Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
26 Septambra 2021

 

Elujar Artinef
manolotra ny SANGIDITRA
Pôetawebs
Elujar Artinef Léa Fandresena

 

 

Harivariva an-tanin'olona hono manembona ny any an-tanàna.
Ny andro tokoa no mihahariva fa vaovao vao mafana hatrany no atolotra antsika rehetra mpanaraka ny efitry ny Tapatapakahitra eto amin'ny tranonkala Pôetawebs. Manana vahiny isika, tsy nitondra tanam-polo izy fa nivimbina vaovao mahaliana.

 


Léa Fandresena
Faly miarahaba anao izahay tonga soa eto amorom-patana.

Elujar Artinef
Faly miarahaba ny mpandraharaha eto amin'ny Pôetawebs ny tenako, ary faly miarahaba ny mpanjohy tsy tapaka ny vaovao sy fandaharan'asa eto amin'ity tranonkala ity ihany koa!

Léa Fandresena
Tovolahy vonona sy mazoto tokoa raha ny fahitana anao ary manam-baovao. Mialoha an'izany anefa, iza marina moa ny vahinin'ny Pôetawebs?

Elujar Artinef
Ny tenako dia tovolahy tanora zokiny,
Andriarivoavonjy Fenitriniaina, teraka tamin'ny 20 Febroary 1995 tao Befelatanana. Zanaky Randriarivaovonjy Phillipe (efa maty) sy Ratobilalaina Ihaingonirina. 4 mianadahy izahay no iray tampo, zokiny indrindra ny tenako, ary vavy daholo ireo zandriko. Avy any Andramasina ny fiaviako, ary mipetraka eto Antananarivo.

Léa Fandresena
Andao ary hofantarina indray ny momba anao sy ny soratra e!

Elujar Artinef
Mpanoratra vao misandratra angamba no hitsarako ny tenako, ary "Elujar Artinef" no anarana isalorako eo amin'ny tontolon'ny asa soratra. Nametraka sonia ho fampahafantarana ahy manokana kosa aho dia ny "Tsy vava, fa penina..." ary io no hita eny amin'ny soratro. Ny taona 2008 aho no nanomboka nilomano teo amin'ny asa soratra, ary azo ambara koa hoe "teo vao tonga aingam-panahy". Ny taona 2014 kosa anefa vao hitan'ny besinimaro ny soratro, ary teo koa no nanomboka nifanerasera tamin'ireo mpanoratra namana.

Niditra tao amin'ny fikambanana TTM na Tanora Tia Mikalo eto Antananarivo aho ny taona 2019 ary voafidy ho birao mandrak'androany.

Léa Fandresena
Andao ary isika hiaraka hamantatra ireo zava-bitanao nandritra izay taona maromaro izay.

Elujar Artinef
Efa mpiantsehatra ny tenako tao amin'ny Cemdlac izay efa niova ho Ivokolo ankehitriny, ary efa nanatontosa hetsika vitsivitsy niaraka tamin'ny TTM izay fikambanana misy ahy!
Ny 11 martsa 2019 ihany koa no nanolorako boky tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Ivokolo, boky nosoratan'ny zoky vavy avy any Moramanga any.
Ny volana Novambra 2020 lasa teo kosa no namoaka ny sangan'asako ho boky, izay tsindriko kely fa niarahako tamin'ny zoky vaviko ao anatin'ny soratra dia tsy iza izany fa i RF Ravakiniaina!
Efa vahinin'ny fandaharana tao amin'ny onjam-peo maromaro ihany koa ny tenako. Ohatra amin'izany ny ACEEM RADIO, OLIVASOA RADIO, ICM RADIO, RNM, sns...

Léa Fandresena
Maro tokoa izany zava-bitanao izany. Mirary soa anao hatrany hitohizan'ny  fampiroboroboana ny soratra. Fa mahaliana ny hahafantatra ny momba ilay boky raha azonao hazavaina.

Elujar Artinef
Mitondra ny lohateny hoe "SANGIDITRA" ny boky. Tsy voatery ho misy ambadika na fijery ivelany vao afaka mifandray ny lahy sy ny vavy hoy i Nanja Razanadrakoto, pôeta sy mpanoratra ary mpiasa sy misahana fandaharana ao amin'ny ACEEM RADIO. Izy no eo amin'ny teny fanolorana ary i Mina Ilarion, pôeta sy mpanoratra ao amin'ny Faribolana Sandratra, no teo amin'ny teny fisaorana, sady mbola nanonta (EDISIONA FONTSY).
104 pejy ny boky ary ahitana asa soratra 84 ao anatiny ka ny 4 amin'ireo niarahanay mianadahy nanoratra, ny 41 ahy manokana ary ny 39 kosa no an'i RF Ravakiniaina.

Léa Fandresena
Inona avy ny tarakevitra hita ao anatin'ny boky sy mampiavaka anao manokana amin'ny mpanoratra namana?

Elujar Artinef
Misy tarakevitra 4 ny boky :
- Voalohany, ny fitiavana
- Faharoa, alahelo
- Fahatelo, samihafa (anatra, hafatra)
- Fahefatra, sombintsoratra niraisan'ny olona tsy misy rohim-pihavanana

Ny mampiavaka ahy amin'ny mpanoratra namana dia ny tarakevitra alahelo na fahadisoam-panantenana izay tena voizin'ny aingako, ankoatra ny setran'ny fiainana andavanandro ihany koa.

Léa Fandresena
Aiza no mety hahitana ny boky SANGIDITRA?

Elujar Artinef
Aty amiko na any amin'i RF Ravakiniaina no ahitana ny boky SANGIDITRA, ary ao amin'ny Shoprite Analakely!

Léa Fandresena
Mba omeo sombiny amin'ny ao anatiny àry ny mpankafy raha tsy mahadiso!

Elujar Artinef
SETRIN'NY FITIAVAKO

...
Na ny fomba fijoro
Na ny endrika amam-bika
Na izay momba anao
Dia hanjary fehizoro
Hazavana mibaliaka
Ho ao anatiko ao

Ny famindra sy ny sisa
Ny filantonao miteny
Hatramin'ny fiakanjo
Kanto meva manjopiaka
Mampiaiky ireo mijery
Ny ziponao apoto-dranjo

Ny toetra amam-panahy
Sy ny fomba fisaina
Mampite-hitositosy
Tsy mampatory ahy
Fa mampifoha maraina
Sady mbola mampanofy

Resinao raha ny marina
Rotidrotika ny fo
Ontsaontsa ny fanahy
Mila tsy ho tafarina
Fa babonao tokoa
Ny mombamomba ahy
Elujar Artinef teny an-tsehatra
Ka ny hany fara-teniko
Manambara ilay porofo
Ho anao rahavako
Dia ny rangotr'ity peniko
Hitoetra tsy hihofo
Ho setrin'ny fitiavako


Tsy vava, fa penina...






26/08/2017. Alakamisy Fenoarivo

Léa Fandresena
Tsara tokoa. Ahoana indray àry ny fahitanao ny asa soratra ankehitriny?

Elujar Artinef
Miroborobo aloha ny asa soratra malagasy amin'ny vanim-potoana ankehitriny saingy tsy ampy ireo toerana fitaizana ireo tanora miezaka mamoha indray ny soratra! Tokony tsy ho voatery ny fikambanana misy azy no asian-dresaka fa mba ilain'ny mpanoratra ankehitriny ny fanohanana sy fanomezana ny zony! Maro ireo mpanoratra no manandra-tena irery nefa tsy ampy fampianarana eo amin'ny tsipelina sns... Manana vokatra maro ihany koa ireo tanora mivelatra amin'ny asa soratra ankehitriny saingy tsy ampy ny hoenti-manana hamoahany izany ho boky ka mitoetra ihany ny hafatra voasorany!

Maro ary tena mahafinaritra aloha, raha amiko manokana, ireo tanora miverina milomano anaty soratra! Ny taona 2018 mandrak'androany dia tena nanjary betsaka ireo tanora lasa manoratra, midika izany fa hamerina ny soratra eto Madagasikara nosintsika ity ny mpanoratra (pôeta).


Koa ny hafatro amin'ireo Malagasy mpiray teni-
Teatra tao amin'ny IVOKOLO
ndrazana, mpiray tanindrazana dia "antoky ny fampandrosoana ny tenindrazanao, ny tenindrazantsika, ka aza atao lovian-tsahona ka isika tompony aza tsy mahalala, na tambohon-drazana ela nisiana ka ho ravarava eo am-piarovam-bohitra fa andeha homena ny hasiny sy satany!"
"Hajaiko ny teniko, ho fanilo hanazava ny taniko"

Mankasitraka feno ny mpanaraka ny Pôetawebs rehetra ny tenako, ary mankatelina ny mpanatontosa  ny fandaharana!
Misaotra tompoko

Léa Fandresena
Mankasitraka anao ihany koa dia mirary soa indrindra.

© Pôetawebs

Takelaka : Toetra Ràja

 

×