Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Léa Fandresena tamin'i Sunny Razakamanana
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

16 Jolay 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
TAPATAPAKAHITRA

Sunny Razakamanana
Pôeta, mpanoratra, mpikabary


sary nindramina
Sunny Razakamanana Léa Fandresena

Faly miarahaba ny mpanaraka ny tapatapakahitra eto amin'ny Pôetawebs, elaela tsy nandray vahiny isika noho ny zava-misy teto amin’ny firenena ka tsy dia afaka nifanerasera firy. Misy namana hanatontosa seho mivahiny eto amin'ny tapatapakahitra. I Lea Fandresena no mandray azy am-pitiavana.

Lea Fandresena
Sunny Razakamanana! Faly miarahaba anao, tonga soa eto amin'ny tapatapakahitra.

Sunny Razakamanana
Miarahaba anareo ato amin'ny Pôetawebs.

Lea Fandresena
Lazalazao anay àry ny momba anao alohan'ny vaovao mahafinaritra hambaranao anio.

Sunny Razakamanana
Sunny Razakamanana dia pôeta sy mpanoratra ary Mpikabary. Tia maka sary ihany koa rehefa mihetsika ny fanahiko. Tia sangisangy satria ny tena koa dia notezaina tao anatin'ny fitaizana skoto kiadin'i Madagasikara. Mizaka ny zom-pirenena malagasy, manam-bady, manan-janaka telo lahy be ohatra ahy.

Lea Fandresena
Faly mahafantatra anao, Sunny Razakamanana. Resaka asa soratra izao no tena mahaliana anay ny hahafantatra azy. Oviana no nanomboka nanoratra, inona ny fikambanana namolavola anao ary ambarao ireo fampisehoana efa vita sy ny boky efa natsangana?

Sunny Razakamanana
Nanomboka ny taona 1997 aho dia efa nanoratra; teo amin’ny kilasy faha-6 aho tamin'izany, rehefa nahazo ny loka voalohany tamin'ny fifaninana tononkalo "temps des livres à Madagascar". Teo dia nizotra ny lalako ka nanomboka tsy nijanona nanoratra intsony aho hatram'izao. Niditra tao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ny taona 2003. Ireo boky efa nivoaka kosa dia ireto: Finday (2005) niarahana tamin'i Noa RAKOTONARIVO, FY'TY niarahana tamin'i Antsa Andrianasolo (2003). Lanitra tokana, boky ahy irery (2006), Dorehitra (2020) niarahana tamin'i Ranoë sy Rapandry ary Vahela.  Ary amin'ity volana ity koa no hivoaka ny boky Misaingy Kalo iarahana amin'i Hiaka sy Ny Tsiaro.

Lea Fandresena
Mahafinaritra izany. Azonao ambara àry ve ny mikasika ny boky Misaingy Kalo?

Sunny Razakamanana
Misaingy kalo: mitandro ny hasin'ny teny amin'ny alalan'ny kalo. Ny tanjony dia hampitia ny tanora ny teny amin'ny alalan'ny literatiora. Misy pejy 100, mirary dia mirary ny vidiny satria 12000ar. Maro ny tanora no tsy liana intsony amin'ny resaka boky ka misarika azy ireo hamaky boky ny Mpisaingy kalo ary tsy handiso fanantenana azy ny boky avoakanay telo mianadahy.

Lea Fandresena
Misaotra anareo manoratra boky fa tsara ho an’ny taranaka ho avy izany. Tantarao ary ny hetsika hataonareo atsy ho atsy.

Sunny Razakamanana
Amin'ny 24 jolay ho avy izao ny hetsika, ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, manomboka amin'ny 9 ora sy sasany; tsy misy vidim-pidirana; iarahana amin'ireo mpanankanto sy mpilatro ary ny mpitendry valiha. Hisy ny filatroana ataon'ny Señiorita Agency, hira iarahana amin’ny Bamb's.

Lea Fandresena
Miavaka tokoa izany seho zany satria tsy mitovy amin’ny mahazatra. Manao ahoana ary ny fizotry ny fotoana?

Sunny Razakamanana
Araka ny efa nambarako teo aloha dia hisy ny filatroana, hisy ihany koa ny dihy sy ny hira ary ny feom-baliha handrotsirotsy ny mpianoka tononkalo.

Lea Fandresena
Mankasitraka anao nivahiny fa miavaka tokoa io seho io izay anasana ny rehetra tsy ankanavaka. Azonao hamafisina ve ny fandaharam-potoana sy ny fanentanana?

Sunny Razakamanana
Mamerina ny fisaorana mitafotafo ho anareo izahay ary mamerina ny fanentanana ho anareo ho tonga maro be ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 24 Jolay ho avy izao manomboka amin'ny 09 ora sy sasany maraina. Tongava fa hetsika hafa io.

Lea Fandresena
Manentana ny rehetra ho avy dia any isika rehetra mihaona indray. Misaotra anao ary mametraka ny veloma mandra-pitafa amintsika mpanjohy ny Tranonkala Pôetawebs. Mirary soa tompoko!

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 16/07/2021