Créer un site internet
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
21 jolay 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

 Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra

NY ANOKA MANOLOTRA NY EVOKA

Ny alina hono natao hisainana,
izay tsara torimaso madio fiainana...
Ny tranonkalanao kosa,
tsy lany tsiky fa miavosa.


Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraLéa Fandresena
Tongasoa vao maraina ianao Ny Anoka sady velon-tsiky ery! Mandraisa akalana fa efa vonona ny mofo sy kafe. Mangarahara ny resaka, hahaliana ny maro ka aleo hanako. Iza moa no omem-boninahitra?
Ny Anoka
Faly miarahaba ny mpanolotra sy mpanaraka an'ity Tapatapakahitra ity! Tratra soa ianareo! Iza moa i Ny Anoka?
Tiavina RAHOBIARIMINO no tena anarana fa Ny Anoka no anarana entiko anatin'ny sehatry ny fanoratana ary io ihany koa no anarana ahalalan'ny besinimaro ahy. Zanak'i Faratsiho Vakinankaratra aho fa mipetraka eto Antananarivo, valovotaka, Betsileo i Neny ary Merina kosa i Dada. Io fifangaroan'ny ra mikoriana ato anatiko io no anisan'ny ahaizako mifandray aman'olona.
Raha eo amin'ny sehatry ny literatiora no asiana resaka dia nisy ireo dingana efa vita, anisan'ny lehibe indrindra ny famoahana ny boky voalohany VOAMAINTILANY izay niarahana nisalahy tamina pôeta telo hafa. Nandray anjara tamina fifaninanana tantara anonjampeo izay nampanaovin'ny Radio Feon'i Faratsiho (94.2 MHz) ny taona 2018 aho, efa mpivahiny amina radio (Soa Radio Soavinandriana, RTA, RNM, Free FM), iray tamin'ireo telo nikarakara ny hetsika TAMBATRA POETIKA. Izay Ny Anoka.

Léa Fandresena
Maro tokoa ireo bainga voavadika. Misy azo lazaina ve momba ny fikambanana misy anao sy ireo mpiara-miasa akaiky aminao eo amin'ny soratra?

Ny Anoka
Misaotra indrindra amin'ny fanontaniana. Tsy misy fikambanana mamolavola, izany hoe tsy mbola anaty fikambanana aho aloha hatreto. Tsy dia misy mpiara-miasa akaiky ihany koa fa mihaino sy manaraka ny torohevitr'ireo zoky izay azo lazaina ho efa lasa lavitra kosa toa an-dry Ny Iraka Rambolamanana, Zara Ainga (azafady manonona anarana).
Ny mpanoratra ankehitriny ankafizina indray dia singaniko manokana ihany i Ny Iraka Rambolamanana noho ny tononkalony miompana bebe kokoa amin'ny tolona sy fitiavan-tanindrazana. Eo koa i Hobiana, Zara Ainga. Na tiana avokoa aza ny ankoatra izay dia ireo angaha no tiako havahana. Ireo mpanoratra efa lasan-ko razana kosa dia laingalainga aloha izay tsy hankafy an'i Rado e! Fa hafa ihany koa i Samuël Ratany sy i J.J. Rabearivelo.

Léa Fandresena
Mazava tsara izay fa mba ambarao amin'izay àry hoe ny hetsika hataonareo ato ho ato.

Ny Anoka
Eka! Misy hetsika karakarainay tokoa izay hotontosaina ny alarobia 24 jolay ho avy izao etsy amin'ny IVOKOLO CEMDLAC Analakely, manomboka amin'ny roa ora ary haharitra ora roa eo ho eo. Io dia hetsika hiarahana amin'i Andoniaina Cristelle, Vetso Ny Fanahy, Natiora ary izaho (Ny Anoka). Somary hiavaka ny hetsika satria raha hira foana matetika no anelanelanana ny antsa, amin'ity indray maka ity somary hisy zavatra tsy hampoizintsika.
EVOKA, io no anaran'ny hetsika. Tsy hisy aloha ny boky azo jifaina fa izahay kosa dia hanao izay ho tratra ny herinay HAMPIEVOKA tononkalo ho anareo mpankafy.
Saika hadinoko! TSY MISY ny vidim- pidirana amin'io hetsika io, io manko no fanontaniana mety hanitikitika antsika rehefa misy ny seho tahaka izao.

Léa Fandresena
Hiverenantsika kely ny lohatenin'ny hetsika. Azo hazavaina misimisy ve ny heviny?

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraNy Anoka
Misaotra indrindra, azo dia azo tokoa!
EVOKA : amin' ny andavanandrom-piainantsika zanak'olombelona, indrindra fa isika Malagasy mandala sy tsy mbola manadino ny fomba fitsaboana nentim-paharazana, dia heveriko fa samy mahalala ny atao hoe EVOKA. Ny fanaovana EVOKA raha hazavazavaina tsotsotra dia "ravinkazo" maitso tanehina amina vilany mongo na vilany tany angaha no hahalalan'ny maro azy, rehefa mangotraka io dia misarona lamba ary mihohoka na MIEVOKA ilay olona marary. Izay izy raha ny amin'ny fiainana andavanandro. Fa eto kosa, tsy dia mifanalavitra amin'izay akory ny heviny. Natao ho fanasitranana ny fo mararirarim-pitia ity antsa tononkalo EVOKA ity. Natao hanalana ny volivolin-tsain'ny fiainana andavanandro ihany koa. Ampievohana ny mpankafy mba ho tsembotsemboky ny PÔEZIA ka hahatonga azy ho tia sy handala hatrany ny kolontsaina malagasy. Izay ny hevitry ny EVOKA raha hazavaina tsotsotra.
Fa etsy andanin'izany, ny EVOKA dia ahitana fietonana ihany koa, miresaka indrindra zavatra niala tamin' ny toerany ka nisidina eny ana habakabaky ny tsy fantatra. Ohatra: fisarahana, famoizana zavatra iray, fisintahana.

Léa Fandresena
Misaotra anao amin'ny fanazavana. Misy teny atolotrao ho an'ny mpanaraka ny Pôetawebs ve?

Ny Anoka
Voalohany dia sitraka sy telina aloha ho an'ny mpanjohy ny Pôetawebs! Enga anie tsy hijanona eto fa ho tonga hatreny amin'ny IVOKOLO CEMDLAC ny fanjohiana sy fankafizanantsika ny literatiora malagasy fa sady adidy izany no fialana voly ho an'ny saina fa indrindra ny fo! Koa dia manentana impolo injato re e! Tongava hiara-kifanotrona aminay ho fanandratana hatrany ny kolontsaintsika fa "izay tia ny teniny tia ny taniny". Koa andeha hiara-kirona isika, hiara-kievoka antsa tononkalo ny 24 jolay manomboka amin'ny roa ora folakandro.
Averina ihany ny toerana : CEMDLAC Analakely ampitan'ny Gara Soarano. Ento ny namana sy tapaka, ny olon-tiana... fa hianoka isika ka hianoka! Tsy hanenina ianao e! Tongava maro dia misaotra mialoha sahady.

Léa Fandresena
Mankasitraka anao nivahiny teto amin'ny Pôetawebs ary manentana ny rehetra ho avy ao amin'ny CEMDLAC miara-mirona amin'ny ekipan'ny Evoka daholo.

Ny Anoka
Misaotra ny tomponandraikitra nandray anay teto amin'ny Pôetawebs!

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com