Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

26 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja
IMBITIKA RAMBALA SY NY ERI-MASO FAHAROA
  Tsy vahiny amin'ny mpiseran'ny Pôetawebs intsony ny pôeta Imbitika Rambala satria vao tamin'ny herintaona toy izao izy no nivahiny teto amin'ity efitra Tapatapakahitra ity ka nanambarany ny "Eri-maso 1", bokin-tononkalo sy tantara navoakany. Efa vonona indray ny bokiny manaraka izay harahina hetsika ho fanamarihana izany amin'ny zoma 29 nôvambra izao. Nahasarika ny tranonkalanao ny hafainganam-pandehany.



Toetra Ràja
Miarahaba anao Imbitika Rambala. Tamin'ny ôktôbra 2018 nivoahan'ny "Eri-maso 1" ve dia efa noeritreretinao hoe herintaona monja aty aoriana ny laharana faharoa?
 
Imbitika Rambala
Miarahaba anao ry namana Toetra Ràja. Marina tokoa fa hamoaka boky vaovao indray aho dia ny Eri-maso 2.
 Ary izany dia noho ny fampirisihana sy fankaherezana avy tamin'ny Dokotera Tsikimilamina Rakotomavo, izay anehoako fisaorana mitafotafo noho ny fanomezana tolo-tanana mavesatra ho an'izany.

Herintaona tokoa izay no nivoaka ny Eri-maso 1 dia inty indray ny Eri-maso 2. Zavatra roa angamba no tiako hitondrana fanazavana.
1) - Amin'ny maha ERI-MASO azy, izany hoe eritreritra vokatr'izay hitan'ny maso hatramin'ny nahatsiarovan-tena, dia mazava ho azy fa toy ny olona rehetra dia maro tsy tambo isaina ny tokony holazaina sy horaiketina an-tsoratra saingy indrisy tsy fahafiriny akory no voarakitra, koa izay misy ato no halamina sy havoaka tsikelikely.
2) - Mpiasam-panjakana kely misotro ronono izahay mivady - ny zanakay no mandray ny andraikitra famoahana ireo boky ireo - saingy mbola tsy izahay mivady mihitsy ange no tokony ho adidin'ny zanakay e! Mbola ao ireo zanak'izy ireo, indrindra mbola tsy maintsy hampanjary ny nofinofy sy hanomana ny hoaviny izy ireo. Azonao angamba ny tiako holazaina!

Toetra Ràja
Mazava tokoa! Tsy hitarazoka angamba izany ny laharana fahatelo?
 
Imbitika Rambala
Hamoaka ny laharana fahatelo indray ve hoy ianao manontany? Faniriako io, fikasan'ireo zanako, nefa koa fandaharan'Andriamanitra izany.

Toetra Ràja
Misy mpanampy ve ianao amin'io hetsika famoahana ny boky io : ara-pitaovana sy amin'ny antsa tononkalo?

Imbitika Rambala
I Brentch Mbolamasoandro sy i Liantsoa no hiantsa ny tononkalo. Tsy naka mpanakanto hafa aho fa ny vitsivitsy amin'ireo hira mba noforoniko no entina handravahana ny lanonana.
Ireo zanaka aman-jafinay no miaraka misalahy manomana an'io hetsika io.
 
Toetra Ràja
Ahoana indray àry ny endriky ny boky?
Imbitika Rambala
Tsy miova ny firafitry ny boky, dia tononkalo arahina tantara feno ary faranan'ny tantara mitohy ka raha toa ka mbola tsy nisy nanao ny toy io firafitra io, dia izay no mampiavaka azy.
Ny Dokotera Tsikimilamina Rakotomavo no nanao ny teny fanolorana. Ny anton'ny safidy dia noho ny fahafehezany ny lahatsoratra malagasy.
 
 
Toetra Ràja 
"Faranan'ny tantara mitohy", hoy ianao, tsy karazana fisarihana ny mpamaky hanjohy akaiky ny laharana manaraka ve izany?

Imbitika Rambala
Marina fa tena fisarihana ny olona io laharana io kanefa tsy noho ilay tantara "mitohy" loatra fa haka tahaka ny zavatra hita ao amin'ny Facebook izay mahasarika ny ankabeazan'ny olona amin'izao fotoana izao.
Toetra Ràja
Mihevitra ny hamoaka "Eri-maso" laharana firy moa i Imbitika Rambala? 

Imbitika Rambala
Dia tena tsy haiko izay hiafaran'ny laharan'ny "Eri-maso" satria na efa tsy eny intsony aza aho dia mbola hanana "Eri-maso" hatonta foana ny taranako.
Toetra Ràja
Karazana mpijery tahaka ny ahoana moa no andrasan'i Imbitika Rambala amin'io hetsika io?
 
Imbitika Rambala
Izay liana amin'ny foto-kevitra hoe NAHOANA NO MANORATRA?
 

Toetra Ràja
... sy ny hoe "nahoana no asandratra ny soratra?" Misaotra anao Imbitika Rambala nanazava taminay an'izao vaovao mahafaly izao ary mirary fahombiazana ho an'ny boky sy ny hetsika.
Imbitika Rambala
Misaotra indrindra namana Toetra Ràja! Manantena ny fanotronanao an'io hetsika io, amin'ny zoma 29 nôvambra amin'ny 10 ora maraina ao amin'ny Immeuble ex SOMACODIS Analakely. Mirary anao hahavita be eo amin'ny fampiroboroboana ny teny malagasy.
Mankasitraka tompoko!

Nandrintra ny takelaka : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/11/2019