varavarana




Niravo - 17 oktobra 2009

  • NiravoMiarahaba anao Niravo tonga mamangy anay eto amin'ny tranonkala poeta.webs. Mpiray Faribolana ao amin'ny Sandratra ianao ary efa elaela ihany no nanomboka nanoratra satria voarakitra an-takelaka eto anivon'ny aterineto ny fandraisanao anjara vitsivitsy nanomboka tamin'ny 2003. "NIRAVO" no anarana diam-penina saloranao : azonao hazavaina ve ny momba izany ?
Faly miarahaba antsika rehetra mpitsidika sy mpanjifa kanto; ankafaliana no hitafatafana amintsika rehetra. Niravo dia teraky ny kisendrasendra ihany satria raha hiditra ho Mpiray Faribolana tao amin'ny Sandratra aho dia tsy maintsy nitady solon'anarana toy ireo poeta namana rehetra, koa satria moa efa nisy nanana le solon' anarana ravo izay noeritreretiko dia tsy maintsy namorona kely ny NI aho dia teraka i Niravo.
  • Oviana ianao no nanomboka nanoratra ary misy antony manokana ve ny nirotsahanao lalina ao amin'ny haisoratra ?
Vao 10 taona monja aho no nanomboka nanoratra. Ary izaho no zandriny indrindra tao amin' ny Sandratra tamin'izany satria 14 taona aho dia niditra ho mpikambana. Ny dadabeko no tena tia soratra ary saika nananany avokoa ny bokina mpanoratra malagasy nalaza tamin'izany ka ireny no nitaiza sy namolavola ahy ho mpanoratra.
  • Mahaliana ny mpisera ny lalana nodiavinao teo amin'ny asa soratra ?
Raha ny lalana nodiavina aloha dia azo lazaina ho efa maro, teo ihany koa ny fiarahana niasa tamin' ny Faribolana, ny fandraisana anjara amin' ny antsa sy ny famelabelarana momba ny haisoratra, ary nisy koa ny fiseharana antsehatra.
  • Nisy ny antsantononkalo "TAMBOLINA" tamin'ny Alarobia 26 febroary 2003 tao amin'ny CGM - Analakely. Azonao hazavaina amin'ny mpisera ve ny momba io "TAMBOLINA" io izay toa manambara zava-mitranga nateraky ny fihaonan-javatra ?
Ny "TAMBOLINA" dia seho niarahan' ny mpiray Faribolana nanomana ka nandraisako anjara ihany koa. Izy io dia antsantononkalo izay nampivadina ny fiainana andavanandro sy ny fitiavana, ary nahaliana ireo sakaizan'ny sandratra sy ny mpanotrona.
  • Tao amin'ny CGM - Analakely ihany, fito volana tato aoriana - Alarobia 24 septambra 2003 - dia nisy ny "ANTSA LOHATAONA" nandraisanao anjara niaraka tamin'ny Faribolana SANDRATRA. Maro tokoa ireo tononkalo natambatra tao ka manitikitika ny saina ny hahafantatra hoe ahoana ny fomba nandrafetana an'io antsa io teny amin'ny sehatra ?
Ny antsa lohataona  indray dia narafitra tamin'ny alalan'ny tononkalo voafantina avy tamin'ny poeta maromaro ka nampifandraisina araka ny lohahevitra mitovitovy. Efa misy vaomiera an'asa mihitsy moa ny Faribolana amin' ny fisafidianana ireny tononkalo ireny.
  • Tamin'ny alarobia 26 mey 2004, tao amin'ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha indray, dia nanolotra antsantononkalo nampitondraina ny lohanteny hoe "IANONA" ianao sy ny namanao ao amin'ny Faribolana SANDRATRA. Manana tononkalo mitondra lohanteny anaran-tsamirery ve ianao ?
IANONA indray dia nampisongadinana ireo tononkalo misy anaran'olona ka nandraisako anjara tamin'ilay tononkaloko hoe "ZO". Ny nampiavaka ny hetsika dia ny fananantsika malagasy voambolana kanto ka afaka anehoana an'izany harena izany.
  • Ny tononkalonao "TEO ANTANINARENINA" nantsaina tao amin'ny CGM Analakely ny Alarobia 15 desambra 2005 dia maneho loko maro samihafan'ny tontolo tinazana teny an-toerana kanefa dia taintaina sy adin-tsaina no nangaliana. Mahazatra anao ve ny mampiady loko toa izany amin'ny tononkalo ?
Namoaka ny boky "AFINDRAFINDRAO" niaraka tamin'i TIAVINA aho tamin'io andro io ka niantsako ny "TEO ANTANINARENINA". Teraky ny aigam-panahy ihany izy iny nefa dia afaka naneho tsara ny loko ao antsain' ny olona momba an'Antaninarenina.
  • Efa namoaka boky hafa ve ianao ?
Efa niaraka namoaka boky tamin'i HERININA sy RIJA AL-JONAH koa ny tenako. Io indray kosa dia fiarahanay samy avy aty Marovatana niketrika ka nanehoanay tsangan-tononkalo. Ireo no boky efa navoakako niaraka tamin' ny fandraisana anjara tamin' ny boky natontan' ny Faribolana.
  • Azonao ambara aminay ve ny tanjona tianao tratrarina ato ho ato ?
Ny tanjona dia hamoaka boky iray mirakitra ny tononkaloko rehetra.
  • Inona no anton'ny nisafidiananao namindra miaraka amin'ny Faribolana SANDRATRA ?
Niditra tao amin' ny Sandratra aho satria izy no fikambanana poeta  zandriny indrindra ka nanintona ahy.
  • Fantatra eo amin'ny tantara tsangana koa ianao ?
Marina izany, anisan'ny nanangana ny tropy teatraly RANDRANA koa ny tenako. Mpikambana feno ao anatin'ny fikambanan' ny mpanao teatra malagasy izy io ary efa nanolotra hetsika maro. Izany moa dia isaorana ireo mpanohana niara-dalana taminay hatramin'izay ka hatramin' izao.
  • Azonao atao ve ny mamela mamy eto amin'ny takelaka mba hisy ho tsaroana amin'ny alalan'ny fanononanao andinin-tononkalo iray ?
Ho mariky ny fandalovako eto dia indro misy tononkalo iray atolotro :

ANKAMANTATRA

Misy zazakely manao kisarisarina zavatra tsy fantatra     
eo ambaravarankely.
Fa mantsy raha mba fantany mba manao kisarisarina
fitiavana ankamantatra koa ilay foko kely.

Ahodiny ny peniny manao kiboribory misarisary volana
mameno taratasy .
Ny foko koa mba seriny toa mitonantonana sasa-mitanisa
ianao ve sa ilay atsy.
  • Satrinay tokoa ny hitazona ela anao eto amin'ny tranonkala kanefa fantatray ny adidy aman'andraikitra sahaninao ka dia tsy misy afa-tsy ny misaotra no azo atao. Maniry fahombiazana ho anao hatrany ny mpiara-miasa rehetra eto amin'ny poeta.webs.
Mankasitraka amin' ny fiombonana sy fianohana.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety


Date de dernière mise à jour : 05/07/2021