Créer un site internet
Fifi manambara ny Hatsaran-tarehy tamin'i Léa Fandresena

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
10 jolay 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

TAFATAFA MOMBA NY HATSARAN-TAREHY


Am-pifaliana no iarahabana ny mpanaraka ny Pôetawebs ato amin'ity efitry ny tapatapakahitra ity. Ny efitra rehetra ato moa dia azo andraisana am-pitiavana ireo vaovao momba ny pôeta sy ny tononkalo rehetra avy amintsika.

Manana vahiny miavaka isika anio satria tovolahy mitsikitsiky sy falifaly mampiseho ny hatsarantarehiny no manoloana eto. I Léa Fandresena no mitafatafa aminy.

Léa Fandresena
Faly mandray anao izahay ary miarahaba tongasoa e! Efa liana te hahafantatra ny vahiny ny mpisera!

Fifi Razakarison
Miarahaba antsika rehetra mpitsidika sy mpanaraka ny tranonkalan'ny Pôetawebs. Fifi Razakarison dia pôeta misehatra kokoa amin'ny tononkalo sy ny hira malagasy. Marihina fa efa nivahiny teto ihany ary indro fa tonga indray.

Léa Fandresena
Anatina fikambanana ivondronan'ny olona maro ianao. Mety hahaliana ny mpisera ny momba azy sy ny tanjony.

"Ny tanjonay dia ny hampandroso an'i Madagasikara amin'ny zavakanto malagasy"
Fifi Razakarison
Eny, manana fikambanana tokoa izahay. MPIZAKA STeLaRiM na MPIangaly ZAvaKAnto Sampana Teny sy Lahabolana sy Riba Malagasy. Niforona tamin'ny 1985 tany ho any teny amin'ny anjerimanontolo Ambohitsaina. Misehatra ny tononkalo, tantara tsangana, hira malagasy... Ny tanjonay dia ny hampandroso an'i Madagasikara amin'ny zavakanto malagasy. Eo ihany ny fampivoarana sy fitaizana ny aingam-panahin'ireo mpikanto.

Lea Fandresena

Hanatanteraka hetsika mitondra ny lohateny hoe "hatsarantarehy" ianareo. Hampiseho ny hatsarana tokoa na tovolahy na tovovavy
Azonao ampahafantarina anay ve ny andinindininy?

Fifi Razakarison
Misy an'io hetsika io tokoa ato ho ato izay karakarain'ny MPIZAKA STeLaRiM mitondra ny lohateny hoe "Ny hatsarantarehy". Tsangan-tononkalo izy io na hadika amin'ny teny farantsay hoe: "théâtre poétique", tantara tsangana mifamaly resaka amin'ny tononkalo. Tantaram-pitiavana izy io izay nalaina tamin'ny tantaran'ny andriamanitry ny pôezia na ilay angano grika. Rindran-tsehatra efa vita hatry ny ela izy io (2013) ary i Diadema sy ireo zokinay teo aloha tao amin'ny MPIZAKA izay mpianatra mpandalina momba ny haisoratra no namolavola azy tamin'izany. Hoseharinay ao amin'ny Cemdelac izy io amin'ny 17 jolay izao.
Ankoatra izay, hiavaka ny hetsika amin'ny alalan'ireo haingon-tsehatra, ny jiro sy ny zavamameno. Ary io tsangan-tononkalo io dia tsy tononkalon'ireo mpanoratra toa an-dry Randza, Rado, Myosotis fa asa soratr'ireo zokinay teo aloha no nananganana ny hatsarantarehy.

Léa Fandresena
Efa namoaka boky ve ny fikambanana ary hisy havoaka manokana ho amin'io andro io?

Fifi Razakarison
Efa namoaka boky izahay ny taona 2015, "Vatolahin-tsoratra", ny 2016, "Sokoela". Fa amin'ity kosa dia tsy misy boky fa ny fanotronanareo no tena ilainay ho voninahitry ny haisoratra malagasy. Ankoatra izay, misy koa ny vahiny tsy ampoizina amin'io fotoana io.

Léa Fandresena
Ahoana no mety ho endriky ny fotoana?

"... ary hahazo fahalalana sy aim-panahy ianao"

Fifi Razakarison
Mizara telo ny hetsika amin'io ary voazaran'ny hira malagasy. Amin'ny 17 jolay izao izany ao amin'ny Cemdlac Analakely. Fanentanana farany, tongava fa tsy hahafaty antoka anao ny fanotronana ary hahazo fahalalana sy aim-panahy ianao. Tongava maro fa tsy misy sandany io ary tsy indroa eto an-tany.

Lea Fandresena
Misaotra anao nivahiny teto amin'ity efitra ity. Manentana ny mpisera rehetra ho avy hanafana ny lanonana. Mirary anareo hahavita soa ny hetsika!

Fifi Razakarison
Misaotra ihany koa Léa nanaiky nampandroso anay teto amin'ny Pôetawebs. Mametraka ny mandra-pihaona. Amin'ny 17 izany mihaona!
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 10/07/2019