Kabeson'anjery
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
17 Mey 2022
Vetson'ny Fanahy
Ra Zo, solontenan'ny pôeta telo mifarimbona ao amin'ny KABESON'ANJERY no vahinin'ny Pôetawebs. Hamoaka boky izy ireo ary hanolotra izany ao amin'ny IVOKOLO Analakely, hetsika iarahany amin'ny MSK (Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina) amin'ny alalan'ny OFNAC. Mamaly ny fanontanian'i Vetson'ny Fanahy (Pôetawebs) izy.

Vetson'ny Fanahy
Faly miarahaba an'i Ra Zo izahay ato amin'ny tranonkala Pôetawebs

Ra Zo
Miarahaba anao Vetson'ny Fanahy, miarahaba ny mpisera rehetra eto amin'ny tranonkala Pôetawebs ihany koa.

Vetson'ny Fanahy
Ra Zo, isan'ny mpandray anjara amin'ilay hetsika ara-kolontsaina ao amin'ny Ivokolo Analakely, azonao hazavaina tsotsotra ve io hetsika io ?

Ra Zo
Eny, iray amin'ireo telo mirahalahy hanatanteraka ny hetsika famoaham-boky KABESON'ANJERY ny tenako. KABESON'ANJERY, amboara anankiray iarahana amin'i Tamberina sy Haintso Nirina mirakitra ireo atao hoe singan'eritreritra nifanena teny an-tsefatsefaky ny habaka izy io, hantsaina ao amin'ny Ivokolo Analakely ny alarobia 18 Mey ho avy izao.

Vetson'ny Fanahy
Hidirako avy hatrany ilay boky, "KABESON'ANJERY", inona no tena hevitr'ity lohanteniny ity?

Ra Zo
Ara-piforonan-teny ny hoe KABESON'ANJERY dia avy amin'ny teny roa KABESO izay midika ho karandoha sy ANJERY na koa hoe izaofisianaizao. Ny KABESON'ANJERY araka izany dia ny karandohan'izaofisianaizao. Efa natsidiko tetsy aloha ihany moa fa mirakitra singan'eritreritra nifanena teny an-tsefaky ny habaka izay tsy ny singan'eritreritray telo mirahalahy ihany fa ny an'ny fahariana manontolo.

Vetson'ny Fanahy
Mahaliana ity bokinareo ity, inona avy ny voarakitra ao anatiny?

Ra Zo
Amin'ny ankapobeny dia tononkalo no mandrafitra ny boky fa nasiana riankalo vitsivitsy ihany koa ao anatiny izay mandravaka indrindra ny karandohan'izaofisianaizao.

Vetson'ny Fanahy
Raha ny tsikaritra dia samy miezaka mitondra ny fironana "surréalisme" ianareo, ho hita taratra amin'ity boky ity ve izay sa ainga hafa mihitsy no entinareo amin'io ?

Ra Zo
Tsy namaritana fironana aloha ny boky fa ataoko hoe ny firaisana tadim-panahy mankany amin'ny fironana mihataka kokoa amin'ny fahatsapana no niteraka an'ity tsangan'asa iray ity. Ataoko hoe ny mpikaroka sy ny mpandinika ny tontolo ara-java-kanto, angamba, no avelanay hamaritra izay fahitany ny manontolon'ny boky.

Vetson'ny Fanahy
Hafiriana teo no namolavolana ity boky ity?

Ra Zo
Eny, azo lazaina ho tsara ketrika ihany aloha izy ity satria ny volana Novambra 2021 no nanomboka nivondrona namolavola azy izahay.

Vetson'ny Fanahy
Mazava ny momba ny boky. Hidirantsika amin'izay ny momba ny 18 Mey 2022 izay hamoahana azy ofisialy. Inona avy ny zavatra ho hita amin'io?

Ra Zo
Tsotra, amin'ny andron'ny alarobia 18 Mey dia hantsaina amintsika ny ampahany maro amin'ny boky, hoelanelanina fanentanana isan-karazany izay hataon'ny namana avy ao amin'ny Faribolana Sandratra.

Vetson'ny Fanahy
Mety haharitra ora firy eo ity hetsika ity?

Ra Zo
Vinavinaina ho vita anatin'ny ora roa ny hetsika izany hoe manomboka amin'ny roa ora sy sasany ary mifarana amin'ny efatra ora sy sasany.


Vetson'ny Fanahy
Ohatrinona ny saram-pidirana?

Ra Zo
Tsy misy saram-pidirana fa araka ny maha famoaham-boky azy moa izany dia hisy boky amidy amin'ny hasiny 15000 ariary.

Vetson'ny Fanahy
Misy antony manokana ve no tsy nanasiana saram-pidirana azy?

Ra Zo
Mbola tsy noeritreretina mihitsy aloha ny hanisy saram-pidirana satria andaniny, mbola voageja ny Literatiora malagasy amin'ny lafiny ara-materialy ka ny mampiaina azy malalaka aloha no imasoana indrindra ho an'ireo hianoka mivantana; ankilany, ara-môraly dia ny hampiroborobo azy no imatesan'ireo mpisehatra maro ankehitriny mba hipariaka manenika ny Nosy.

Vetson'ny Fanahy
Mazava tsara izay Ra Zo. Ampahatsiahivo kely àry ny fotoanantsika!

Ra Zo
Eny, eto aho dia manentana antsika mpitia na tsy mpitia Literatiora mba ho tonga hamaky an'izany Karandoha izany satria izaofisianaizao sy ny miafiny andakira no hovoaboasan'ny antsa tononkalo sy ny boky aminareo amin'ny Alarobia 18 Mey ho avy izao ao amin'ny Ivokolo Analakely - Efitrano Charles Ravaloson, manomboka amin'ny roa ora sy sasany tolakandro. Miavia maro ho voninahitry ny Literatiora malagasy! Miavia maro fa hisy boky homena maimaimpoana ho an'izay rehetra mandoa vola dimy arivo sy iray alina ariary.

Vetson'ny Fanahy
Mankasitraka anao izahay nanaiky nivahiny tato amin'ny Tranonkala Pôetawebs. Mirary soa amin'ny hetsika izay hatao, ary mahefà be amin'ny adidy masina.

Ra Zo
Misaotra anao Vetson'ny Fanahy, mankasitraka anareo ao anivon'ny tranonkala Pôetawebs fa anisan'ny mampivelatra an'ity sehatra imatesana ity indrindra ny zavatra ataonareo! Mahefà be amin'ny adidy masina sahanina avy. Mandrosoa hasina ny isam-batan'olona.

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 17/05/2022

×