Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

20 ôktôbra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

Dimbin'ny Nofy : pôetan'ny fifohazana

sary nindramina
Tovovavy tanora, pôetan'ny Havatsa-Upem indray no vahinintsika anio, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Dimbin'ny Nofy. Heriarilala Andriamamonjy no mandray azy ato amin'ny tranonkala ny Pôetawebs.

Heriarilala Andriamamonjy
Dimbin'ny Nofy, faly miarahaba anao tonga soa ato amin'ny efitry ny tapatapakahitra.

Dimbin'ny Nofy
Faly miarahaba, dia mankasitraka amin'ny fandraisana!


Heriarilala Andriamamonjy
Mety ho misy amin'ny mpisera no mbola tsy mahafantatra anao. Azonao fintinina fohifohy ve hoe iza marina no vahinin'ny Pôetawebs?


Dimbin'ny Nofy
Dimbin'ny Nofy no anarako amin'ny sehatry ny literatiora izay tsy misy ifandraisany amin'ny anarana napetak'ireo ray sy reniko "Rahezarisoa Sannie". Tao Ankisabe distrikan'ny Soavinandriana, faritra Itasy no nahalatsahan'ny tavoniko ary valovotaka ao Tamponala aho. Manoratra satria teren'ny eritreritra tsy mandry ka efa eo andalam-pamoahana izany ho boky indrindra.

Heriarilala Andriamamonjy
Mba zarao aminay ary ny antony nisafidiananao ny solon'anarana hoe Dimbin'ny Nofy.

Dimbin'ny Nofy
Dimbin'ny Nofy satria fifohazana no ao ambadik'izay, aorian'ny nofy ny "tena izy", nofy moa azo adika ho eritreritra, ny dimby entina hilazana fitohizana izany hoe : "fitohizan'eritrerit­ra", tsy mifarana fa mitohy hatrany.

Heriarilala Andriamamonjy
Eny àry e, nifoha tao amin'izay nofy izay ianao ka nikarakara ary nahamasaka ho an'ny mpankafy literatiora, ambarao amin'ny mpitia pôezia ary izany nahandronao izany?

Dimbin'ny Nofy
"FONGATRA" no lohatenin'ny boky, amboaran-tononkalo eo ho eo amin'ny 80 eo no mandrafitra azy. Mba hamongatra izay any am-pon'ny mpamaky ka hahatonga fahatongavan-tsaina sy fifohazana... Fifohazam-pitia, fifohazan-kery, fifohazan'ny lasa sy izay mety ho efa nolalovana... hahafahana manitsy ny hoavy... Fongatra satria misy ny "tsy azo fafana" amin'ny fiainana ary fongatra noho izy amboaram-betsovetso notehirizina sy nafenina kely tany ho any nandritra ny fotoana ela no naseho ho hitan'ny fiaraha-monina.

Heriarilala Andriamamonjy
Rahoviana ary aiza no hivoaka amin'ny fomba ôfisialy ny Fongatra?

Dimbin'ny Nofy
Amin'ny 24 oktobra ho avy izao no mivoaka ny boky, ho hitantsika ao amin'ny Tahala Rarihasina Analakely amin'ny 2 ora.

Heriarilala Andriamamonjy
Amin'ny 24 oktobra hoy ianao ny "Fongatra", izany hoe ao anatin'ny herinandron'ny Havatsa tsara, azonao lazaina anay ve ny nahatonga anao hiditra ao anatin'io fikambanana io?

Dimbin’ny Nofy
Havàtsa satria efa "nofinofy" fahazaza ilay izy, tsy nieritreritra ny hisafidy fikambanana hafa ankoatra azy aho... Izy no niriko ka nosafidiako ary izy no tiako.

Heriarilala Andriamamonjy
Ao amin'izay fikambanana tianao sy nirinao izay, manana andraikitra manokana tanana ao ve ianao?


sary nindramina
Dimbin’ny Ny Nofy
Tsia...mpikambana fotsiny aho!

Heriarilala Andriamamonjy
Oviana àry no nanomboka nanoratra i Dimbin'ny Nofy? Efa nisy dingana vita teo amin'ny literatiora ve teo aloha sa ny Fongatra no voalohany?

Dimbin’Ny Nofy
Nanomboka nanoratra tamin'ny 2015 tany ho any, dingana vita : efa nanao hetsika ara-kolontsaina tao amin'ny CEMDLAC talohan'ny FONGATRA, niarahana tamin'ny poeta hafa...

Heriarilala Andriamamonjy
Inona avy àry no mety hanamarika ny hetsika amin'io, inona avy no mety hitranga?

Dimbin'ny Nofy
Antsa tononkalo no hatao ka somary hiainana kely ny tononkalo (arahina fihetsika), hisy hira handravaka ny hetsika. Ny ankoatra izay? Aleo any mahita azy.

Heriarilala Andriamamonjy
Marina tokoa izany, aleo hilendalenda tsara ny mpankafy dia tamy avy eo maka tsirony. Misy namana hiara-kamelona ny tononkalo aminao ve?

Dimbin'ny Nofy
Misy tokoa izay isaorako azy ireo eto sahady dia i Felamboahangy RV, i Gasy Masiaka ary i Andoniaina Cristelle.

Heriarilala Andriamamonjy
Mahafinaritra izany fa hahita pôeta tanora efatra hamelona ny Fongatra. Mialoha ny hamaranantsika azy àry misy teny tianao hanampiana ve?

Dimbin'ny Nofy
Ny tiako hambara dia hafatra kely ho an'ny Malagasy tsy ankanavaka : "ankamamio ny tenintsika fa isan'ny mampandroso sy mampatanjaka ny firenentsika izany; aoka tsy ho menatra fa sahy mijoro... sahy miresaka amin'ny teny malagasy."

Heriarilala Andriamamonjy
Misaotra anao Dimbin'ny Nofy nitondra izay hafatra mafonja izay, fanentanana farany avy aminao àry momba ny Fongatra e!

Dimbin'ny Nofy
Tongava maro fa haheno izay nofongariko ianareo, handre vetsovetso ela notehirizina ary samy hahazo ny anjarany... Tongava namana a!

Heriarilala Andriamamonjy
Isaorana ianao Dimbin'ny Nofy nanaiky nivahiny teto aminay. Mahavità soa amin'ny "Fongatra", mitomboa talenta. Mandra-pitafa indray!

Dimbin'ny Nofy
Misaotra indrindra anao nandray. Mankasitraka e!

Sary : Dimbin'ny Nofy
Nandrintra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/10/2019