Ezra S. sy ny fivoaran'ny literatiora betsimisaraka
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
21 Jona 2022
Tsikimilamina Rakotomavo

TAPATAPAKAHITRA - EZRA SAMÜEL
FIVOARAN'NY LITERATIORA BETSIMISARAKA


Pôetawebs

Hitodika any Atsinanana indray ny mason'ireo mpanara-baovao momba ny literatiora malagasy  satria afaka ora vitsivitsy dia hianoka velakevitra ny mponin'i Toamasina. Pôeta efa nivahiny matetika teto amin'ny tranonkala Pôetawebs no hiandraikitra izany, tsy iza izany fa i Ezra Samüel, mpiraifaribolan'ny Sandratra any Toamasina. Mitapatapakahitra aminy i Tsikimilamina Rakotomavo, mpandrindra ny Pôetawebs.

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao Ezra Samüel! Azonao ambara ve ny momba ity hetsika noketrehinao hanomezana toerana ny Literatiora ity?

Ezra S.
Ny kinetrika hanomezan-danja ny literatiora dia velakevitra izay ataoko ao amin'ny Masôva 501 androany 22 jona 2022 amin'ny 2 ora sasany. Lohahevitra : Fivoaran'ny literatiora Betsimisaraka tarafina amin'ny asa soratra ankehitriny.

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no tanjona amin'ity hetsika ity?

Ezra S.
Ny tanjona amin'izany dia hankalazana ny iray volan'ny teny malagasy amin'ity volana jona 2022 ity.

Tsikimilamina Rakotomavo
Iza no handray anjara mandritra izany?

Ezra S.
Ireo handray anjara amin'izany dia ny Faribolana Sandratra Toamasina ary hanolotra ny velakevitra i EZRA S.

Tsikimilamina Rakotomavo
Mazava ny amin'iny. Iza kosa àry no hiantefan'ny hetsika

Ezra S.
Ny mpianatra sy ny mpanabe no hiantefan'ity hetsika ity ary ireo mpandala ny haisoratra amin'ny fitenim-patritra Betsimisaraka.

Tsikimilamina Rakotomavo
Momba izay haisoratra amin'ny fitenim-patritra izay indrindra: ahoana ny hoavin'ny literatiora betsimisaraka araka ny fahitanao azy?

Ezra S.
Raha ny hoavin'ny literatiora betsimisaraka no borahina dia mahavelom-bolo ankehitriny satria tsy vitsy ireo tanora mihazakazaka manoratra amin'ny fiteniny eto Toamasina. Rehefa misy lanonana goavana eto Toamasina dia miezaka ny tompon'andraikitra mamelona ny fitenim-paritra betsimisaraka indrindra ao anatin'ny fanentanana, rasavölana.
Raha ny mpanoratra ao amin'ny Faribolana Sandratra Toamasina dia hita taratra ihany koa izany famoahana ny asasoratra amin'ny fiteny betsimisaraka izany, tahaka ny hita ao anatin'ny boky "Rindrimbôlo".

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no tena mampiavaka ny literatiora betsimisaraka?

Ezra S.
Ny tena mpampiavaka ny literatiora betsimisaraka dia noho izy manankarena voambolana ary mahatonga ny olona handinika. Mitondra fandrosoana ihany koa ny literatriora betsimisaraka raha tsy hilaza afa-tsy ny ohabolana isika. Ireto misy ohatra telo.

- "Valavo nitety Amandotra, mböla tsy dila ny löhany ka mikoikoika".
Midika izany fa raha misy tanjona kinendry eo amin'ny fiainana andavanandro na amin'ny asa izay atao, dia aza mbola mirehareha fa tsy fantatra ny lalana alohaloha ao.

- "Akondro masaka latsaka an-LÖha SÖLA, ny mahià manangatra ny matoy".
Reha te handroso dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny mpitarika na ny ray aman-dreny. Ny olona sola midika fa efa nahazoazo taona ary manana fahaizany manokana sy ny fiainana efa natrehany. Tanora vao hisondrotra tsy tokony hanambany ny efa ela nihetezana sy efa maro sedra nolalovana.

- "Voay lahy tsy miray lovoka".
Fidio ihany ny olona afaka hiara-hiasa sy hiara-hiana amin'ny tena. Ary ny olona samy tia tena sy miseho azy matanjaka dia tsy afaka hiara-handroso velively fa tsy maintsy ady no hiafarana.

Tsikimilamina Rakotomavo
Misaotra anao Ezra Samüel nanaiky nitapatapakahitra teto amin'ny Pôetawebs. Mirary fahombiazana!

Ezra S.
Misaotra Tsikimilamina mbola mihaino anay!

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 14/04/2024

×