Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

 03 jolay 2018

RIMA sy ny PENINY iarahana amin'i TSIKIMILAMINA

Dimy taona lasa izay dia nivahiny teto amin'ny tranonkala Pôetawebs i Rima, poetin'ny Faribolana Sandratra, nanazava tamintsika ny antsan-tononkalo natolony tao amin'ny Ivokolo CEMDELAC Analakely ny 11 septambra 2013. Mbola ao amin'io efitrano io ihany no hahitana azy amin'ny zoma 6 jolay izao, hanolotra antsa, ialohavana VASAVASA, izany hoe famakafakana hatramin'ny antsipiriany madinika, ny asaorany.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Rima. Inona marina no zavatra hiseho amin'ny zoma?

Rima
Miarahaba an'i Toetra Ràja sy ny mpiseran'ny Pôetawebs. Amin'ny zoma izao no hanehoana amintsika ny asasoratro teraka tao anatin'izay roapolo taona mahery kely nanoratana izay, amin'ny alalan'ny VASAVASA sy ANTSA, iarahana amin'i Tsikimilamina RAKOTOMAVO

Toetra Ràja
Ambarao aminay ny ho fizotran'ny fotoana?
Rima
Mizara roa ny fotoana.
- ny tapany voalohany: vasavasa iarahana amin'i Tsikimilamina,
- ny tapany faharoa: antsa iarahana amin'ireo namana mpiara-mitankosina sy mpiara-mijalebo.


Toetra Ràja
Inona no antony nisafidianana an'i Tsikimilamina?
Rima
Tsikimilamina... Ny anton'ny safidiko? Milamina ara-bakiteny mihitsy izy rehefa manao zavatra. Hihi! Ny tena marina dia anisan'ny mpahay tsikera maharesy lahatra ahy sy ankafiziko manokana izy rehefa mikirakira ny teny sy ny soratra. Voafehiny amin'ny ankapobeny ny teny sy ny soratra, moa izy foana ihany no iantefan'ny safidy rehefa misy sehatra mila ny talentany.

Toetra Ràja
Inona marina no hataony amin'io vasavasa io?
Rima
Araka ny efa nambarako teo dia mpahay tsikera i Tsikimilamina, mpikaroka... Angamba hiezaka hitsikera izy, na ny lafiny tsara, na ny lafiny ratsy, araka ny fahalalako azy. Fa ny tena azo antoka dia hiezaka hanazava ny zava-miafina ao ambadiky ny soratro izy.

Toetra Ràja
Misy manohana ve ity hetsika ity?
Rima
Mpanohana? Andriamanitra tompon'ny talenta sy ny harena rehetra, ireo namana rehetra tsy ankanavaka, ny fianakaviana manontolo. Isaorako manokana ny vady aman-janako fa ry zareo mandefitra foana rehefa momba ny soratra, ao koa i Cotton Wood (Fanja) nanohana tamin'ny lafiny rehetra. Ary farany, ny OFNAC sy ny IVOKOLO CEMDELAC.


Toetra Ràja
Iza no sokajin'olona hiantefan'ny hetsika?
Rima
Ny mpitia ny literatiora rehetra tsy ankanavaka, na am-bava, na an-tsoratra, sy/na ny tsy tia koa, maninona moa? Mba ho lasa tia e! Fa ny tena iriko sy antenaiko ho tazako ao dia ny mpianatra.


Toetra Ràja
Iza avy àry ireo mpandray anjara hanome fahafaham-po azy ireo?
Rima
Iarahako amin'ireo namana mpiraifaribolana amiko ny famelomana ny antsa, eo ihany koa ireo namana hafa ivelan'ny faribolana fa mpiara-mianjoria anatin'ny teny sy ny soratra eny... Hisy namana mpihira hanotrona ihany koa ao fa ao mahita azy e!

Toetra Ràja
Inona no tena hampiavaka ny hetsika amin'ny efa fahita?
Rima
Toy ny hetsika rehetra ihany fa tsy dia hoe hiavaka manao ahoana... Fa araka ny fijeriko adaladala ity dia seho tsy dia be mpanao io, mba tsy hilazako hoe tsy mbola nisy nanao, amin'ny maha "antsa arahina fanazavana" azy, izay mifototra sy miompana amin'ny lafiny tsikera sy famakafakana.

Toetra Ràja
Misaotra indrindra amin'ny fanazavana ary mirary fahombiazana amin'ny zoma!
Rima
Misaotra tompoko! 

 

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
 

Date de dernière mise à jour : 04/07/2018