Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
09 marsa 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

RAKEMBA, POETA MIAVAKA HIAKA-TSEHATRA
- Vahinin'ny Pôetawebs -

 

 

Pôeta Rakemba, mpanoratra, mpamorona angano ary olon'ny fikambanan'ny tontolon'ny soratra. Manam-baovao hozaraina amintsika izy ka nahaliana ny Pôetawebs ny nitapatapakahitra aminy. I Tsikimilamina Rakotomavo no nandray azy teo amorom-patana.

Tsikimilamina Rakotomavo (TR)
Miarahaba anao Rakemba. Manitikitika ny maro ny nisafidiananao ny anarana hoe Rakemba.

Rakemba
Amin'ny ankapobeny dia ny renibe no andrandrain'ny maro hitantara angano aminy, antenaiko ho matotra sy matoy toy ny renibe aho ka nisafidy io anarana io, izay midika ho renibe any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy. Raha ataoko mantsy hoe "bebe" dia mety hifangaro amin'ilay fiangotiana fiantson'ny mpifankatia ankehitrio hoe "aiza izy izany bebe!"

 

 

TR
Azonao lazaina ve ireo lalana nodiavinao teo amin'ny sehatry ny kanto?

Rakemba
  • Raha vao taona faha 6 monja aho, tamin'ny 1989, dia efa nanoratra tononkalo, tamin'izany fotoana izany, mbola tsy azoko noheverina velively ny ampitso anaty soratra.
  • Ny taona 1996 aho dia nanoratra tao amin'ny fikambanan-dry Masera IK (Irak'i Kristy) Imerintsiantosika.
  • Niditra ho mpikambana Havàtsa-Upem sampana Arivonimamo aho ny taona 2001 fa te hiditra bebe kokoa teo amin'ny sehatry ny fanoratana.
  • Niakatra taty Antananarivo nanohy fianarana ka nanao fangatahana hifindra taty amin'ny Havàtsa-Upem Antananarivo. Somary niandry ny valinteny fidirana ho mpikambana. Tafiditra ho birao tamin'ny taona 2014-2018.
  • Niditra tao amin'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy indray.
  • Namoaka boky sy nanao fitetezam-paritra mitantara angano niaraka tamin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo.
  • Nisondrotra hatrany ny fahalalana sy ny fikarohana natao ka nanorina ny fikambanana Rian-kanto Aja sy Rakemba tamin'ny 2008. Izany anefa tsy nanakana ny fifandraisako tamin'ireo fikambanana samihafa hatrany.
  • Voafidy ho filoha mpitantana ny Vondron'ny Mpiangaly Tantara ny taona 2012-2016.
  • Tafiditra tao amin'ny biraon'ny F.M.T.S. (Federasiona Mpikanto ny Teny sy ny Soratra) nanomboka tamin'ny 2014.
  • Nanao fitetezam-paritany niaraka tamin'ny Ministeran'ny kolontsaina koa tamin'ny alalan'ny angano.
 
TR
Mpanoratra Rakemba, Poeta ihany koa, tononkalo manao ahoana no soratanao?

Rakemba
Tononkalom-pitiavana no tena manavanana an-dRakemba. Izany anefa tsy manakana ahy velively tsy hisehatra amin'ny lafin-javatra hafa.

TR
Efa nisy boky tononkalo nivoaka ve?

Rakemba
Eny, Variraiventy, misy tononkalo 46 isa. Misy boky hivoaka ihany koa ato ho ato.

TR
Hono ho'aho Rakemba, inona no manavanana anao kokoa, mamorona angano sa tononkalo?

Rakemba
Nisy fotoana tena naharitra nanoratako tononkalo ka efa mahatratra 2027 isa no mitoetra ho tsiaro anaty vata sarihana. Inoako angamba fa efa ampy izay voalaza maro izay fa ny fanontana azy ireo ho boky no sisa. Efa mifantoka bebe kokoa ao anaty angano aho amin'izao sady mianatra manokana momba io sehatra io. Manao fikarohana ihany koa mba hahakanto kokoa izay aroso ho jifain'ny maro.

TR
Mampiavaka anao mihitsy ny miakanjo miavaka rehefa misehatra, inona no antony?

Rakemba
Hametrahako io asa io amin'ny toerany no nisafidiako io fanamiana hafakely io, mba hisarihana ny mpihaino hifantoka kokoa no sady hampiavaka azy amin'ny fanamian'ny mpitsabo, relijiozy, miaramila sns... Mividy izay akanjo hitako fa mahasarika ahy aho dia entiko any amin'ny mpanjaitrako, dia izy no manatontosa izay hitako fa mety amin'ny bikako.
 
TR
Manam-baovao ho an'ny mpikira ny kanto ianao. Tantarao hoe?

Rakemba
Hosantarina amin'ny 13 martsa ho avy izao ny taom-pankalazana ny faha-30 nanoratako. CEMDLAC Analakely no hisy ny hetsika koa anasako ireo mpikira ny kanto rehetra ho tonga hanotrona io lanonana io; manomboka amin'ny 11 ora sy sasany ka hatramin'ny 4 ora. Hisy hetsika samihafa ao mandritra ireo ora maromaro ireo.

TR
Vaovao tsara izany Rakemba, mandeha irery ve ianao sa misy mifanotrona aminao mandritra ny seho?

Rakemba
Ho avy eo daholo ireo mpikambana rehetra tamin'ireo fikambanana nisy ahy teo aloha, hanafana ny lanonana. Ny FMTS no miahy ny hetsika.

TR
Inona no antony nisafidianana ny lohahevitra hoe "asaiko ianao hanonofy miaraka amiko"?

Rakemba
Raha mpanonofy no iheveran'ny olona ny mpamorona angano dia ekeko, saingy tiako ho fantatry ny rehetra fa tsy ratsy ny manonofy sy ny mamadika ny ratsy ho zary nofy. Ny kanto dia adilahy anaty zavona ihany, ny sasany mety mahita mangirana fa ny hafa kosa zavon-tany mahalasa vinany. Ny fitrandrahana sy ny fanohanana ny mpikira ny kanto no tsy dia misy ka manjary osaosa izahay.
 

TR
Inona àry ny diary tokony hotadidian'ny mpanaraka ny Pôetawebs?

Rakemba
Ny 13 Martsa 2019

  •  11 ora sy sasany - 12 ora : antsa hotontosain'ny Havàtsa-Upem sy ny ekipan'ny alarobia miverina, Korira Kanton'ny haisoratra, Ysorakanto.
  • 12 ora - 12 ora sy sasany : Rakemba "Asaiko ianao hanonofy miaraka amiko", tafa ho zary tari-dresaka hanohanako io lohateny io.
  • 12 ora sy sasany - 2 ora : antsa sy seho an-tsehatra ataon'ny RAR Circus, Bee Z'art, Dakar Parcours
  • 2 ora fitantarana angano hiarahana amin-dRakemba.

TSY MISY FIDIRANA
Hisy varo-boky sy CD angano mandritra io fotoana io.


TR
Mialoha ny hisarahantsika mirahavavy àry dia isantaro tononkalo tena ankafizinao ny mpanjohy ny Pôetawebs.

 

Rakemba

TIAKO IZY


Satria tiako izy,
dia tsy raisiko ho namana, sao ho rava ny fihavanana.
Satria tiako izy,
dia tsy kasaiko ho sipa, 'ndrao misintaka tsy hita.
Satria tiako izy
dia tsy kasaiko ho vady, mba tsy hisian'ny adiady.
Satria tiako izy!!!
'ndeha hotazaniko maraina
holalovako ny antoandro
ka ajanoko ao an-tsaina
mba ho tiako isan'andro.

Rakemba 2003


TR
Misaotra anao Rakemba nanaiky nizara hafaliana sahady tamin'ny mpankafy ny soratra malagasy ary maniry soa sahady ho anao izahay eto amin'ny Pôetawebs mba hitombo laza aman-kasina eo amin'ny fanandratana ny kanto arindran'ny teny malagasy.

 

 

Rakemba
Misaotra anao Tsikimilamina Rakotomavo. Misaotra ny mpiseran'ny Pôetawebs ary manome fotoana antsika rehetra amin'ny 13 martsa.

 

 

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Pôetawebs©2019 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 12/03/2019