Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

15 oktobra 2015

TAPATAPAK'AHITRA NIARAHAN'NY PÔETAWEBS TAMIN'I NARILALA

Pôeta tanora iray no miantrano ato anefitry ny Tapatapak'ahitry ny tranonkala Pôetawebs.  Narilala no anarany, mpiantsa tononkalo koa izy ary tsy vao ela akory izay no niakarany an-tsehatra niaraka tamin'ny fikambanana misy azy: MPIZAKA STELARIM.

Mivimbina voandalana ho antsika izy anio. Toetra Ràja no mitafatafa aminy.


Toetra Ràja
Miarahaba anao Narilala. Sitraka sy telina izao fivahinianao aty aminay izao. Makà toerana tsara ato an'efitry  PÔETAWEBS.

Narilala
Miarahaba anao Toetra Ràja ary misaotra anao amin'izao fanasana izao. Mamelà ahy ianao ilazako fa anisan'ny mampivelatra ny habaky ny literatiora ny fisian'ny vondron-tserasera "POETAWEBS" izay manome vahana ny zava-kanto, indrindra ny sehatry ny Haisoratra.


Toetra Ràja
Misaotra indrindra. Mety ho mbola misy no tsy mahafantatra an'i Narilala?

Narilala
- RAVAKINORO NARILALA LUDOVIC no anarana ao amin'ny sora-piankohonana, Mpianatra sampana MALAGASY nandalina ny LITERATIORA teny Ankatso.

NARILALA no iantsoana ahy eo amin'ny sehatry ny haisoratra, mpikambana ao amin'ny MPIZAKA STELARIM eny Ankatso.

Izaho dia anisan'ny mpandray anjara amin'ilay hetsika TRANOVORONA izay hatao ny ZOMA 30 Oktobra 2015 ao amin'ny IVOKOLO CEMDLAC ANALAKELY amin'ny 3 ora folakandro.


Toetra Ràja
Momba izay indrindra, inona ny zava-ponosin'izany anarana mampihetsi-po izany?

Narilala
Nosafidianay manokana ny lohateny hoe "TRANOVORONA" satria:
- ny Tranovorona dia fitaovana iray hitondrana faty ho ao am-pasana, rehefa avy nanaovana fombafomba isankarazany ny faty. Amin'ny Malagasy dia ny faty tafiditra ao am-pasana ihany no antsoina hoe RAZANA. Ary ny finoana malagasy dia mametraka ny razana ho MANANKASINA sy afa-mitahy sy manasoa ny mpiara-belona. "Raha razana tsy hitahy, mifohaza hiady vomanga" hoy ny ohabolan-dRazantsika.


Toetra Ràja
Hisy fombafomba haseho izany amin'io?

Narilala
Tarafina amin'io ny hetsika izay hataonay, ny fitaovana entinay hanomezan-kasina ny Tanindrazantsika, dia ny POEZIA.

Mila mifoha hasina mantsy ity nosy mamintsika ity raha te hifampitaha amin'izao tontolo izao. Maro ny zavatra heverintsika ho tsinontsinona kanefa amin'ireny no singa mety hahafahana mandroso.


Toetra Ràja
Tsy lavitry ny fetin'ny maty io daty io.

Narilala
Ao anatin'ny fankalazana na fahatsiarovana ny maty rehetra isika ny 2 novambra 2015, noho ny fandaminana dia natao 30 oktobra ny hetsika TRANOVORONA. Amin'ny 3 ora hariva satria manomboka eo ny fanitrihana ny faty ho ao am-pasana ary rehefa tsara levenana izy dia manana ny HASINA ary ny tranovorona tsy ho entinay mody fa hatao eo ivelany mba hahafahantsika manjifa azy...


Toetra Ràja
Izany hoe?

Narilala
Manko, hisy BOKY TRANOVORONA azonao jifaina amin'io fotoana io.


Toetra Ràja
Mazava! Ary ny momba ireo mpiantsehatra?

Narilala
Miisa 7 izahay no mpandray anjara amin'io hetsika TRANOVORONA io. Amin'ny ankapobeny dia azo lazaina fa mpanoratra efa zatra niaraka ihany izahay satria na dia samy any anaty fikambanany avy any aza dia efa nisy hetsika niraisana. Tsy inona izany fa ny "TANY GIAZANA".


Toetra Ràja
Tsy ireo mpanakanton'ny "TANY GIAZANA" rehetra angamba?

Narilala
Ny masontsivana angamba tsy dia misy loatra fa ny fifampitakosenana taminay no nanome AFO niredaredan'ny fitiavan-tanindrazana tao anatinay.




Ireto avy ireo handray anjara ao:

  - JERY
 - VINA
 - ANTSO
 - RARY MAMPIONONA
 - ELEGIE
 - NARILALA
 - IKALOYNA VONY.

Toetra Ràja
Aiza ho aiza ny fanomanana ankehitriny?

Narilala
Ny fanomanana dia efa mipetrapetraka daholo fa ny fotoana sisa andrasana ô!

Toetra Ràja
Misy mpanohana ve ianareo?

Narilala
Ny manohana anay amin'ity hetsika ity hatreto dia ny IVOKOLO CEMDLAC ANALAKELY ihany.

Toetra Ràja
Hianoka antsa tononkalo ranoray izany izahay!

Narilala
Eny, kanefa na dia izany aza dia ao ihany koa ny zokibe HEMERSON hanampy anay eo amin'ny feon-kira lafika sy ny pitsopitsony samihafa ô.

Toetra Ràja
Zoma io andro io, tsy mbola fialan-tsasatra!

Narilala
Tsy mifanandrify amin'ny andro fialan-tsasatra hatrany akory ny filanjana TRANOVORONA.
Manentana izahay fa asakasak'izay tsy ho avy e!
Adidy masina no tanterahanay... "Zanahary tapany" anefa ny mpanoratra raha tsy misy anareo mpijery.
Adin'ny roa eo ho eo ny fampisehoana amin'io ZOMA faran'ny volana Oktobra io.

Toetra Ràja
Hahaliana tokoa ny endrik'izany TRANOVORONA an-tsehatra izany!

Narilala
Ao isika mahita azy fa "ny poezia hanangana ny maty" hoy i RANDJA ZANAMIHOATRA.

 - ny maty ara-kolontsaina
 - ny maty ara-pitiavana.

Vazivazy tena izy ihany izany fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe: MILA MAMOHA NY HASINA MAHA ISIKA ANTSIKA ISIKA.

Toetra Ràja
Hafatra sarobidy izany!

Narilala
Aza hadinoina ny fotoana ny ZOMA 30 OKTOBRA 2015 amin'ny 3 ora hariva ao amin'ny IVOKOLO CEMDLAC ANALAKELY.

Dia misaotra ny POETAWEBS nampandroso sy nanome toerana tato avarapatana ô!

Toetra Ràja
Ianao Narilala no isaoranay nahafoy fotoana sy nanome ny antsipirihany momba ny TRANOVORONA. Mirary fahombiazana tanteraka. Ho ela velona anie ny Pôeta sy ny pôezia malagasy. Veloma mandra-pihaona!

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021