Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 Jolay 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVAN'NY PÔETAWEBS TAMIN'NY ANTSO (MPIZAKA STelaRiM)

Nahasarika ny Pôetawebs ny hetsika hataon'ny MPIZAKA STelaRiM ato ho ato. Izany indrindra no nahatonga anay hitapatapak'ahitra amin'ny filohany. Ikaloyna no miara-misoron'afo aminy etsy amorom-patana.

Miarahaba ary misaotra anao izahay amin'izao fitsidihana ny tranonkalanay izao.

Faly miarahaba antsika rehetra mpankafia ny kanto malagasy ato amin'ity tambazotra ity ny tenako, RAKOTONDRANAIVO Honore Dinah na Ny Antso izay filoha mpitantana ny MPIZAKA STelaRiM.

Inona ny vaovao? Teny fohy momba ny MPIZAKA STelaRiM.

Alohan'ny hanomezana ny vaovao aloha dia ho tsiahivina fa ny MPIZAKA STelaRiM dia fikambanan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo tia sy liana amin'ny zava-kanto malagasy ary tantanan'ny mpianatra avy ao amin'ny sampana teny sy lahabolana ary riba malagasy. Ny hira, dihy, hatsikana, soratra, teatra ary kabary no rantsana enina entin'ny mpizaka mangaika ny mpiray tanindrazana aminy hankafy ny kanton-drazany.

Efa elaela ihany no nahafantaranay ny Mpizaka.

Ankehitriny, ao anatin'ny fahamatorany ny mpizaka satria feno telopolo taona. Marik'izany dia nahazo fiaraha miasa amin'ny ministeran'ny kolontsaina izahay ary manana hetsika isan-telovolana ao amin ny IVOKOLO CEMDLAC...


Toy ny amin'ny herinandro ambony io?

Hetsika faharoa io hotanterahina ny alarobia 29 jolay izao io. Amin'ny 2 folakandro no fotoana. Amin'io no hamoahana sy hamelomana an-tsehatra ny amboara tononkalo voalohany mitondra ny lohateny hoe VATOLAHIN-TSORATRA izay teraka eto amin ny tani(vavy)n'ny Madagasikara ka hiteraka aina vao.


Ahoana tokoa ny ho endriky ny hetsika amin'io?


Araka ny efa voalazako teo dia antsa tononkalo no ho velomin'ny poeta notsongaina avy ao amin'ny mpizaka, elanelanin'ny hiran'ireo mpanakanto nasaina manokana sy ny mpizaka, atao mandritra io adiny roa io.

Mpianatra ianareo, hoy ianao, ary maro aminareo no pôeta, ahoana ny fampifandraisanareo ny tontolon'ny poezia amin'ny tontolon'ny fampianarana?

Marina izany, amin'ny ankapobeny ny pôetan'ny mpizaka dia mpianatry ny sampana malagasy, izany hoe, mpandalina ny teny sy ny fomba ary ny literatiorantsika. Ka araka ny volazan'ny mpikaroka hoe ny fifaneraserana amin'ny zava-kanto no miteraka ny tena mpanakanto, dia tena loharanon'aingam-panahinay ireo ezinezin-tsoratra malagasy sy vahiny dinihinay. Ka indraindray tsy ampoizina aza dia mitady ho voafehin'ny lasitra notsoahina avy amin'ireo ezinezin-tsoratra ireo izahay!

Nisesisesy ny hetsika tononkalo tato ho ato, tsy manahy ve ianareo ny hizarazaran'ireo mpakafy amin'io andro io?

Maro tokoa ny antsa tononkalo tato ho ato, ary malalaka ihany koa ny tsirairay amin'ny lalana tiany hizorana sy toerana tiany hitodihana fa raha tonga ao amin ny mpizaka izy dia tsy ho diso fanantenana.

Nahoana no miavaka ny VATOLAHIN-TSORATRA mitaha amin'ny boky fahita mahazatra?

Miavaka amin ireo amboara tononkalo efa nivoaka hatreto ity boky ity satria ankoatra ireo tononkalo 90 avy amin ny mpanoratra 14 misandrahaka amin'ny lohahevitra maro dia ahita fomba fampahafantarana (biographie) tena malagasy ihany koa ianao...

Ary ny lamina tamin'ny fanontana azy?

Teo amin'ny fanontana indray, izahay ihany no nanao ny sora-milina sy nanala diso ary ny Faribolana Sandratra no mpanonta ... Tsy dia nisy ny olana noho ny maha fikambanana anay...

Ankoatra ny andron'ny hetsika, aiza no mety azo hanjifana ny boky?

Tsara ho marihina fa vita "dépot légal" io boky io ary amidy ao an-toerana amin'ny andron'ny fampisehoana ary any amin'ny mpikambana tsirairay koa amin'ny andavan-andro.

Misaotra anao Ny Antso nanompana fotoana ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs. Mirary fahombiazana tanteraka ho an'ny hetsika ataonareo izahay amin'ny alarobia 29 jolay izao. Mandra-pihaona!

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy tsy mety ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021