Tapa_Sento

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 Janoary 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i Sento

Pôeta lehilahy indray no vahinin'ny tranonkala Pôetawebs. Sento no anarany. Tanora dia tanora tokoa izy ary hiaka-tsehatra amin'ny 3 febroary ho avy izao. Noho izany indrindra no anton'izao fihaonany amin'ny Pôetawebs izao. Ikaloyna no miaraka mitapatapaka ahitra aminy.

Ikaloyna
Miarahaba anao Sento, anarana hafa kely izany, inona no nahatonga an'izay anarana izay ?

Sento
Miarahaba tompoko! Sento, anaran'indrana eo amin'ny maha mpanoratra. Sento Fitia izy teo aloha, fony mbola nanoratra momba ny fitiavana fotsiny, fa amin'izao, efa mivelatra amin'ny lafiny rehetra dia najanona amin'ilay hoe: Sento... Sento. Ny nahatonga an'ilay hoe Sento... vao nanoratra voalohany aho dia tononkalo fisarahana no voasoratra teo. Tsy midika izany akory hoe nisy fisarahana niainana fa nalaina tamin'ny fiainana namana iray tena akaiky. Marihana fa mbola tsy nanan'olon-tiana aho no efa nisy ilay hoe Sento Fitia. Dia raikitra teo ilay anarana, moa koa rehefa nanandrana nanao sipa taty aoriana dia sendra namaky ireo tonkaloko izy dia resy lahatra tamin'ilay anarana, dia nanomboka teo ilay hoe Sento.

Ikaloyna
Lalina izany! Ao anaty fikambanana pôeta ve i Fana'hitia Sento ?

Sento
Raha amin'izao aloha, mbola tsy  ao anaty fikambanana, fa efa nandefa fangatahana ihany fa eo ampiandrasana ny valiny...

Ikaloyna
 Sento no ahalalana anao eo amin'ny sehatry ny tononkalo, fa iza kosa ianao eo amin'ny fiainana andavanandro?
 
Sento
Rakotondravao Andriniaina no tena anarako, Andry no fiantsoana eo amin'ny fiarahamonina sy na aiza na aiza. Fana'hitia Sento ny anarana eo amin'ny Tavam-boky.

Ikaloyna
Tononkalo ihany ve no kanto ataonao ?

Sento
Ankoatra ny tononkalo, mahay asa-tanana malagasy maromaro ihany izay tafiditra eo amin'ny sehatry ny Kanto ihany koa,


Ikaloyna
Raha izay àry ny momba an'i Sento, mino aho fa nivimbina vaovao ho an'ny mpitia kanto ianao.

 

 

''Anoka Fitia An-tsahan'ny Nofy"

 

 

 

Sento
Eny, hisy hetsika ho karakarainay ny 03 febroary 2016 ho avy izao ao amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely, hetsika pôezia iarahana amin'i Sento sy Koloina Rkf. Amin'io no amoahana ny boky voalohany nampitondraina ny lohateny hoe: ''Anoka Fitia An-tsahan'ny Nofy".

Ikaloyna
Hisy hanampy anareo hiantsa ve amin'io?


Sento
Hisy Pôeta namana handray anjara amin'ny hetsika. Ny marimarina kokoa angaha dia ireo tononkaloko sy ny an'i Koloina Rkf no ho velomin'i Vina, Penina, Raoly, Tiana, Fafah, Arilala, Tojo. Mety mbola hiampy fa mbola tsy voaraiko ny sasany, fa mbola misy roa any, satria noeritreretinay ho velomina avokoa ny ao anatin'ilay boky izay miisa 80 pejy.

Ikaloyna
Ahoana ny nifankahalalanareo?

Sento
Tao amin'ny fizarana tononkalo "Ritsoka anaty Tononkalo" izaho sy Koloina no nifankahafantatra. Samy mpandefa tononkalo ao izahay ary nahatsapa hoe mifandray ary mifampiako ilay ainga hany ka nifanaraka sy lasa mpinamana be hatrizao.

Ikaloyna
Tanora avokoa ireto mpandray anjara, midika ve izany fa ho tononkalo momba ny fiainan'ny tanora no hantsaina amin'izany?

Sento
Angamba... Satria tafiditra ao amin'ny fiainan'ny tanora. Ary tena hiainana mihitsy ny tononkalo ho antsaina ao, dia ny "Fitiavan'olon-droa" izany... hatramin'ny fahafatesana.

Ikaloyna
Hisy famoaham-boky hoy ianao teo, toy ny inona ny endriky ny boky ?

Sento
Eny, hisy ny boky ho avoaka. Tononkalom-Pitiavana avokoa no ao anatiny... Ny endriny indray? Angamba aleo ataontsika "surprise" kosa e. Amin'io ianao hahita azy, fa fotsiny hoe, mahaiza manjifa fa mirary ny vidiny. Amin'izay ihany koa no ho hitanao ny vidiny. Hihi!

Ikaloyna
Ahoana ny fahitanareo tanora ankehitriny ny literatiora malagasy? Mahatsiaro ho manana adidy ve ianareo tanora amin'izany?

Sento
Literatiora malagasy? Hita hoe mihamiroborobo,indrindra ny literatiora am-bava, satria miparitaka, ary na aiza na aiza mihitsy.

Ikaloyna
Mahatsiaro ho manana adidy ve ianareo tanora amin'izany?

Sento
Misy tokoa ny "adidy" raha tsy hilaza afa-tsy izao famoahana boky sy fiantsana tononkalo izao,izay tena inoako hoe fandraisan'adidy lehibe eo amin'ny fanandrantana ny literatiora malagasy.

Ikaloyna
Marina loatra izany hevitrao izany, Sento. Manana hafatra farany apetraka ho an'ny tia kanto ve ianao?

Sento
Hafatra? Ataoko hoe tsy farany angamba satria isika mbola hifanatrika foana amin'ity kanto ity...
Ankafizo sy iaino ny kanto malagasy. Asandrato fa harena ho anao, ary mba sarotiny amin'ny "Tenindrazana".

Ikaloyna
Dia mankasitraka anao nivahiny teto ary mankahery anareo hatrany amin'ny fanandratana ny literatiora.

Sento
Ankasitrahana ihany koa ianao nampandroso. Isaorana isika mbola mitoetra ho mpankafy hatramin'izao. "Mitomboa hasina ny teny!" Misaotra Tompoko.

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com