Créer un site internet

tapa_onjairayfiritsoka

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

13 Desambra 2014

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVANA TAMIN'I ZAZANGALY - ZO SITRAKINIAVO - MARTELLE NATH - TSY AVAHANA

 

Hiova kely amin'ny mahazatra ny firafitry ny tapatapak'ahitra anio satria tsy vahiny iray no mitsidika antsika fa efatra mianadahy. Nampiana araka izany ny akalana azo hifampisisihana eto amorom-patana. Ikaloyna no mandray sy mifampidinidinika amin'izy ireo.

Poetawebs. Miarahaba anareo efatra mianadahy tonga soa. Misaotra indrindra tsy nisalasala nandroso sy mipetrapetraka. Aleo angamba ianareo no hanambara aminay ny momba anareo sy ny voan-dalana nentina ho an'ny mpisera.

 

Martelle Nath. Telina ho an'ny poetawebs mampivahiny anay eto sy mifanolo-tanana amin'ny fanandratana ny literatiora malagasy. Tonga eto i Zo Sitrakiniavo, Zazangaly, Tsy Avahana ary izaho Martelle Nath hamelabelatra fohifohy mikasika ny antsan-tononkalo izay karakarainay.

Poetawebs. Rahoviana ny fotoana?

Martelle Nath. Ny 27 desambra 2014, amin'ny 02 ora tolak'andro ao amin'ny CMDELAC Analakely no anehoana hetsika ara-tsoratra nampitondraina ny lohateny hoe ONJA IRAY FIRITSOKA. Amin’io koa no hamoahanay ny boky mitondra io lohateny hoe ONJA IRAY FIRITSOKA io izay nosoratanay efatra mianadahy.

Poetawebs. Inona moa izany no antony nahatonga anareo 4 mianadahy hanao io hetsika io?

Zo Sitrakiniavo. Ny antony voalohany indrindra dia noho ny fanandratana ny teny sy Kanto malagasy, ny fahatsapana fa misy ainga mitovy, mifamaly, mifanohy ary iray lalana eo aminay efatra mianadahy. Ary farany dia, tsara raha faranana amin'ny alalan'ny hetsika ara-tsoratra ny taona 2014 e!

Miankavanana : Martelle Nath - Zazangaly - Tsy Avahana - Zo Sitrakiniavo.

Poetawebs. Sitraka sy telina! Ary efa ela ve no nifankahalalanareo?

Martelle Nath. Olona tsy mbola nifankahalala izahay efatra fa tato anatin'ny soratra no nihaona ary ny fahatsapana fa misy aingam-panahy mifandray any ho any no nahatapa-kevitra anay hampiray ako amin'ny ONJA IRAY FIRITSOKA.

Poetawebs. Mety ho misy lohahevitra nifanarahana angamba amehezana ny hetsika?

Zo Sitrakiniavo. Niarahana nikaroka ny lohahevitra! Onja iray firitsoka! Onjan'ny fo, fanahy, saina... toa miara mitepo, miara-mianga ary mitovy fijery ao anaty soratra.

Tsy Avahana Rahely. Miharihary ny fahatsapana fa misy onja mifampiako ao anatin'ny literatiora ka mampifandray ny aingam-panahy.

Poetawebs. Eo amin'ny fomba nifidianana ireo tononkalo natao tao anaty boky, nisy fahasarotana ve?

Zo Sitrakiniavo. Tsy sarotra ny nifantina ireo tononkalo kah !

Martelle Nath. Izany hoe mora ny nifantina ny tononkalo satria avy hatrany dia samy manana tononkalo mifanako izahay.

Tsy Avahana Rahely. Tsy sarotra e!

Poetawebs. Tsapa ny fahasarotan'ny fanontana boky ankehitriny. Ahoana ny fiatrehanareo an'izay?

Zo Sitrakiniavo. Somary sarotra ny fanontana boky sy ny fikarakarana satria tsy miankina amin'ny fikambanana ny hetsika izay hataonay, mianton-tena tanteraka izahay.

Poetawebs. Azo atsidika eto dien'ny izao ve ny endriky ny boky?

Martelle Nath. Ny boky ONJA IRAY FIRITSOKA dia hiseho amin'ny endriny mahazatra 60 pejy, mirakitra tononkalo 52 isa. Ny vidiny dia ho fantatra amin'ny fotoana manaraka.

Zo Sitrakiniavo. Amin'ny endriny A5 ny boky ary malama sy miloko ny fonony.

Poetawebs. Tapa-bolana sisa tsy igadonan'ny fotoana. Eo ampiandrasana, mirary soa ho anareo efatra mianadahy ny Poetawebs ahavita be mandritra ny fanomanana ary indrindra ny andron'ny sehatra. Mirary soa!

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021