Créer un site internet

Poetawebs mitafa amin'i Tahirintsoa



14 Novambra 2012

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVAN'NY POETAWEBS TAMIN'I TAHIRINTSOA
MOMBA NY "RAHAMPITSO RAHA TIANAO... AMBOARA TONONKALO AN-KIRA"

 



Asa raha tadidinao mpiseran'ny poetawebs fa i Tahirintsoa, Filohan'ny Faribolana Sandratra Sampana Antananarivo, no anisan'ny vahinin'ny Poetawebs voalohany tamin'ny tapatapak'ahitra. Raha ny marimarina kokoa dia tamiin'ny 13 Aogositra 2009 izy no nivahiny teto amintsika. Telo taona mahery kely taty aoriana dia atolotra anao indray ny tafatafan'izy sy Toetra RAJA momba ny fandraisany anjara tamin'ny hetsika lehibe voalaza etsy ambony. Tena tafatafan'ny mpirahalahy ela tsy nihaona tokoa ka anasana anao hiroboka ao amin'ny votoatiny.

 
Toetra Raja
Manahoana i Tahirintsoa, Toetra Raja ihany ity. Mahaliana ny Poetawebs ny hevitrao momba ny hetsika nokarakarain'ny OMDA iny, voarainao ve ilay mailaka?


Tahirintsoa
Manahoana Toetra Raja, vao eo mihitsy aho no nahavaky ny soratrao ao amin'ny mailaka fa tsy nanokatra an'io adiresy io somary elaela. Vao saika hamaly kinanjo mifanojo eto isika. Misaotra amin'ny resaka ao amin'ny mailaka. Ny OMDA tokoa, amin'ny maha rafitra iray azy ao anatin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Vakoka, no nikarakara ny hetsika. Ny mpiantsa tao aminay no nantsoiny niampy olona 3 hafa. Fa ny tsy azo lavina dia hery lehibe nahatontosa iny hetsika iny izahay hatrany am-boalohany: fiketrehana, fanomanana sns...

Toetra Raja
Iza ireo olona 3 hafa?

Tahirintsoa
Lolona Randriamampianina, Clara (ilay feo mangan'ny serasera iny), Andry Andriamanantena (zanaky Rado, Georges Andriamanantena).

Toetra Raja
Poeta koa ve i Clara sy Andry Andriamanantena?

Tahirintsoa
Samy tsy poeta izy ireo fa oloben'ny tontolon'ny fiantsana.

Toetra Raja
Nisy mpihira niantsa tononkalo ve, na poeta nihira, na hira niarahana?

Tahirintsoa
Tsy nisy, fa nisy kosa tononkira nantsaina, toy ilay "tontolo iainana" an'i Raoul (Mahaleo).

Toetra Raja
Inona no lohahevitra novoizina azo tarafina tamin'ireo safidin'ny tononkalo sy hira?

Tahirintsoa
Ny tanjona tiana ho notratrarina aloha dia ny hanomezana toerana milahatra amin'ny zavakanto hafa, toy ny hira, ny haisoratra miaraka amin'ny antsa sy ny mpiantsa. Tsy dia nisy loatra, araka izany, ny lohahevitra fa ny fomba natao dia ny nijerena hira anankiray (ohatra: "Nahoana kay" an'i Dama) mifandraika amin'ny tononkalo miresaka zavatra mitovy aminy. Dia niainga tamin'izany no nipoiran'ireo tononkalo: an'ireo zokiny, Dox, elie rajaonarison, Rodlish, Rado sy ny taty aoriana Solofo José, Nofy, Tahirintsoa, Avelo Nidor sns.

Toetra Raja
Nandray anjara tao ny mpihira avy any amin'ny faritany. Nanana ny toerany tao koa ve ny tononkalo amin'ny fitenim-paritra?

Tahirintsoa
Ny mpihira heverina hoe avy any amin'ny faritra dia: Mike & Davis, Jean Rigo, Théo Rakotovao (Mikea), Babaïque. Ary nisy tononkalo tamin'ny tenim-paritra Betsimisaraka tokoa. Nohafarana manokana avy tany Vatomandry i Radialf izay poeta manoratra amin'ny fiteny Betsimisaraka. Izy no miantsa azy tsara amin'izany fiteny izany (izy no tena nankasitrahan'ny betsaka tao).
Anisan'ny tononkalony: Folera, Zaza igny, Delira..., Zanaka Tantsaha.

Toetra Raja
Radialf ve Sandratra koa?

Tahirintsoa
Eny, Faribolana Sandratra sampana Vatomandry izy.

Toetra Raja
Nisy fitsipika narahana ve tamin'ny fandaharana? Tononkalo firy isaky ny mpiantsa? Tononkalo firy isaky ny poeta tranainy? Tononkalo firy isaky ny poeta zandriny? Hira firy isaky ny mpihira?

Tahirintsoa
Tsy dia nisy loatra. Teo amin'ny antsa: nisy 2 fotsiny nisy nanao 5. Dia tsy natao fepetra koa ny isa teo amin'ny poeta zokiny/zandriny fa ny tsapa dia nifanahantsahana ny
isa (tsy niniana akory). Teo amin'ny hira indray dia 2 avy fa ry Mahaleo no nanatombo kely.

Toetra Raja
Misaotra indrindra Tahirintsoa nanaiky nizara ho an'ny Mpiseran'ny Poetawebs ny zavatra niainana tamin'iny andro manokana niarahan'ny Poeta sy ny Mpihira iny, izay ampatsiahivina fa nokarakarain'ny OMDA tao amin'ny Carlton ny 04 novambra 2012.

Tahirintsoa
Tsy misy isaorana fa izay azoko natao no nataoko dia mirary soa indrindra.

Nanomana ny tapatapak'ahitra
Toetra RAJA

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×