Tapatapakahitra nifanaovan'i Heriarilala Andriamamonjy tamin'i Voamboana Varongy
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

06 jona 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

RINDRAMBAIKO AM-PINDAY SY NY ASA SORATRA
— Fifaninanana hazavain'i Voamboana Varongy —
Manam-bahiny ny Pôetawebs, Voamboana Varongy no anarany, mpandrindra ny vondrona "Tahalan'ny Tantara an'Onjampeo" ao amin'ny tambajotra Facebook. I Heriarilala Andriamamonjy no mitafatafa aminy.

Pôetawebs
TAHALAN'NY TANTARA AN'ONJAMPEO
MAD-APPLI
Heriarilala Andriamamonjy
Faly miarahaba anao, Voamboana Varongy, tonga soa eto amin'ny efitry ny tapatapakahitra. Faly miarahaba antsika rehetra manjohy tsy tapaka ny tranonkala Pôetawebs koa.
Tonga eto ianao Voamboana Varongy hizara ny vaovao avy aminareo ho fanamarihana ity iray volan'ny teny malagasy ity.

Voamboana Varongy
Miarahaba ny mpanapatapaka ahitra ary faly ny tenanay amin'izao fanasana izao.
Amin'izao fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy izao, ny Mad-Appli sy ny vondrona Tahalan'ny Tantara an'Onjampeo dia mikarakara fifaninanana tononkalo sy sombintantara. Izy io dia fifantenana ireo asa soratra mendrika ka hampidirina anaty rindrambaiko am-pinday iray ary aparitaka maimaimpoana ho an'ny rehetra.

Heriarilala Andriamamonjy
Inona no nanosika anareo hanao izao dingana izao ary inona no tanjona amin'ilay fifaninanana?

Voamboana Varongy
Tsapanay fa mihatanora ny mpanoratra ankehitriny saingy amin'ny maha tanora azy ireo dia ahitana tsy fahamatorana eo amin'ny fanoratana. Izany nefa dia mahatonga ny asa sorany ho ratsy kalitao sy zara fa vita. Etsy andaniny koa, tsy mahazo avarapatana eo amin'ny fiainan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny ny literatiora an-tsoratra ka anisany nanosika anay hanao izao tetikasa izao. Maro ny antony fa santionany izay tena misongadina ireo.
Natao izao hetsika izao mba hanaporofoana amin'ny fiarahamonina fa mbola velona izany literatiora izany eto Madagasikara. Tianay ny hampahafantatra ny mpanoratra sy ny pôeta ankehitriny ary hanaparitaka ny literatiora amin'ny alalan'ny teknôlôjia. Mba ho toy ny bokikely ao anaty finday io rindrambaiko vokarina io ka ho azon'ny olona vakina na aiza na aiza ireo asa soratra. Tanjona kendrena koa ny hamoahana asa soratra tsara kalitao sy tsara kaly amin'ny alalan'ny sivana apetrakay. Ary ny tanjona lehibe dia ny fanomezan-kasina sy lanja ny teny malagasy satria takina indrindra amin'ity fifaninanana ity ny fahafehezan'ny mpandray anjara ny teny malagasy.

Heriarilala Andriamamonjy
Iza avy no afaka mandray anjara? Inona no mason-tsivana amin'ilay lalao?

Voamboana Varongy
Misokatra ho an'ny rehetra izay afaka manoratra ny fifaninanana fa ny tanora no amporisihana kokoa. Afaka mandray anjara koa na ireo mpanoratra efa fantatra anarana aza.
Tanjona ny hamoaka asa soratra mendrika ka takina ny fahafehezan'ny mpandray anjara ny votoatin'ny asa sorany sy ny endrika anehoana izany. Teny malagasy manara-pitsipika no tsy maintsy hita ary asa soratra ahatarafana ny "kanto".

Heriarilala Andriamamonjy
Anisan'ny misongadina ao amin'ny fampahafantarana nataonareo ny hoe azo andraisana anjara avokoa na asa soratra efa nivoaka boky na tsia. Inona no anton'izay satria ny fahita amin'ny fifaninanana rehetra dia asa soratra mbola tsy nivoaka foana no azo ekena?

Voamboana Varongy
Ireo tanora sasany voalaza etsy ambony ireo dia efa namoaka boky saingy tsikaritra foana ny lesoka rehefa vakina ireny boky ireny. Tsy voatery ho mety avokoa ireny asa soratra navoaka am-boky ireny.
Mbola ahitana lesoka eo amin'ny fanoratana ny teny malagasy, ny fanehoan-kevitra, ny fanatrarana ny "kanto", ny hevitra mandringa, ny fenitra takina eo amin'ny tononkalo sy ny sombintantara ets.

Heriarilala Andriamamonjy
Mety mbola hisy tohiny ve ity fifaninanana ity?

Voamboana Varongy
Tohizana tokoa izy io ary tsy hijanona fotsiny eo amin'ny tononkalo sy ny sombintantara.

Heriarilala Andriamamonjy
Ampahatsihivo kely àry ny fe-potoana sy ny toerana fandefasana ny fandraisana anjara.

Voamboana Varongy
Avantana amin'i Voamboana Varongy ao amin'ny hafatra miafina amin'ny kaonty Facebook na ao amin'ny adiresy mailaka amin'ny menavona@gmail.com ireto zavatra ilaina ireto.

- ny momba ny mpanoratra :
  . anarana feno (miaraka amin'ny solonanarana raha misy)
  . ny daty sy ny toerana nahaterahana

- sary 02 (sary tapaka na lava)
- ny mampiavaka ny mpandray anjara eo amin'ny fanoratana
  (ny foto-kevitra ijoroana, ny fomba fanoratra sns.)

- ny fikambanana idirana (raha misy)
- ireo asa soratra

Nisokatra tamin'ny 30 mey ary hifarana amin'ny 15 jona amin'ny 12 ora alina ny zavatra ilaina.
Azon'ny rehetra atao ny mitsidika ny rindrin'i Fidy Mikanto sy ao amin'i Voamboana Varongy maka ny andinindininy ho an'ireo tsy mbola nahafantatra.

Heriarilala Andriamamonjy
Firy no hahazo fankasitrahana ka ho tafiditra ao anatin'ilay rindrambaiko am-pinday ny asa sorany?

Voamboana Varongy
Mpanoratra 30 no fantenana amin'ity andiany voalohany ity. Tokony ho mendrika avokoa ireo asa soratra roa (02) alefan'ny mpandray anjara mba ho isan'ireo hampidirina anaty rindrambaiko am-pinday ny sanganasany.

Heriarilala Andriamamonjy
Ahoana ny toetoetry ny asa soratra?

Voamboana Varongy

• Ho an'ny tononkalo : andininy 3 ahitana andalana 4 avy
• Ho an'ny sombintantara : tsy mihoatra ny voanteny 500
• Malalaka ny safidin'ny mpandray anjara :
    - na tononkalo 1 sy sombintantara 1
    - na tononkalo 2
    - na koa sombintantara 2


Heriarilala Andriamamonjy
Inona àry no hafatra avy aminao Voamboana Varongy hamaranantsika izao tapatapakahitra izao?

Voamboana Varongy
Ho an'izay handray anjara, diniho sy avadibadiho tsara ireo asa soratra vao halefa mba hananantsika asa soratra tsara kalitao fa tsy fihetseham-po fotsiny ihany. Mampiasà rakibolana na manontania olona havanana amin'ny teny malagasy mba tsy ho diso ny tsipelina.
Ahatarafana ny maha izy azy ny mpamorona ny literatiora koa manentana antsika mba tsy hanao kitoatoa eo amin'ity sahaben'ny literatiora ity.
Misaotra ny tranonkala Pôetawebs ihany koa nanasa ary ho ela velona anie ny literatiora malagasy sy mpamorona.

Heriarilala Andriamamonjy 
Misaotra anao!


Mpandrindra : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 07/06/2020