Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 Novambra 2015

Tapatapa'ahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i Bade RaAnRaMa

Pôeta tanora indray no vahinin'ny tranonkala Pôetawebs anio. Mitapatapak'ahitra miaraka aminy i Ikaloyna Vony izay nisahana rahateo ny fandraisana.

Miarahaba anao tompoko. Te hahafantatra anao ny mpiserantsika.

Faly miarahaba anao Ikaloyna Vony ary miarahaba ihany koa ireo mpitsidika sy naman'ity tranonkala Poetawebs ity ny tenako. Bade RaAnRaMa moa no solon'anarana entiko eo amin'ny soratra, ny tena anarana kosa dia RANDRIANJAFY ANDRIANAVALONJAKA Rajomahery.

Azo fantarina ve ny nahatonga ilay anarana hoe BADE?

Hmm! Anaram-bositra fony fahazaza ity hoe Bade ity, nanana anaram-petaka be dia be ny tenako tamin'izany fa io Bade io no nosafidiako manokana satria niavaka ary nahafinaritra ahy. Ny hoe raanrama kosa dia mirakitra ny fiainako sy ny anarako manontolo.

Tsy vahiny amin'ny hetsika tononkalo ianao.

Efa nandray anjara tamin'ireny antsa tononkalo sy famoaham-boky ireny tokoa i Bade, isan'izany ny famoahana boky sy antsa tononkalo tamin'ny Rombom-panahy andiany voalohany, teo ihany koa ny antsa Tany Giazana izay niarahana tamin'ireo Pôeta vitsivitsy tao amin'ny Rombo.

Matoa moa ianao mivahiny eto dia manan-kalahatra amin'ny mpanaraka ny serasera.

Tena vaovao tokoa no entiko eto anio satria vaovao ho an'ny vondrona Pôeta misy ahy ary vaovao ho an'ireo mpanaraka ny hetsika zavakanto vita amin'ny soratra. Tononkalo an-tsehatra sy famoahana boky HABAKY NY FANAHY izy ity izay haseho ao amin'ny Ivo-kolo Cemdlac Analakely ny 18 Novambra ho avy izao manomboka amin'ny 2 ora sy sasany folakandro.

Iza avy ireo hifanampy amin'io hetsika io?

Enina mianadahy izahay no mifarimbona amin'ny fitotoana ity hetsika ity izay marihiko manokana fa Pôeta tena ao anatin'ny fahatanorana tokoa. Roa vavy sy efa-dahy izahay : Ny Rovako, Iarantsoa Mahefa, Vetso, Anjaratiana, R-Degra ary Bade RaAnRaMa.

"Vondrona Pôeta" hoy ianao teo?

Ao anatin'ny Vondron'ny Korira kanton'ny Haisoratra Malagasy na VKHM avokoa izahay 6 mianadahy. Ity HABAKY NY FANAHY ity mantsy dia hetsika atolotry ny VKHM sy ny ACEEM radio.
Izahay koa mantsy dia ao anatin'ny vondronan'ireo Poeta (zandriny) izay miankina amin'ny onjam-peo ACEEM saingy mbola eto ankibon'IMerina ihany aloha.

Ahoana no fidirana ao anatin'ny VKHM?

Mifidy taona. Tsy zaza mpampiady rima sy mpanao tsianjery fa mpankafy sy mpanoratra tononkalo ary tia zavakanto. Vondron'ny Korirakanton'ny Haisoratra Malagasy (V.K.H.M.)

Inona no tanjonareo amin'ity hetsika ity?

Tanjonay amin'ity hetsika ity voalohany indrindra dia ny fampahafantarana ireo mpanaraka sy ireo tia ny literatiora malagasy fa misy izany VKHM izany ary mahavita zavatra tsara. Manarak'izany dia fanandratana hatrany ny hasin'ity kolontsaina izay efa nadikan'ny taranaky ny fanatontoloana ity ho navalon'ny taona.

Ahoana indray ny momba ny boky?

Araka ny voalazako teo dia hamoaka boky tokoa izahay : HABAKY NY FANAHY izay ahitana pejy 95 ary tononkalo miisa 60 eo ho eo.

Nisesisesy ny hetsika tononkalo tato ho ato. Matoky ve ianareo fa tsy ho mena-mitaha ny HABAKY NY FANAHY?

I Bade moa dia isan'ireny tsy miala mihitsy fa manotrona sy manatrika ireny hetsika famoahana boky sy seho tononkalo ireny. Nahavita seho tena tsara sy miavaka tokoa izy ireny, izahay anefa manome toky fa tsy ho latsa-danja ity boky sy ity seho tontosainay ity.

Mila fanomanana matotra izany!

Efa volana maromaro tokoa no nanomananay an'ity hetsika ity. Te hanome seho tsara sy miavaka ho an'ny mpakafy izahay, ka efa mialoha be mihitsy ny famerenana sy ny fanomanana rehetra.

Mila mpanohana ihany koa!

Ny mpanohana anay moa dia ny VKHM, eo ihany koa ny ACEEM radio izay tsy mpanohana fotsiny fa tompon-draharaha mihitsy.

HABAKY NY FANAHY hoy isika. Ahoana re ny mety ho endriny e?

Ny mety ho endriky ny seho dia Pôeta enina mianadahy no hiantsehatra. Tsy antsan-tononkalo fa tononkalo an-tsehatra.

Izany hoe?

Omena aina ireo tononkalo anaty boky ka misy rindran-damina maty paika eo amin'ny fihetsika, feo, feon-kira...

Ho tolakandro miavaka tokoa izy izany!

Tsy isalasalana fa seho miavaka amin'ny endrika miabo, izany hoe afa-mitaha amin'ireo efa nisy sy ho tahafin'ireo mbola hisy. Ny toky fitaka fa eny isika mahita azy.

Hafatra farany mialoha ny fotoana?

Miandry ny fanahinao mpankafy anay ny HABAKY NY FANAHY. Mbola tsy tara fa amboary ny fandaharam-potoana ka hiaraka hanakatra ny habakabaka isika ny 18 novambra 2015 ho avy izao. Tongava e ry lahy! Tongava e reroy!

Mankasitraka sy mankatelina ary mirary soa.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×