Ny Ony

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

01 Mey 2012


TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I ONY MIHAJANIRINA


Mihajanirina Onisoa araka ny hita ao amin'ny sorapiankohonany, dia poeta vao misondrotra kanefa manana fahamatorana eo amin'ny fomba fanoratra. Anisan'ireo tanora sarotiny amin'ny tsipelinteny izy araka ny tsapa ao amin'ny sanganasany. Mifanerasera amin'ny poetan'izao vaninandro izao izy, indrindra fa amin'ireo mpiray faribolana aminy ao amin'ny Sandratra. Miboiboika aoka izany ny aingam-panahiny, ary mety ho izay angamba no nahaterahan'ny anarana diam-peniny hoe "ONY". Mba tsy handiso ny vinavinanay dia aleo izy mihitsy no angatahantsika hitondra fanazavana misimisy mahakasika diam-peniny.

Miarahaba anao Ony MIHAJANIRINA. Tanora dia tanora tokoa ianao kanefa hita taratra amin'ny diam-pninao ny fahamatorana. Misy antony manokana ve ny nahatonga anao hanjary sakaizan'ny penina?

Misy antony manokana ve? Angamba tsy dia hoe misy antony manokana fa efa anaty aina mamelona, aina anaty rà ilay asa soratra dia miboika amin'ny fotoana mampiepo azy.

Oviana tokoa moa no nampiepo voalohany ny asa soratrao?

Ny taona 2009 no tena nanombohako nanoratra, efa nanangasanga taty amiko ihany izany ny taona 2006 saingy tamin'izaho kilasy famaranana vao hita taratra ary tsapa ho tsy azoko nokobonina intsony ilay aingam-panahy tato amiko. Anisan'ny tononkalo nosoratako voalohany tamin'izany ilay mitondra ny lohateny hoe "TSY HATAHOTRA AHO"

"TSY HATAHOTRA AHO", mirakitra zavatra niainanao ve io tononkalo io?

Eny, niainana tokoa io, aleo angamba ataontsika kilalao hoe vinanio ny antony nanainga ny tanako hanoratra azy.

Ary ny hafa?

Inoako fa itoviako amin'ny mpanoratra rehetra ihany, misy ny niainana, ary tsy vitsy koa anefa no tsy niainana fa teraka teny anivon'ny tsapa sy hita teny. (Mety ho niainan'olon-kafa fa nanainga ny fanahy dia voarangotra).

Teraka tao Soavinandriana Itasy ianao. Anisan'ny namolavola ny fivelaran'ny aingam-panahinao ve ny nahalatsahan'ny tavoninao tany?

Atao hoe, tany ihany koa no nipoiran'ny aingam-panahy voalohany, saingy teto Iarivo kosa no nitomboany sy nahamoratra azy.

Raha tsy mahadiso, hahaliana ny mpisera ny hahafantatra ny adidy aman'andraikitrao amin'izao fotoana izao.

Betsaka, raha amin'ny teny fohy ny ilazana ny adidy aman'andraikitro saingy ny azoko ambara dia ny fianarana aloha izao no lehibe indrindra, sahaniko amin'izao.

Raha tsy diso fanombanana izahay dia mpianatra havanana amin'ny taranja malagasy ianao tamin'ny fotoan'androny?

Eny, havanana tokoa, teo amin'ny filôzôfia no tena nanavanana ahy saingy tamin'ny teny malagasy izany rehetra izany.

Ary ankoatra ny fanoratana tononkalo, inona no mety ho fialamboly mahasarika an'i Ony MIHAJANIRINA?

Tia mihaino hira be mihitsy aho, ny gitara ihany koa no namako faharoa aorian'ny fanoratana, dia miantsa tononkalo, mamaky boky, ny "internet", dia mijery fanadihadiana amin'ny fahitalavitra.

Mpiray faribolana ao amin'ny Sandratra ianao. Inona no nanintona anao niditra tao?

Tamin'ny voalohany dia tsy dia nisaina firy ny hiditra fikambanana aho, saingy taty aoriana dia tsapako fa mila fifampizarana traikefa ny asa soratra, izaho rahateo tsy nianatra momban'ny taranja malagasy tao aorinan'ny bakaloreà.
Anisan'ny sehatra itomboana amin'ny fahazazan'ny fomba fanoratana ihany koa ny Faribolana Sandratra.

Azonao ambara ve ny anjara birikinao ao?

Ny sehatry ny serasera Faribolana Sandratra no iandraiketako.

Afaka mitanisa anarana poeta vitsivitsy mifanerasera aminao ve ianao, indrindra fa ireo fiarahana miavaka?

Eny, i Malalatiana Hasina sy Tahirintsoa, izy mianadahy ireo no antsoiko amin'ny andavanandro hoe "zoky am-panahy", ary amin'ny maha zoky am-panahy azy izay dia izy ireo no anisan'ny nitarika ahy ho Mpiraifaribolana. Ao koa i Manirisoa Rasolomahenina, Lolona Randriamampianina i Rado Rakotondrazaka, ry Avelo Nidor sy ny sisa, namana ato amin'ny tranokalan'ny facebook kosa i Ny Hariaina, Antso Tononkalo sy ny sisa.

Ary ireo poeta hafa ankoatra ireo mpiray faribolana?

Eny, voalazako teo i Lolona Randriamampianina fa ao koa i IZY sy ny sisa.

Fomba ahoana no ampielezanao ny tononkalonao?

Fomba hampielezana ny asa soratra: hatreto aloha dia ny hetsiky ny Faribolana Sandratra sy ny ato amin'ny facebook no tena sehatra ihasinako.
Ao ihany koa ireo onjam-peo toa ny Radio Don Bosco ary ireo onjam-peom-paritra any Itasy izay tsy atao tompon-trano mihono amin'ny asa soratra.

Manana eritreritra hamoaka boky ve ianao?

Ny boky indray? Mbola tsy namoaka aho fa efa eto an-dalam-pikotrehana ny mahakasika izay.

Afaka manonona andinin-tononkalo tsy afaka imolotra iray na roa ve ianao, izay nosoratanao na an'ny hafa?

Afaka tokoa! Indro àry ny tononkalo "TSY MISY" nosoratan'i RADO na Georges ANDRIAMANANTENA, izay efa tsy afaka am-bavako hatramin'ny fahazaza.

Na misy aza sedra tsy maintsy sedraiko
Manao hosivoanjo ny fiaina-maliako
Mainka hijoro ny fo sy ny saiko
Tsy maintsy mitohy ny kalom-balihako...

(tohiny : hitanao mpisera ao amin'ny tranonkalan'ny namana "Manafo-safo")

Azonao lazaina ve ny fomba nahalalanao ny poetawebs?

Efa tazako tato ihany ity tranokala ity, asa, volana maromaro lasa izay, efa mpitsidika azy ihany koa aho.
Taty aoriana, fotoana namoahako ilay tononkaloko mitondra ny lohateny hoe "TSY MISY" no nanaitra ny poetawebs ka nanasany ahy hanao izao tafatafa izao. Ankasitrahako manokana ny Poetawebs. Telina e!

Misy zavatra tsy ampy tsapanao ve ato amin'ny poetawebs ka tokony ho trandrahana?

Ny fampahafantarana ilay tranokala angamba no hitako ho tokony hamafisina.

Voaray ny hafatra! Fisaorana feno no atolotry ny poetawebs anao Ony MIHAJANIRINA nanaiky nitapatapak'ahitra taminay. Mirary soa sy ho avy mamirapiratra ho anao ireo mpandrindran'ny tranonkala.

Ho ela velona anie ny asa soratra malagasy.

Nanomana ny tapatapak'ahitra : Toetra RAJA
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×