poetawebs_logo

poeta_malagasy
Malalason - 22 oktobra 2009

RAKOTOMALALASON Jean Olivier, fantatra amin’ny solon’anarana hoe « MALALASON » eo amin’ny diam-penina no vahinintsika androany. Miarahaba anao Malalason tonga mitsidika ny tokantranon'ny poeta.webs ary misaotra anao mialoha manaiky mitapatapak'ahitra aminay. Azonao fintinina aminay ve ny mombamomba anao
.

Nanomboka nanoratra (tononkalo, tantara, tononkira, angano) ny taona 1998, mpikambana ao amin’ny FARIBOLANA SANDRATRA, filohan’ny Tarika BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto), teratany Malagasy. Izay ny momba ahy raha atao indray mibango. Ny diam-peniko dia saika miompana be dia be amin’ny resaka fitiavana, fitaizana (toe-tsaina – toe-panahy), samihafa toy ny pôlitika, torohevitra…

 Fanontaniana fametrakay matetika ny hoe inona no nahatonga anao nanoratra tononkalo ary nanomboka oviana ?

Ny vetsovetsom-po be loatra ka tsy tana nofihinina ary tsapako manery ahy andro aman’alina no nanosika ahy hanoratra. Soritako manokana anefa fa tsy ny taona 1998 aho no nanomboka izany vetsovetso izany fa efa taona vitsivitsy teo alohany, saingy ny taona 1998 aho no tena vonona haneho ny maha izaho ahy eo amin’ny lafin’ny haisoratra malagasy, izany hoe niatomboka teo izany ny sangan’asan’i MALALASON.

Ankoatra ny aterineto, misy fomba hafa ve ampielezanao ny sanganasanao hatramin'izao ?

Ankoatra ny aterineto dia misy fomba maro isan-karazany anapariahako ny sangan’asako, ohatra ny fandaharana eny anivon’ny haino aman-jery, ny hetsika samihafa toy ny fety aman-danonana, fizaràna izany amin’ny tapaka sy namana amin’ny alalan’ny adiresy imailaka – dépliant …


Maro namana tokoa ianao eo amin'ny haisoratra. Asa raha tsaroanao fa ny 22 septambra 2007 dia niara niantsa tononkalo tamin'i Ny Eja ianao tao amin'ny Hilton tamin'ny fanasana tsingerin-taona nahaterahan'ny namana iray. Efa nisy fotoana niarahanao niasa tamin'i Ny Eja ve na poeta hafa ?

Araka ny voalazanao dia maro namana tokoa aho eo amin’ny haisoratra, ary efa nisy fotoana niarahako niasa tamin’ny Poeta samihafa toa an'i Ny Eja, Onikafopl (Tina Ramambahasina), Andriary, Alladin, RaoziGasy, Hery Tsiky dia Ampy, ary ny tsy azoko adinoina indrindra dia i Toetra RAJA, ialako tsiny be dia be ho an’ireo namana tsy voatanisako satria tsy haisoratra ihany no iarahantsika miasa fa ny fiainana maroloko.

Mpikambana ao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ianao. Inona no anton'ny nisafidiananao an'io fikambanana io ?

Tsy ny FARIBOLANA SANDRATRA ihany no FIKAMBANANA misy ahy fa misy hafa ihany koa toy ny Fikambanana Tanora Kristianina, SEKRIMA (SEndika KRIstiana MAlagasy)… izany no nofinidiko dia satria mbola te hanovo fahalalana aho. Tsy mitovy mantsy ny talentan’ny olona na dia samy Poeta aza fa misy mampiavaka azy kely foana ny tsirairay ary hamantatra izany talenta samy hafa izany no nanosika ahy niditra tao amin’ny FARIBOLANA SANDRATRA. Ary zava-maro no hitako tao, tsiambaratelo anefa izy ireo ka mbola tsy borahiko aminareo aloha, manam-potoana ny zava-drehetra.

Mpihira ao amin'ny tarika BITAKA ianao. Misy tononkalonao ve hiraina ao ?

Eny, mpikambana feno ao amin’ny Tarika BITAKA aho, misy tononkaloko hiraina ao, samy anompanako fotoana avokoa na tononkalo na tononkira rehefa tonga ny fotoana hitsirihany ao anatiko ka tsy misy tombo sy hala.

Azonao atao ve ny manonona andinin-tononkalo iray noforoninao ary tsy mba afaka ao am-bavanao ?

Raha ianao ilay tiako
dia ny fahatsorana
No zavatra takiako
Lamba ho tinafinao

Tononkalo nosoratako tsy afaka eo am-bavako Malalason

Amiko ny tononkalo rehetra dia tsy voatery hiady rima foana fa kosa tokony higadona hatrany satria misy ireo natao hiady rima fa ao koa ireo tononkalo malalaka tsy miady rima fa ny gadona kosa anefa hita eny foana.

Afa-po tokoa ny tranonkala Poetawebs tamin'ny fifanakalozana nataontsika. Alohan'ny hifanaovana veloma mandram-pihaona, misy hafatra tianao apetraka ve ho an'ny tranonkala sy ireo mpamaky azy ?

Ny sosokevitra mba tiako sady iriko hananan’ny Poeta hanatsarana ny Kanto Malagasy dia ny mba hisalorany ireto endrika telo loha ireto farafaharatsiny  :

- Ny finiavana
- Ny fotoana
- Ny fahalalana

Amiko aloha io fa tsy voatery ho arahina an !

Tonga amin'ny fotoana tsy maintsy hifanaovana veloma isika kanefa ho betsaka ireo mpakafy kanto sy mpakafy ny kantonao te hifanerasera aminao

Mivoha ho anao ny varavarako raha misy dinika tianao hatao na fanazavana fanampiny amin’ny alalan’ny :

Finday 034 01 503 13
– email : malalason@yahoo.fr.

Mamerina ny fisaorana ho anao izahay eto amin'ny tranonkala poeta.webs ary mirary soa anao hahavita be eo amin'ny haisoratra.

Mirary soa indrindra tompoko.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021