Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 Jolay 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHAN'NY PÔETAWEBS TAMIN'I RIVA

Tovolahy iray no tonga mivahiny ato amin'ny efitra tapatapak'ahitry ny tranonkala Pôetawebs. Riva no ahalalana azy eo amin'ny soratra. Ikaloyna no miaraka mitafatafa aminy.

Miarahaba anao Riva. Sitrakay raha ianao mihitsy no hilazalaza amin'ny mpisera ny mombamomba anao.

Miarahaba antsika mpiserasera ato amin’ny tranonkala Pôetawebs. Riva Ando ANDRIAMALALA no anarana feno fa rehefa manoratra dia antsoina fotsiny hoe Riva. 32 taona, mbola tokan-tena ary monina sy miasa aty Toamasina. Anisan’ny mpiraifaribolana ao amin’ny Sandratra.


Misaotra anao Riva. Avy any Toamasina ianao, izany hoe nitondra voan-dalana ho an'ny mpisera ?

Eny, voan-dalana ngeza be atolotra am-pitiavana no entina ho anareo rehetra: hetsika iray lehibe famoaham-boky sady fiantsana izay hatao ao amin’ny CGM Analakely ny Alarobia 15 Jolay 2015 izao amin’ny 3 ora tolakandro. KALO FITIA no lohatenin’ny boky sady anaran’ny hetsika rahateo. Mirakitra riankalo, sombin-tsoratra ary sombin-tantara izay nosoratan’i Riva.


Misy vidim-pidirana ve ?

Tsy misy vidim-pidirana fa ny boky kosa azontsika vidiana amin’io fotoana io.


Riva, tena ao anatin'ny fahatanorana tokoa ianao, ny hetsika hatao koa KALO FITIA, midika ve izany fa resa-pitiavana avokoa no ho heno ao sa hisy tara-kevitra hafa ?

Hihi! KALO FITIA: izy io dia anarana takila (pejy) iray tantanako, ao amin’ny Facebook no niandohany. Dia izao izy havoaka boky izao. Mivelatra ny loha-hevitra. Mibahana ny fitiavana fa misy tara-kevitra hafa ka. Saingy raha zohiana ny zava-dehetra misy sy iainantsika, toa mifototra amin’ny fitiavana daholo ihany.


Tononkalonao irery izany no hantsaina ao? Dia hisy namana hamelona sy mpihira na mpandihy ?

Eny, ho avy ny fotoana hiarahana amina namana hafa fa ity aloha dia mandeha irery. Hanampy amin’ny fiantsana ny namana mpiraifaribolana. Hanotrona sy hanafana an-kira sy mozika kosa ny tarika Fangia Kalo Gasy mpanao hira kalon’ny fahiny sy ba gasy.


Kanto dia kanto tokoa raha izany, ary misy antony manokana ve nahatonga an'i Riva hisafidy hoe aty Antananarivo no hatao ny hetsika fa tsy any Toamasina, sa efa nisy ve tany Toamasina ?

Eoah, voalohany: voalazako tery aloha fa niainga tamina takila tao amin’ny facebook ny KALO FITIA. Efa mangetaheta te hanana boky mirakitra ireo ainga mitobaka ao ny namana, izaho rahateo mbola tsy namoaka boky tamin’ny anarako manokana, dia aleo omena fahafaham-po na dia ampahany ihany (tsy ho vita indray mandeha ny fandraketana am-boky ireo ainga marobe efa tsy voaisako intsony).

Mazava ho azy fa Antananarivo no ivo hahafahana mihaona amin’izy ireo. Faharoa: ny Faribolana Sandratra dia manana fiaraha-miasa amin’ny CGM. Manamora ny famoahana ny boky ny fahazoana mampiasa ny efi-trano ao amin’ny CGM Analakely ka dia tsy nitady lavitra intsony aho. Fahatelo: satriko dia satriko hisy koa ny aty Toamasina saingy ho an’ny rehetra ity vokatra ity dia aleo aloha ny rehetra no misitraka azy voalohany, avy eo hita miandalana ny fanapariahana azy eran’ny faritany.


Izay mantsy! Lavidavitra ihany Toamasina sy Antananarivo dia nanao ahoana ny fanomanana tamin'izany?

Lavidavitra, fa izay ny tombony amin’ny maha Faribolana ny Faribolana. Isaorako be dia be ireo namako mpiraifaribolana miara-manomana amiko ity hetsika ity. Eo koa ny tarika Fangia Kalo Gasy izay tena mitondra tolo-tanana be dia be mihitsy. Izaho koa matetika miakatra any ihany noho ny zavatra hafa dia sady manararaotra.


Hita tokoa hoe be herim-po i Riva an? Hanolotra mari-pahatsiarovana ho an'ny mpankafy ve ianao amin'io fotoana io ?

Ny boky no mari-pahatsiarovana ngeza indrindra amin’io, hitoetra antaranoana! Hezahina ho mirary ny vidiny.


Eo amin'izay fanontana boky izay, tsy mahatsiaro ho maty antoka ve ianao sa nisy mpanohana?

Eo no tena sarotra. Raha nanatona ny mpanonta boky aho dia notsoriny mihitsy fa raha momba ny tononkalo dia tena tery ny tsena ka tsy afaka ny hanohana ry zareo; Fa raha manam-bola hiantohana ny asa aho dia mety. Saingy nasesiky ny fitiavana ity haisoratra ity ny tena ka dia niroso ihany na dia manifinify aza ny kitapom-bola. Raisiko ho anjara biriky amin’ny fanandratana ny haisoratra ny ezaka kely mba vitako e.


Marina izany, ny fitiavana no manosika, izay ilay hoe KALO FITIA, sa ahoana Riva ?

Ie, tsy havelantsika hangina ny KALO FITIA na misy aza ny sakana.


Hamaramparana ny tafatafa isika, efa misy nofinofy hafa manangasanga ve any ho any ?  

Eny, misy nofinofy maromaro ao afara ao. Misy boky iray izay hiarahako amina mpanoratra namana iray. Efa vonona hatonta fa misy olana kely dia miandry aloha.
Misy hafa efa an-dalam-pikarakarana koa. Tsy afaka mihazakazaka anefa fa aleo milamina ndrao ka Haisoratra "zaitra an-tsena" no homena ny mpakafy.


Marina izany!

Raha izaho manokana efa ny taona 1999 no nanomboka nanoratra fa ity no vokatra azo lazaina hoe voalohany.


Hafatra farany ho an'ny mpisera Riva?

Ny hafatra angamba dia hoe: tongava fa tena KALO FITIA no hiandry anao ao! Dia manasa anao handray anjara amin’ny boky fa iny no mitoetra. Misaotra anareo ato amin’ny tranonkala Pôetawebs!


Dia mirary soa ho an'i Riva isika! Veloma finaritra!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy tsy mety ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021