varavarana

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

 13 Aogositra 2009

TAHIRINTSOA 13 aogositra 2009

tahirintsoaMiarahaba anao Tahirintsoa ary misaotra indrindra manaiky mitapatapak'ahitra aminay eto amin'ny poeta.webs. Tsy zoviana amin'ny maro intsony ianao satria ankoatra ny maha poeta anao dia mpanentana ny fandaharana "Antsiva takariva" ianao ao amin'ny radio Antsiva efa folo taona mahery izay. Efa namoaka boky maro ianao ary anisan'ny mafana fo ao amin'ny fikambanana Faribolana Sandratra. Eto ampiandohana, misy tianao anampiana na tsindriana manokana ve ireo lalana nozoranao tamin'ny diam-penina ireo ?

Miarahaba anareo. Ny momba ny fandaharana Antsiva Takariva no tiako homarihina kely : roa taona teo izay dia nijanona kely amin’ny fanatontosana sy ny fanentanana azy aho saingy mbola ao an-tsaina hatrany ny hiverina hamelona azy ao aoriana kely. Enga anie ho to.

  • Mahaliana ny tranonkala "poeta.webs" ny hahafantatra ny safidy nosaloranao ny anarana "Tahirintsoa" eo amin'ny diampenina.

« Tahirintsoa », anarana ao amin’ny sora-piankohonako ihany saingy tsy nahavantana an’iza n’iza mihitsy ny niantso azy hatry ny fony kely. Nony nanoratra aho, ankoatra ireo solon’anarana nampiasaina taloha, dia hoy aho hoe maninona moa no hampirimina ao anaty bokim-pianakaviana fotsiny io anarana io ho lanin’ny kadradraka ao fa tsy hampiasaina ? Ankehitriny, io indray izao no lasa iantsoana ahy eo amin’ny fiaraha-monina na dia tsy ao anatin’ny tontolon’ny soratra aza. Sady mba milaza hevitra tsara ihany ny hoe "Tahirintsoa", sa ?

  • Azonao hazavaina fohifohy ve ny momba ny fandaharana "Antsiva takariva" ?

Ny taona 1998 aho no nanomboka nanatontosa sy nanentana ny "Antsiva Takariva" tao amin’ny Radio Antsiva, isaky ny Alatsinainy hariva tamin’ny 7ora30. « Fotoana iainana ny kanton’ny soratra malagasy ankehitriny », izay ilay teny filamatra. Misy heviny avokoa ireo teny ireo : Fotoana / Iainana / Kanto / Soratra / Malagasy /Ankehitriny. Nentina tao avokoa na tononkalo, na sombintantara, na sombintsoratra, na lahatsoratra fanadihadihana na ampahana tantara foronina. Efa an-jatony ny vahiny noraisina izay nampahafantarina ny mpihaino, nizara vaovaon’ny haisoratra, nitondra fanadihadiana, nampiaina ny kanto. Ny haisoratra sy ny teny malagasy no andriamanitra notompoina sy nohasinina tao amin’ny Antsiva Takariva. Pi-maso kely ho an’ireo andriambavilanitra natrehi-mahavita efa nanampy aina tamin’ny famelomana ny fandaharana toa an-dry Zoly, Niaina, Naly … Nisy fotoana, niato ny Radio Antsiva dia nihantona teo koa ny Antsiva Takariva, fa ny faniriana dia ny hanapongatra azy indray. Takatra amorom-parihy, tsy matory fa miherim-panahy.

  • Misy vitsivitsy ny fikambanan'ny mpanoratra sy poeta malagasy. Misy antony manokana ve ny niompanan'ny safidinao tao amin'ny Faribolana Sandratra ?

Ny antony ? Izay no lahatra sy anjara. Vazivazy. Mpanaraka ny hetsiky ny Faribolana Sandratra aho tamin’izany (taona 1996) ka resy lahatra amin’ny zavatra nataon-dry zareo, dia nangataka ny hiditra, dia ao hatramin’izao. Angamba koa amin’ny maha tanora ny tena dia ny Faribolana Sandratra no nifanandrify kokoa tamin’ny fironana sy ny firehana. Tsy dia be aro fenitra loatra sy resa-be mantsy ao fa tonga dia vavany sy asa.

  • Manana andraikitra manokana ve ianao ao ?

Azavaiko bebe kokoa ny Faribolana Sandratra aloha. Ara-panjakana izy no ‘fikambanana’, fa izahay tsy tia mampiasa ny teny hoe fikambanana satria mitaky rafitra be dia be mankarary an-doha izany, fa ny anay Faribolana. Toy ny faribolana, kilalao fanaon’ny ankizy ka mitovy tantana avokoa ny mpiray faribolana, mifandray tanana manodina ny faribolana. Ara-panjakana sy mba hampandeha ny raharaha isian’ny filoha (Solofo José) fa ao izahay, tsy mifampitondra hoe ranona filoha na ranona izao. Azavaiko. Ny andraikitra dia samy mandray avy hatrany izay manandrify azy akaiky eo fa manaja ny rindra tokony harahina, dia samy manodina ny faribolana araka ny heriny. Samy manovokovoka. Izany hoe miovaova hatrany ny andraikitra tanako ao, mikitika ny serasera ohatra indraindray, mandrindra fampirantiana (faha roapolo taonan’ny faribolana), manao an’izatsy, misahana an’izaroa. Fa ny andraikitra raikitra, raha tsy maintsy hotenenina dia misahana ny « vaomieran’ny soratra sy antsantononkalo » aho.

  • Tamin'ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny Faribolana Sandratra dia niaraka tamin'i Solofo José sy Avelo-Nidor ianao nanatontosa ny "Fotoana mihantona" tao amin'ny CGM. Azonao hazavaina aminay ve ny votoatin'izany ?
fm     fm

Hoy ny anjara teny fanolorako an’io boky « Fotoana mihantona » io : « Ao anatin’ity tontolo ilomaizan’ny zanak’olombelona manketsy mankeroa, mikaroka fotoana sy vola sy fitiavana, ny « fotoana mihantona » dia mihazona anao hanalefaka vetivety ny fivaivain’ny hazakazaka, sy mitondra anao hianoka indray ny hery sy ny fahendren’ny «filantoana», ny «fiatoana» sy ny «fihantonana», ary sahy hiantso anao mba haka toerana vetivety ka hinia tsy hovoarojon’ny famantaranandro mety ho lany fahana. Te hampatsiahy anao fa ny fiverenana amin’ny lasa dia azo tanterahina sy irifana hisy mihitsy indraindray, ahafahana maka bahana hibedana ny ampitso.»

Antsantononkalo ny « Fotoana mihantona » ary noraketina ho boky. Tononkalo 29 avy aminay telo mirahalahy. Ry Moajia sy Randry no nandravaka hira ary ny Lions Company, mpahairaha momba ny endrika amam-bika no nandravaka ny efitra. Ny tanjona dia ny hijanona sy ny hampijanona ny fotoana vetivety, ao anatin’ny faha roapolo taonan’ny Sandratra, hitodika ny lasa sy hitsirika ny ampitso, ary indrindra hiaina manontolo ny anio. Fa kanto mantsy ilay anio. Tsy ny hikororoka ny lavenona anefa no zava-dehibe, ka hitsetsetra, fa ny mitsoka ny afo hiredaredany indray.

  • Folo taona taorian'ny nahafatesan'i Randza Zanamihoatra dia nisy fahatsiarovana izany poeta sangany izany tao amin'ny CGM ary notontosain'ny fikambanana misy anao. Niakatra an-tsehatra tao ianao. Azonao lazaina amin'ny mpisera ve ny fandraisanao anjara tamin'izany ?

Eny. Tsangantononkalo no natao tamin’io. Tononkalon’i Randza no narafitra ho tonga ho toy ny tantara tsangana. « 2003 : andro gaigy » no lohateniny. Tsy tao amin’ny CGM ihany no nilalaovana azy fa tao amin’ny Tranom-pokonolona Analakely ihany koa, ary tonganay hatrany amin’ny faritra toa an’i Tsiroanomandidy. Anisan’ny mpilalao an-tsehatra namelona azy aho, ka tadidiko ohatra fa izaho no nampiaina ny tononkalo hoe « Vavaka torakivy ».

  • Ao amin'ny tononkalonao "Iantsako sa iantsako" dia ahitana an-dalan-teny hoe "... hira izao no ilaiko na tononkalo manjan'ny Zanamihoatra Ranja". Efa nihaona taminy na tamin'ny poeta zokiny sangany ve ianao ? Azavao koa ny itiavanao manokana an'ity poeta ity.

Tsy mbola nihaona taminy aho. Am-panahy angamba. Ny poeta zokiny izay mbola velona, maromaro ihany no efa nihaonako, ary nisy ny efa niara-nifandom-bera kely. Amiko taorian-dRabearivelo, dia Randza Zanamihoatra no tena henjana. Tiako, noho izy poeta maningotra saina kokoa.Noho ny sorany hafahafa, lalindalina, marina, mahitsy, monge-mahalatsaka indraindray. Tsy haiko fa vao namaky ny sorany aho dia, avy hatrany, tafiditra tao ary ny sorany tafiditra tao amiko. Tsela-baratry ny fitia ve?

  • Ny tononkalonao "Avy ny orana" indray no nandikanao ny sanganasa frantsay an'i Francis Carco (1886 - 1958) "Il pleut". Mahazatra anao ve ny mitrandraka asa soratra vahiny hanatevenana ny haisoratra malagasy ?

Tsia, tsy hoe mahazatra fa kisendrasendra. Io aingam-panahy io mantsy mamely tampoka tsy miera izay ka raha namaky ny « Il pleut » aho dia nirafitra avy hatrany avy any ny « Avy ny orana » kambana aminy.

Tsetsatsetsa tsy aritra mivaona kely, izaho mihevitra fa andraikitry ny poeta malagasy kokoa, na izay havanana amin’izany ny mandika ny asa soratra malagasy amin’ny tenim-pirenena isan-karazany mba hahafahan’ny haisoratra malagasy miampita ranomasina ka ho fantatr’izao tontolo izao, indrindra amin’izao andron’ny Aterineto izao. Tombony lehibe ho an-dRabearivelo ohatra ny nahavoadika ny sorany amin’ny tenim-pirenena hafa.

  • Toy ny fanao ato amin'ny tapatapak'ahitra, azonao atao ve ny manonona andinin-tononkalo iray nosoratanao?
Izy efa nanidina nikopaka eny an-danitra
f'izaho 'ty mbola doroka
sy dizidizin'oroka

 

(sombiny amin’ny ‘Orok’anjely’)

  • Mamerina ny fisaorana anao ny tranonkala poeta.webs tsy nisalasala nanazava an-kitsi-po ny mombamomba anao sy ny Faribolana Sandratra tamin'ireo valim-panontaniana. Mirary soa sy fahombiazana hatrany ho anao.

Misaotra anao sy mirary soa ary mankahery amin’ny ezaka fanandratana ny haisoratra malagasy.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety