Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

01 Aogositra 2015


TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVANA TAMIN'NY DTM (DIAN-TANAMASOANDRO)


Manao valala manjohy ireo hetsika ara-tononkalo tato ho ato, vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra rahateo izao ka dia misesisesy koa araka izany ny vahinintsika eto amin'ny tranonkala Pôetawebs. Avy hatrany dia omentsika ny vahiny ary ny sehatra. Mitapatapak'ahitra miaraka aminy i Ikaloyna.

Ikaloyna. Miarahaba anao tompoko. Te hahafantatra anao ny mpisera. Inona ny vaovao?


Ny Ami. Voalohan-teny aloha dia faly miarahaba ny mpikarakara rehetra eto amin'ny Pôetawebs nanaiky mitapatapak'ahitra amin'izao harivariva izao.Ny tenako moa dia RANDRIAMILANTO Jean Emile fantatra amin'ny hoe "Ny Ami" ary mpikambana ao amin'ny fikambanana "Dian-tanamasoandro" na DTM.Ny vaovao nentina dia misy tokoa dia tsy inona izany fa mahakasika ilay hetsika karakarain'ny DTM ny 05-08 Aogositra 2015 eny amin'ny foibe vaomieram-pirenena Malagasy miara-miasa amin'ny UNESCO-BEHORIRIKA.


Ikaloyna. Azonao lazaina aminay ve Ny Ami ny mombamomba ny DTM ?

Ny Ami. Raha ny DTM no lazaina tsotsotra dia Vondron'ny Tia sy Mandala Fahendrena.Manana ny teny faneva hijoroany dia ny hoe "Tsy ny lalàna no natao ho fahendrena fa ny fahendrena no narafitra ho lalàna". Teraka ny 17 jolay 2010 ary nijoro ara-panjakana kosa ny jolay 2011.Amin'ny ankapobeny dia mpanoratra sy poeta avokoa no mpikambana saingy amin'ny maha mpandala fahendrena azy dia misy koa ny Taosary entina mamoitra ny fahendrena malagasy voarakitra sy raiketina an-tsary.
 

Ikaloyna. Fikambanana, hoy ianao, ny DTM, ka hita ao avokoa ve ny sokajin-taona rehetra ?

Ny Ami. Araka ny efa voalaza teo ambony dia mivelatra amin'ny sehatra maro ny DTM ka tsy mifidy salan-taona fa rehefa mahay mandray penina sy mahay miteny tsara na dia mbola zaza aza dia noraisina ho mpikambana avokoa. Ny DTM mantsy dia tsy fizarana traikefa na Asa soratra fotsiny ihany fa fianarana sy fampianarana ny hafa ihany koa.

Ikaloyna. Hiverina amin'ny hetsika indray ny resaka. Irery ve ny DTM amin'io hetsika io?
 
Ny Ami. Ity hetsika ity dia nampitondraina ny anarana hoe "KONONKANTO".

Tsara ampahatsiahivina ihany fa ny hetsika dia iarahana amin'ny fikambanana Tantsary ka amin'io fotoana io koa no hanolorany loka sy mari-pankasitrahana tamin'ny fifaninanana taosary sy tantara an-tsary nandritra ny hetsika rodorodo ary mifameno amin'izay koa ity hetsika ataonay ity.


Ikaloyna. Hanao ahoana ny fisehoany ?

Ny Ami. Voalohany aloha dia hisy hatrany ny Ranty ho fampahafantarana manokana ny fikambanana Dian-tanamasoandro.

Faharoa manaraka izay dia misy koa ireo varotra fampirantiana ireo vokatry ny ivo-toeram-pamakian-teny sy ny vokatry ny fikambanana Dian-tanamasoandro manokana toy ny Boky,Taosary sns...

Fahatelo farany dia misy ny fampianarana sary mivoitra malefaka (Bas relief) ataon'ny Dian-tanamasoandro.

Ikaloyna. Mety ho firy ny mpandray anjara ?

Ny Ami. Ny mpandray anjara dia tena ho maro tokoa satria ny DTM rehetra no miara-mientana hanafana ny lanonana amin'io fotoana io!

Ikaloyna. Inona no mampiavaka azy amin'ireo hetsika fahita ?

Ny Ami. Miavaka tokoa io hetsika io satria ankoatra ny antsa sy tantara an-tsehatra izay atao ny sabotsy 08 Aogositra amin'ny 2 ora dia misy hatrany fampirantiana sy resadresaka ifanaovan'ny mpanatrika amin'ny mpikambana DTM rehetra.

Ikaloyna. Ary ny fandrindrana sy ny haingon-tsehatra ?

Ny Ami. Ny mpandrindra an-tsehatra aloha dia Ramatoa Filoha Brentch Mbolamasoandro sy Ny Ami fa ny mpanaingo kosa dia ny mpampiatrano sy ny DTM ihany .

Ikaloyna. Misy vidim-pidirana moa izy ity ?

Ny Ami. Ny vidim-pidirana aloha dia tsy misy saingy noho ny fahateren'ny toerana dia efa nisy ihany ny karatra fanasana naparitaka ary mbola misy azo jifaina koa eny an-toerana amin'ny andron'ny fampisehoana.

Ikaloyna. Nahoana no tsy natao maimaimpoana ?

Ny Ami. Tsy natao maimaim-poana tokoa ilay izy satria tsy afenina amintsika fa manomana ny faha-dimy taona nijoroany ara-panjakana ihany koa ny DTM ka isan'ny hetsika iray entina manomana izany ity "HETSIKA KONONKANTO" izay tanterahinay ity.

Ikaloyna. Marina izany, misy hafatra tianao hampitaina àry ve ?


Ny Ami. Ny hafatra dia hoe tongava manotrona fa antsika io ary sahy manome toky anao izahay fa tsy handiso fanantenana anao amin'io hetsika "KONONKANTO" io. Tongava fa tsy maintsy mahazo ny anjaranao ianao na amin'ny fihanohana ny kanto na amin'ny fianarana sary mivoitra malefaka (Bas Relief).

Ikaloyna. Dia mirary soa ho an'ny DTM isika!

Ny Ami. Dia misaotra betsaka ny mpikarakara ihany koa nanaiky nandray sy nanaiky nitafatafa. Sitraka enti-matory izao ataonareo izao ka hovalina tokoa raha mahatsiaro. Misaotra indrindra!
 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy tsy mety ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra.

Date de dernière mise à jour : 02/07/2021

×