Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

24 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja

Govina Damy, manandratra ny fitenim-paritra

sary natolotr'i Govina Damy ho an'ny Pôetawebs
Ny tranonkala Pôetawebs dia anisan'ny manandratra ny literatiora amin'ny fitenim-paritra amin'ny alalan'ny fampahafantarana ny tononkalo sy ny pôeta avy any amin'ny faritany. Noho izany indrindra no anton'izao fifanatonan'ny tranonkalanao sy ny fikambanana GASIKO izao, fikambanana manana tanjona sy tetikasa mazava ho famerenana ny hasin'ny fitenim-paritra eo anivon'ny firenena. I Toetra Ràja no mitapatapakahitra amin'i Govina Damy, misolo tena ny fikambanana izay hanatanteraka hetsika amin'ity faran'ny volana ôktôbra ity ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy. 

Toetra Ràja
Miarahaba anao Govina Damy tonga soa ary misaotra nahafoy fotoana hitafatafana eto.
Govina Damy 
Mankasitraka anao Toetra Ràja manasa ahy. Faly miarahaba ireo mpiseran'ny Pôetawebs!
 
Toetra Ràja
Azo hazavaina fohifohy ve Govina Damy ny antony niforonan'ny fikambanana GASIKO?
Govina Damy
Ny antony niforonan'ny fikambanana Gasiko dia noho ny fahitako fa nandritra ny fotoana nilonako tao anatin'ny asa fanaovan-gazety dia tsy ampy ny fampahafantarana ny kolontsaina izay misy eo amin'ny samy Malagasy ary indrindra fa tsy mifankahazo resaka, fomba sy fijery isika, hany ka lasa sakana ho an'ny fihavanana izany... Izay no nahatonga an'ilay hoe Mala"Gasiko", mba hampiroboroboana ny firahalahiana, ny fiseraserana ary ny fampandrosoana ny kolontsaina eo amin'ny samy olombelona... Ny fiteny, fitaovan-tserasera voalohany, no nanombohanay ireo tetikasa maro izay kasainay hotanterahina...
 
Toetra Ràja
Oviana no niforona ny fikambanana?
Govina Damy
Tamin'ny volana novambra 2018 no niforona ny fikambanana izay misy mpanao gazety mikirakira kolontsaina 4 sy mpianatra avy eny Ankatso ary mpanao gazety efa teo aloha...
 
Toetra Ràja
Inona avy ny hetsika sy andraikitra fanaonareo?
Govina Damy
Ity hetsika amin'ny faran'ny volana ity aloha no voalohany fa efa maro no eo am-panomanana... Ankoatra izay dia maro ny asa fikarohana mbola hataonay.
 
Toetra Ràja
Inona no lohahevitra sy ny lohatenin'ny hetsika?
Govina Damy
Ny lohahevitra dia hoe "Malagasy mifandray, Malagasy mifankahay" io koa no teny fanevan'ny fikambanana... Fa ny lohatenin'ilay hetsika dia "AKORY E!"...
Ny tanjonan'ity hetsika ity dia ny hamerenana ny fitenim-paritra eo anivon'ny fiainan'ny Malagasy sy ny hiverenan'ny eo anivon'ny fampianarana malagasy...
 
Toetra Ràja
Hisy fampirantiana fitenim-paritra amin'ny hetsika hataonareo. Handrakotra ny an'ireo foko 18 voalaza ho mandrafitra ny tenin'i Madagasikara ve izany?
Govina Damy 
Folo ireo fiteny izay haranty ao : Betsileo, Vezo, Tsimihety, Antemoro, Antefasy, Masikoro, Bara, Antakaragna, Ntandroy ary Betsimisaraka.
Ataoko hoe mbola tsy mandrakotra ny fitenim-paritra rehetra ireo satria mbola maro no tsy fantatra ka mbola hokarohina fa ireo aloha no nanaiky hizara sy hiara-dalana.

Toetra Ràja
Iza avy ireo mpiombona antoka amin'io?
Govina Damy
Ny Fikambanan'ny tanora avy any amin’ny faritra monina eto Antananarivo no miaraka miombona antoka aminay ary olon-dehibe izay mahafehy ireo fiteny no miahy azy ireo. Miombona antoka koa ny Foibem-pitondrana misahana ny Maha Izy Ara-Kolontsaina eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Irinay ny fandraisan'anjaran'ny Ministeran’ny Mponina fa tsy mbola amin'ity andiany voalohany ity. Ny eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana, na tsy mbola misy fiaraha-miasa mivantana aza, dia efa ahatarafana fifanampiana ara-kevitra.

Toetra Ràja
Fitenim-paritra folo no havohitra amin'ny hetsika. Ahoana ny fomba nifantenana azy ireo?
Govina Damy
Ny Betsileo, Antemoro, Antefasy, Antakaragna, Bara, Ntandroy, Tsimihety, Vezo, Masikoro, Betsimisaraka no nosafidina satria hita hoe ireo no sarotra ary misy zavatra azo trandrahina tsara. Ireo rahateo moa no namaly ny fangatahana.


Toetra Ràja
Azonao atsidika fohifohy eto ve ny mety ho fandaharam-potoana mandritra io telo andro io?
Govina Damy
Ao anatin'ny lanonam-panokafana ny 29 ôktôbra dia hisy ny fandraisana ireo manam-pahefana, lahatenin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny avy ao amin'ny Akademia. Dieny io andro voalohany io ny mpanatrika dia afaka mankamamy tantara tsangana, antsa, slam ary fampianarana fitenim-paritra.
Ny andro faharoa dia natokana ho an'ny valan-dresaka sy atrikasa momba ny fitenim-paritra, ny fampiroboroboana azy ary ny toerany amin'ny fampandrosoam-pirenena.
Amin'ny andro fahatelo dia mbola hitohy ny resaka fampiroboroboana ny fitenim-paritra. Hiavaka io andro famaranana io amin’ny fandraisana anjaran'ireo mpihira nentim-paharazana.

Toetra Ràja
Raha ny fahitana azy dia handranto fahalalana ireo mpanatrika. Azonao omena ohatra ve ny mpisera?

sary natolotr'i Govina Damy ho an'ny Pôetawebs
Govina Damy  
Nasiana lohahevitra ny zavatra ho ampianarina, ohatra ny fomba fiarahabana amin’ny fitenim-paritra, ny ohabolana izay mety misy fotokevitra tsy ananan’ny fiteny hafa. Ireo dia niaraha-nanapaka tamin’ireo fikambanana miara-miasa.
 
Toetra Ràja
Araka ny tombatombanareo, ho resy lahatra ve ny mpijery mandritra io telo andro io fa teny iray ihany ny teny malagasy ivondronan'ny fitenim-paritra samihafa?
Govina Damy
Ny irinay aloha dia ny haharesy lahatra ny Malagasy mpiray tanindrazana fa iray ihany ny teny malagasy na dia hoe nisy nosokajiana ho fiteny. Ny zavatra hita moa dia hoe misy tsy fifankahazoana eo amin’ny samy fiteny nefa dia monina eto amin’ity Nosy iray ity ihany. Ka ilay hampihavana, hifankahafantatra, hifandray ka  tsy hosakantsakanan’ny teny hafa tahaka ny anglisy sy ny frantsay ny fitenim-paritra satria manan-daja bebe kokoa. Antsika io dia tokony hokajiana fa tsy havela ho very na ho potika.
 
Toetra Ràja
Misy hafatra azo omena ny vahoaka ve momba ny fikajiana sy ny fampiasana ary ny maha harem-pirenena ny fitenim-paritra?
Govina Damy  
Rehefa omenao lanjany ny fitenin’olona anakiray, izany hoe ny kolontsainy ka mikasika ny maha izy azy, dia ho tsapany ho azy fa manana andraikitra eo amin’ny fireneny ary mahatsapa fa manana anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny fireneny. Ny fitenim-paritra dia ao anatin'ilay hoe harena izay tokony hokajiana satria ilay maha olombelona mihitsy no voakasika amin’izay. Ny olombelona sy ny kolontsainy no tena harena.
Te handalina ny fomba tokony ho fampiasana azy ve ianao mpisera? Tongava ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 29,30 sy 31 ôktôbra ho avy isao fa ao ny valin'io fanontaniana io.
Farany, manolotra fankasitrahana ho an'ny Foibem-pitondrana misahana ny maha izy ara-kolontsaina eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fikambanana GASIKO tamin'ny famolavolana sy fiarahana manatanteraka ny hetsika AKORY E!

Toetra Ràja
Mankasitraka anao Govina Damy!
Govina Damy
Ianao no isaorana Toetra Ràja!

Nandrintra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/10/2019