Poetawebs nandray ahy nivahiny sy nitafatafa.
Ho ela velona miaraka amin'ny Kanto, tompoko, dia soava tsarà!

Toetra Ràja
Misaotra indrindra Rojo! Amin'ny sabotsy mifankahita (23 jona), amin'ny telo ora, ao amin'ny CGM.
 
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/06/2018