Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

26 Desambra 2009

 

Raozigasy - 26 desambra 2009


raozigasyRaozigasy no solon’anarana nofinidin’i Haja Lalaina entiny hamoahana sy hizarana ireo vetsovetsony.
Raozigasy satria tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.
Raozy : lokon’ny fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso,
Gasy : lokon’ny fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolo-tsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy rehetra.
Raozigasy dia filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra rehetra , miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.
Raozigasy sy ny Tononkalo Malagasy dia "lamban’akoho ka aina no fetra".
http://vetso.serasera.org/news/raozigasy - 26/05/2009


Raozigasy dia tsy zoviana intsony eto amin'ny tontolon'ny aterineto satria mihelim-patrana eto amin'ity fitaovam-pifandraisana vaovao ity ny sanganasany. Mpandrindra ny tranonkala vetso.serasera.org izy ary anisan'ireo poeta mitolona ho fampandrosoana ny haisoratra malagasy. I Toetra Ràja no miaraka mitafatafa aminy eo amorom-patana.
Miarahaba anao Raozigasy ary misaotra anao manaiky mitapatapak'ahitra amin'ny tranonkala poeta.webs. Azonao lazaina ve ny anton'ny nahatonga anao nitantana ny tranonkala lehibe "serasera.org"
 
  • Raha ny marina dia tsy Raozigasy irery akory no mpandrindra ny tranonkala vetso.serasera.org fa maro ireo mpiara-miasa an-tsitra-po sy namana mifanampy amin'ireo traik'efa isan-karazany. Ny tompon'andraikitra mivantana sy fototra nijoroan'ny vetso.serasera.org dia i Hery izay miezaka hatrany manatsara sy mampivoatra ity tranonkala malagasy zato isan-jato ity na dia misy aza lahatsoratra sasantsasany nosoratana tamin'ny teny vahiny. Manentana sy manampy amin'ny fandrindrana fotsiny no ataon'i Raozigasy.
Voalazanao tao amin'ny tranonkala koolsaina.com fa nanomboka nanoratra ankiafina ianao tamin'ny taompianarana T8 (4ème) satria noheverinao tamin'izany fa natokana ho an'ny ankizivavy ny fanoratana tononkalo. Inona no nahatonga izany fahadisoan-kevitra izany ary betsaka ve ny olona mihevitra toy izany ?
  • Raha milalao baolina sy manosika fiarakely no fialambolin'ny ankizilahy tamin'izany, ny ankizivavy kosa dia mamaky boky sy manao sarisary izay mahafinaritra azy. Nampitovy lanja ny sary sy ny soratra i Raozigasy tamin'izany satria kanto samy vokatry ny eritreritra lasa lavitra ireo. Ka izany no niheverany fa ny ankizivavy no tia manoratra sy manao sary. Mety ho hevi-diso izany raha zohiana ny anio kanefa rehefa iainana sy lalovana ireo dingana isan-karazany eo amin'ny fahatanorana dia mety hitombina ihany izany fomba fijery izany. Na koa mety hoe ny tontolo manodidina an'i Raozigasy tamin'izany no efa tia vaky boky sy kanto an-tsoratra.
Samy manana ny toetoetrany avy ny poeta malagasy. Mahafantatra kosa ve ianao ny toetra mety iombonan'izy ireo ?
  • Ny tononkalo dia literatiora mitaratra ny zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina. Ireo mpanoratra rehetra na Malagasy na hafa fihaviana dia samy miainga avy ao amin'ny fiaraha-monina misy azy. Itovizan'ny mpanoratra rehetra ny fampahalalana ny fomba fijeriny ny tontolo manodidina azy aloha, izay vao ny heviny manokana. Inoana fa miombon-kevitra amin'i Raozigasy amin'izany fijeriny izany ny mpanoratra hafa.
raozigasyNy tontolo iainantsika dia manindrahindra fatratra ny kolo maharakotra tsena. Ireo sanganasan-dry Dox, Rabearivelo sns anefa dia tsy mitobaka loatra intsony eny an-tsena saingy mbola mandravaka ny fandaharam-pianaran'ny sekoly. Azo saintsainina koa ve ny hitobahan'ny poezian'ny tanora vao misondrotra ankehitriny any amin'ny toeram-pianarana ?
  • Amin'izao taonjaton'ny fanatontoloana izao dia heverina fa tokony haparitaka sy hajariana ny tononkalo malagasy rehetra, hampifandray ny kanto an-tsoratra malagasy sy ny fomba fijery ny tontolo manodidina. Anisan'ny fitaovana hahafahana manabe voho ny tenindrazana ny fanapariahana ny tononkalo any amin'ny fandaharam-pianarana isan-tsekoly satria ireo voambolana ampiasain'ny mpanoratra dia mitarika ady hevitra sy kolokolo ho an'ny sain'ny mpamaky.
Anarivony maro ireo tononkalo voahely ao amin'ny serasera.org. Ho azo vinavinaina ve ny fifanatonan'ny tranonkala sy ireo tomponandraikitry ny fandaharana taranja Malagasy any an-tsekoly ?
  • Tsy nofy izany vinavina izany ary tena ezaka heverina hatao mihitsy. Manankarena ny teny malagasy na dia manomboka voasaron'ny fangaron-teny vahiny sy ny dika teny malalaka aza. Anjaran'ny tompon'andraikitra isan-tsekoly, indrindra fa ny mpampianatra ny teny malagasy, no manaitra ny mpianatra hitia ny tenin-dreniny aloha vao ny tenim-pirenena hafa. Tsy manakana velively ny fianarana ny teny vahiny akory ny fahaizana mamolaka ny tenin-drazany. Vao mainka aza izany hivadika faka entina mampivoitra ny tenim-pioreneny.
Voalazanao fa ny tononkalo no arofaninao. Entina misedra ny tontolo "fiangarana" koa àry ve ny tononkalo araka ny voasoratra ao amin'ny "Noely hono...", diam-peninao farany nivoaka ao amin'ny vetso.serasera.org ny 24/12/2009 ?
  • Ny tononkalo dia sady basy mitifitra ny tsy rariny, no safo mampandry ny hotakotaky ny fiainana. Sary maneho ny ratra ivelany, no soratra milaza ny hotika anaty. Ny alahelo zaraina an-tsoratra dia mihamaivana, hatezerana ampitaina an-teny dia mihamalefaka. Raha miangatra ny tontolo, ny tononkalo eo afaka mampitambatra ny nofy sy ny zava-misy ho iray ka hanadinoina vetivety ireo sedram-piainana lalovana.
Efa namoaka boky ve ianao na mihevitra ny hamoaka ?
  • Mbola tsy manana boky i Raozigasy fa efa eo an-dalam-panomanana ilay amboara hoe "TIA" izay fehezana hatokana ho an'ireo mpakafy azy. Ny fanontana izany dia miankina amin'ny fangatahan'ny mpamaky ihany.
Ankoatra ny andraikitra lehibe tazoninao ao amin'ny vetso.serasera.org, niditra ao amin'ny fikambanan'ny poeta sy mpanoratra malagasy ve ianao ?
  • Tsy mpikambana amin'ny fikambanan'ny mpanoratra i Raozigasy, tsy sanatria tsy fitiavana hiara-miasa amin'ny fikambanana akory fa noho ny tsy fananana fotoana fotsiny. Mifanampy amin'ny mpanoratra maro kosa anefa i Raozigasy na dia izany aza.
Monina any an-dafin'ny ranomasina ianao. Mifandray na miara-miasa amin'ny poeta eto Madagasikara ve ianao ?
  • Tena maniry tokoa ny hiara-miasa amin'ny mpanoratra Malagasy any an-tanindrazana tokoa i Raozigasy satria fijery Malagasy any an-tanindrazana dia efa ahafahany manaraka ny fivoatry ny kanto an-tsoratra malagasy. Raha toa ka maniry hifandray amin'i Raozigasy ny mpanoratra any Madagasikara dia afaka manoratra amin'ny haja@serasera.org
Mamerina fisaorana mitafotafo ho anao izahay eto amin'ny tranonkala poeta.webs ary mirary fetin'ny faran'ny taona sambatra ho anao ary indrindra taona 2010 hiboky ny fifaliana sy fahombiazana.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 23/09/2018