Tapatapakahitra nifanaovan'i Léa Fandresena tamin'i Mahefa Ratsimbazafy momba ny boky Ranty renty
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
29 Ôktôbra 2021

Andro iray manan-tantara eo amin'ny fikambanana iray ny famoahana boky. Anisan'ny zava-tsarobidy tokoa izany satria ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra. Hanamafy izany i Mahefa Ratsimbazafy avy ao amin'ny STeLaRiM izay mivahiny ato amin'ny Pôetawebs. 

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao Mahefa ary misaotra anao mivahiny eto aminay.

Mahefa Ratsimbazafy
Faly miarahaba ny mpikarakara ary faly miarahaba an'ireo mpanjohy tsy tapaka ny Poetawebs ihany koa!

Léa Fandresena
Hahefa be tokoa ianao amin'ny resaka fanandratana literatiora amin'ny alalan'ny soratra. Tantarao anay aloha ny momba anao sy ny lalana nodiavinao momba izany asa soratra izany.

Mahefa Ratsimbazafy
RATSIMBAZAFIMAHEFA Jean-Aimé no tena anarako ary fantatry ny maro eny amin'ny fiarahamonina amin'ny anarana hoe Mahefa!  Amin'ny soratra indray dia misalotra ny solon'anarana "Mahefa Ratsimbazafy", nanomboka nanoratsoratra ny taona 2016 ary mbola tononkalo ihany aloha hatreto ny asasoratra iangaliana.

Efa nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninana manoratra tononkalo nokarakarain'ny Afo Tsy Maty, 1947...

Léa Fandresena
Faly mahafantatra anao. Efa natsidika teny am-piandohana fa ao anatina fikambanana ianao. Azonao hazavaina ve ny momba izany?

Mahefa Ratsimbazafy
Ao anaty fikambanana tokoa a Mpikambana ao amin'ny Mpizaka STeLaRiM vao tsy ela satria vao tamin'ity taona ity ihany!

Ny mombamomba ny Mpizaka STeLaRiM?

Fanafohezan-teny izy io, halavaina hoe MPIangaly ZAvaKAnto Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy Fikambanana niorina teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, efa an-taona maro ny MPIZAKA STeLaRiM rehefa niparitaka ny ATAUM (Association Théatrale et Artistique de l'Université de Madagascar). Tany amin'ny taona 2017 tany ho any dia nanapa-kevitra ny fikambanana fa haorina ara-panjakana fa tsy hiankina amin'ny Oniversite intsony.

Tsy voatery mpianatra ao amin'ny sampana Malagasy ihany no mpikambana ao fa izay tia sy liana amin'ny zavakanto malagasy toy ny Asa sora-kanto, teatra, hira, hatsikana sy fanentana...

Andriamarolaza Louis Paul sy Andriamanalina Daniel Jules no anisany angady nananana sy vy nahitana ny fikambanana izay samy mpampianatra tao amin'ny sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy.

Léa Fandresena
Raha izany àry ny tantaran'ny fikambanana misy anao. Lazao anay ny hetsika karakarainareo sy ny momba ny boky izay ho avoakanareo.

Mahefa Ratsimbazafy
Mikarakara hetsika izahay amin'ny 30 Ôktôbra ho avy izao izay hotanterahina any Bel'air (Mangararivotra) any Tsiroanoman- didy manomboka amin'ny roa ora sy sasany tolakandro, ary amin'io hetsika io no handrantiana ny boky amin'ny fomba ofisialy...

Ary ny momba ilay boky indray dia misy pejy 56 ao anatiny ary mirakitra tononkalo 40 mahery! Saika mitongilana amin'ny fiventesana fitiavana ny ankamaroan'ny tononkalo ao...


Léa Fandresena
Raha eto an-drenivohitra izany dia ahoana no hahazoana ilay boky? Hisy hetsika momba izany koa ve eto?

Mahefa Ratsimbazafy
Izao no tokony hatao raha te hahazo an'ilay boky eto an-drenivohitra:

- na miresaka amin'izay fantatrao fa mpikambana ao amin'ny Mpizaka STeLaRiM
- na mampita hafatra miafina ao amin'ny pejin'ny Mpiangaly Zavakanto STeLaRiM

Ny vidiny indray dia 5000Ar monja!

Ilay hoe mety hasiana hetsika aloha dia mbola baraingo tanteraka hatreto

Na tsy iniako
Na tsy iniako aza no nitia azy iny
Dia… horaisiko ny heloka ankehitriny
Tsy manahy fa hotanako ny tsiny
Mba handisoana ahy nitia fa tsy tiany!
Na tsy iniako aza ange Rafahantrana
No nahatonga antsika ho mpiray tanàna
Dia nitraka an-ditra na efa norarana
Ka tsy nilofika fa niezaka ny ho tamana
Na tsy iniako aza aky ry sakaiza
No tsy nahay ny atao hoe: ”finamanana”
Sy ny fetra takiany hoe: “hatraiza?”
Dia diso aho nanova izany ho fitiavana…

Mahefa Ratsimbazafy

Léa Fandresena
Misaotra anao nampiseho ny talentanao. Mankasitraka anao nivahiny tato amin'ny Pôetawebs. Mirary anareo hahavita soa ny hetsika hataonareo!

Mahefa Ratsimbazafy
Eny àry fa dia misaotra amin'ny firarian-tsoa sy fandraisana ny tenako teto amin'ny Pôetawebs.

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 29/10/2021