Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 Janoary 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin’i JOSÉCLAUDIO

Poeta mbola ao anatin’ny fahatanorana tanteraka indray no vahinintsika amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2016 izao. TOKINIAINA Lalatiana José no tena anarany, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Joseclaudio. Avy any Ambositra izy ary mbola tsy ao anaty fikambanana. Arilala Andriamamonjy no mitafatafa aminy, eo amorom-patan’ny Pôetawebs.

Arilala
Faly miarahaba an'i TOKINIAINA Lalatiana José izahay eto amin’ny Pôetawebs tonga mitapatapaka ahitra eto aminay amin’izao taona vaovao izao.

Joseclaudio
Dia faly miarahaba antsika rehetra sy ireo mpikambana eto amin’ny Pôetawebs.
 
Arilala
Joseclaudio no ahafantarana anao eo amin’ny sehatry ny haisoratra. Azonao ambara amin’ny mpisera ve io safidin'ny anarana diam-penina io?

Joseclaudio
Ilay hoe José aloha anarako e, fa natambatro amin’ilay hoe Claudio satria anarana tiako ilay izy.
 
Arilala
... fa nisy fotoana koa efa nitondranao ny solon’anarana hoe Imanga raha tsy diso aho!
 
Joseclaudio
Eny, Imanga, loko izy io fa ohatra ny tsy dia nahasarika ahy loatra ka naleoko nitazona ilay Joseclaudio ihany.

Arilala
Joseclaudio io tokoa no sonia hita amin'ireo tononkalonao mivelatra eto amin’ny aterineto. Anisan'izany ny tranonkala Vetso Serasera sy ny vondrona Aingampanahy ao amin’ny “facebook”. Inona no nahasarika anao tamin’ireo tranonkala ireo?

Joseclaudio
Ny tranonkala Vetso Serasera dia itahirizako ireo tononkaloko sady ho fampahafantarana ny olona ireo asa soratro. Ny ao amin’ny “Aingampanahy” indray dia fizarana amin’ireo namana ny vokatra asa soratra.

Arilala
Mahafinaritra tokoa izay fitiavana mizara izay, toy izao ataonao ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs izao.  Ahoana indray ny fahitanao an'ity tranonkala ity?

Joseclaudio
Mahaliana aloha izy e, satria ahafahana mampivelatra ny tontolon’ny pôezia.

Arilala
Ianao tokoa avy any Ambositra, misy amin’ireo tononkalonao ve ahatarafana ny maha Betsileo anao?

Joseclaudio
Eny, avy any aho fa hatreto aloha tsy misy ka! Saika amin’ny teny malagasy ofisialy avokoa.

Arilala
Ny famoahana boky indray...

Joseclaudio
Hatreto aloha tsy mbola namoaka e! Fa efa mikasa, izany hoe ny enti-manana no mbola tsy ampy.


Arilala
Ary mba inona ho’aho no nahatonga anao nanoratra e?

Joseclaudio
Fitiavana ny kanto malagasy sy fanohizana ny soratra tsy vitan’ireo mpanoratra fahiny.

Arilala
Izany hoe nisy mpanoratra fahiny nitaiza sy nanolokolo ny ainga efa tao anatinao?

 

 

"misy ainga te hitroatra foana ato amiko"

 

 

 

Joseclaudio
RABEARIVELO sy RATANY no mpanoratra tena ankafiziko ary misy ainga te hitroatra foana ato amiko isaky ny mamaky ny asasoratr’izy ireo aho.

Arilala
Ahoana indray no fahitanao ny firoborobon’ny pôezia ankehitriny?

Joseclaudio
Maro dia maro tokoa ireo mpanoratra amin’izao fotoana izao fa ny lesoka be dia be dia eo amin’ny tsipelin-teny, lasa fitantarana alahelo sy adim-piainana fotsiny fa tsy manaja ilay kanto intsony.

Arilala
Marina izany. Inoako fa manana hafatra ampitaina ho azy ireo ianao.

Joseclaudio
Tsara ny kanto malagasy koa kajio sy hajao fa io no antsika.

Arilala
Ianao tokoa mbola tsy anaty fikambanana hoy isika teny am-piandohana.
 
Joseclaudio
Manam-paniriana aho, fikambanana toa ny Havatsa na Sandratra no mahaliana ahy.

Arilala
Dia mirary anao mba ho tanteraka izay fanirianao izay. Amaranantsika ny resaka ary, mba mangataka andinin-tononkalo iray na roa tsy afaka am-bavanao atolotra ho an’ny mpiserantsika.

Joseclaudio

Tononkalo nosoratako izy ity.

 

“...fony vao niandoha
 ny azy ny hasambarany,
 dia matory tsy mifoha,
 hadinonao ny anarany”
 “misy olona any ho any
 Tsy manadino anao izany


Arilala
Eny ary fa dia misaotra anao ny Pôetawebs tamin’ny fahafoizanao fotoana ho an’ny mpiserantsika.

Joseclaudio
Ianareo no isaorana be indrindra!

Arilala
Mandram-pihaona àry ô!

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/01/2016