Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

08 Jona 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVANA TAMIN'I JERY MOMBA NY HETSIKA "TANY GIAZANA"

 

Sambany i Jery na i Serge Rafalinirina no miantrano eto amin'ny efitra tapatatapak'ahitry ny tranonkala Pôetawebs. Heverina fa nivimbina zavatra izy. Ikaloyna Vony no niaraka nitafatafa taminy.

Ikaloyna Vony : Miarahaba anao Jery miantrano ato amin'ity efitry ny tapatapak'ahitra ity. Tongasoa! Vaovao nentinao ?

Jery : Hetsika antsa tononkalo lehibe izay hatao ao amin'ny CEMDLAC ny alarobia faha 24 jona 2015 izao manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ny vaovao. Izany hetsika izany dia nomena ny lohateny hoe: "TANY GIAZANA". Momba izany indrindra no entiko atolotra e!


Ikaloyna Vony : "Tany Giazana" ohatry ny teny somary manavao ihany, nahoana moa no natao hoe tany giazana ny hetsika ?

Jery : Tany Giazana satria mahatsapa ny tena sy ireo namana maromaro fa ity tanintsika ity dia efa niaina tao anaty geja ary mbola miaina ao anatin'izany, fa ny endrika isehoany fotsiny no miovaova arakaraka ny vanim-potoana. Ohatra amin'izany ny harena voajanahary, ny olona, ny teny, indrindra fa ny tany izay onenantsika dia tsy iza izany fa i Madagasikara.

 


Ikaloyna Vony : mazava izany, inona ary no tanjon'ny hetsika e?


Jery : Mba ho fandraisana anjara amin'izao iray volan'ny teny malagasy sy ny fahatsiarovana ny namerenana ny fahaleovantena sarintsariny ho an'ny firenena malagasy izao, dia mba misintona lakolosy kely ihany ny Pôeta mba hampatsiahivana ny rehetra fa mbola maro ny ezaka tokony hataontsika tia ny tanindrazany, ary mitia ny tenin-drazany indrindra indrindra. Fa ny vanim-potoanan'ny literatiora rehetra nanomboka teo amin'ny fiforetana anaty ka hatramin'izao dia miresaka hatrany ny atao hoe tena fahafahana.


Ikaloyna Vony : mahaliana tokoa izany, dia iza avy ireo Pôeta handray anjara amin'izany àry ?


Jery : Ny mpandray anjara moa dia ireo namana izay efa nandalo tao anatin'ilay hetsika SAHOBY ROMBOM-PANAHY andiany voalohany ihany.


Ikaloyna Vony  : Tsy sarotra ve ny fikarakana sy ny fameranana ?

Jery  : Mazava ho azy moa fa tao anaty ny rohim-pifandraisana "FACEBOOK" no serasera ankoatra ny hoe efa samy nandalo tao amin'io ROMBOM-PANAHY io. - Raha ny famerenana indray dia tsy dia manahirana loatra satria mpanan-kanto efa samy manana ny maha izy azy ireo hamelona ny antsa ireo ka indray na indroa isan-kerinandro dia ampy hifampivondronana sy ny fanomanana ny pitsopitson'ny hetsika ho atao. Ao anaty tambanjotra no mameno ny banga e !


Ikaloyna Vony : Dia efa milendalenda tokoa izahay hanatrika izany ka azonao lazaina fohifohy aminay ve hoe toy inona ny endrika mety hiseho amin'izany ?

Jery : Ny endriky ny hetsika indray dia mizara telo avy hatrany, dia nomena loko ny sainam-pirenena FOTSY, MENA ary ny MAITSO. Izany hoe hitety ny vanim-potoana rehetra mihitsy isika amin'io. Ka ny FOTSY dia famelomana ny asa soratr'ireo zoky andrarezina efa nandao ny tany ny nofony; ny MENA indray kosa dia hiantsana ny soratr'ireo zoky mena vazana mbola velona miara-miaina amintsika eny amin'ny fiaraha-monina eny. Ary ny MAITSO dia ny hiantsana ny tononkalon'ireo tanin-ketsan'ny literatiora malagasy na ireo mpandray anjara ny marimarina kokoa. Marihina fa tena MALAGASY avokoa no ho heno ao.

Ikaloyna Vony : hisy mpihira nasaina ve ?

Jery ; Ny MPIZAKA (Mpiangaly Zava-Kanto) avy eny amin'ny Anjerimanontolo no handravaka ny fotoana amin'io hetsika io.

Ikaloyna Vony  :  satria amin'ny fanomanana toy izao dia tsy maintsy misy ny fotoana lany, ny vola lany... Ka misy àry ve ny mpanohana ?

Jery : Hatreto aloha dia mbola miainga avy amin'ny herin'ny tenanay tsirairay avy no hanatanterahana ity TANY GIAZANA ity, fa na izany aza dia ao ry zareo avy ao amin'ny CEMDLAC izay isaorana azy ireo fa nanome maimaimpoana ny trano.

 

Ikaloyna Vony : Izahay mpankafy manohana foana e ! sa tsy izany Jery ?

Jery : Izany mihitsy hoy aho, miandry anareo !

Ikaloyna Vony  : Ho avy ka! Fa matetika ny antsan-tononkalo toy izao dia ahitana boky. Hisy ve izany?
 
Jery : Ho hita ao ny Boky ROMBOM-PANAHY andiany voalohany izay hamidy eny an-toerana.

Ikaloyna Vony : Eny àry fa dia mankasitraka an'i Jery isika nitondra izay vaovao teto izay, misy hafatra apetrakao, asa, amin'ny mpankafy ohatra na amintsika Malagasy rehetra e?

Jery : Manasa antsika rehetra ny tenako mba tsy hanao tsinontsinona ny teny, ny tany, ary ny olona, eto amin'ity FIRENENA ity. Mankasikatra tompoko!

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 02/07/2021