varavarana

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta


Takariva mena masoandro ihatoana. Mitafatafa eo an-tokoana ny vahiny sy ny tompon-tanàna. Tsy Poeta ihany no nandalo fa misy olon-kafa mankamamy ny poezia malagasy. Mihaona eto ny hevitra hanandratana ny kolo malagasy.

PISSOA - 06 jolay 2009


  • Mihaja Ramanantoanina, na Pissoa araka ny fahafantaran'ny maro anao eo anivon'ny aterineto, dia poeta malagasy vao misandratra kanefa nivoatra malaky. Miarahaba sady misaotra anao miantrano ato amin'ny tranonkala "poeta.webs" ary manaiky hitapatapak'ahitra aminay. Inona raha tsy mahadiso no anton'ny nisafidiananao ny solonanarana hoe "Pissoa" amin'ny diam-penina ?

Miarahaba
Tsy tena hoe nofidiako amin'ny diam-penina ny hoe "Pissoa" fa nofidiako ho entina amin'ny sehatry ny aterineto. Teto anivon'ny aterineto moa no nanombohako nifampizara tononkalo tamin'ny mpankafy tononkalo tahaka ahy, dia raikitra amin'ny diam-penina ilay solonanarana 

  • Misy antony manokana ve ny nandraisanao penina ary oviana no nanombohana namindra ?

Antony manokana... Toy ny hoe tranga nisongadina tamin'ny fiainana ve ? Tsy dia tena izay angamba, fa fitiavana tononkalo, manoratra ary ny teny Malagasy. Mety misy fitiavana an'i Dada koa, fa izy moa tia manoratra ary tena masiaka amin'ny teny Malagasy. Na izany aza dia maromaro ihany ireo tononkalo nosoratana mikasika trangam-piainana isan-karazany. Miezaka mitadidy foana aho hoe oviana moa no tena "nanombohana namindra", fa tsy mety tena tadidiko ankoatra ny hoe tsy ary tanteraka ny tononkalo tamin'izany ary tsy nasehoseho.

  • Nahafantarana anao indrindra tao amin'ny tranonkala "vetso serasera" ny tononkalo "Aloka" izay novakiana mihoatra ny inarivony. Raha tsy diso ny fanisanay dia izy no be mpamaky indrindra tao amin'izany tranonkala reharehan'ny haisoratra malagasy izany. Araka ny hevitrao, inona no anton'ny nahazoan'io tononkalo io fahombiazana raha ampitahaina amin'ireo tononkalo analiny hafa ?

Mankasitraka ny mpamaky. Heveriko fa samy manana ny tadiaviny amin'ny tononkalo ny tsirairay, ka sarotra amiko ny hamantatra izay tena nankafizan'ny mpamaky io tononkalo io. Raha izaho manokana fotsiny, ankoatra ny hevitra, dia ny voambolana nampiasaina no ankafizako azy, na ny lohateny na ny andininy. 

  • Niainanao ve io tononkalo io ?

... Tsy tena niainana teo ampanoratana satria zavatra hafa mihitsy no tiana nolazaina tamin'ny voalohany. Taona maro taty aorianan'ny nanoratana azy angamba vao hoe misy niainana.

  • Mampiavaka ny tononkalo nosoratanao koa ireo sarinteny maro mandravaka azy. Vokatry ny fandinihana ny sangan'asan'ny andrarezin'ny poezia malagasy ve izany ?

Ankoatra ny sangan'asan'ireo andrarezina, na taloha na ankehitriny, izay tena manampy tokoa amin'ny fampivoarana ny asa-soratra, dia ahitana karazana sarinteny koa ny boky tantara. Ny mpanoratra tantara mantsy mila manosika ny mpamaky azy haka sary an-tsaina tranga sy toerana maro ka mila mampiasa fanoharana sy sarinteny be. 

  • Azonao atao àry ve ny mitanisa poeta malagasy vitsivitsy taloha sy ankehitriny tena ankafizinao ?

Ny taloha ohatra ny ankafiziko daholo, angamba ireo asa-soratra tena tsara no naharesy ny fotoana ka afaka novakiako. Singaniko hatrany fotsiny i JJ Rabearivelo, mampamgorakoraka. Ny ankehitriny koa maromaro ihany, ary vao nitombo indray aza tato ho ato, ka aleo tsy ho tanisaina intsony sao misy hadino.

  • Ireo olona mitafatafa aminao eo anivon'ny "blog" sy "forum" dia mahatsapa ny maha tso-piainana anao. Azonao hamarinina ve izany ?

Hmmmm ... angamba ny olona mifanerasera amiko ivelan'ny aterineto no tena afaka manamarina fa tsy izaho. Fa eny e, azo atao hoe tsotsotra ihany, na dia somary masiaka koa aza indraindray. Nisy nanoratra mikasika ahy hoe "Masiaka be ronono" hi hi hi. 

  • Ianao koa dia manampaniriana hiditra ao anatin'ny fikambanan'ny poeta. Misy vitsivitsy izy ireo eto amintsika. Misy sampana mijoro koa any ampitandranomasina. Izy tsirairay ireo dia samy manana ny antom-pisiany, ny tanjany sy ny fahalemeny, ny toetoetran'ireo mpikambana ao aminy. Mpikambana toy ny ahoana no mba ankafizinao iarahana miasa ?

Ny mpikambana rehetra amin'ny ankapobeny, satria mino aho fa te hifampizara daholo ny olona miditra fikambanana. Ireo mahafehy ny teny Malagasy, ary tia mikaroka voambolana vaovao sy ireo tsy ampiasain'ny olona matetika. Ireo liana amin'ny asa-soratra hafa, toy ny tantara sns.

  • Mahazatra ny poeta.webs ny mangataka ny vahininy andinin-tononkalony iray tsy afany am-bava.

Na heverinao fa maty aza ny afon'ny fanantenana,
Fa haizina no manoloana, tsy misy mety izay atao ;
Dia aza atao mampitomany, raiso toy ny fisedrana
Mamolavola anao hatrany, ka hanovozy hery vao.

(Aza kivy, Desambra 2006)

  • Tsy hanararaotra ny fandavan-tena sy ny fahatsoram-ponao nanaiky nitafatafa taminay ny poeta.webs ka dia manantitra ny fisaorana anao ary maniry hihaona aminao matetika. Mandram-pihaona Pissoa !

Misaotra ny mpikarakara rehetra amin'ny ezaka atao ho an'ny kanto sy ny mpanakanto Malagasy, ary mirary soa indrindra.


poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×