Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

09 Febroary 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i Mahery Andriamahandrimanana

Miarahaba ny vahiny ny tranonkala Pôetawebs. Amin'izao fotoana mialoha ny fetin'ny mpifankatia izao dia maro ireo hetsika an-kira sy an-tononkalo ato ho ato. Anisany ny "HANITRY NY FITIA". Raha mbola tsy henonao dia ny DTM no hisehatra azy. Izany indrindra no nahatonga an'i Mahery Andriamahandrimanana mivahiny ato amin'ny Poetawebs.

Ikaloyna Vony
Aleo ilazalaza ny momba azy angamba aloha izy.

Mahery Andriamahandrimanana
Faly miarahaba ny mpikarakara sy ny mpisera rehetra eto amin'ny Pôetawebs. Mahery na i RAFARALAHY Tojohery Tahina Andrivola no ahafantarana ahy. Mpikambana ao amin'ny MPIZAKA Stelarim, Dian-tanamasoandro (DTM), FANTARO ary Anjozorobe sy ny literatiora Malagasy(A.L.MA).

Ikaloyna Vony.
Matoa ianao Mahery tonga eto aminay dia angamba nitondra vaovao ho anay tia ny kanto, inona ary izy io ?
 
Mahery Andriamahandrimanana
Marina tokoa izany tonga eto aho hampahafantatra antsika ny hetsika "HANITRY NY FITIA" izay hatao ao amin'ny IKM Antsahavola ny 13 febroary 2016 ho avy izao, manomboka amin'ny 02 ora tolakandro.
 Hetsika tontosain'ny namana sy Mpikambana Dian-tanamasoandro (DTM) rehetra izy io.

 

''Hanitry ny Fitia"

 

Ikaloyna Vony
Fikambanana Dian-Tanamasoandro hoy ianao teo. Azonao hazavaina ?

Mahery Andriamahandrimanana
Ny fikambanana Dian-tanamasoandro dia vondron'ny mpitia sy mpandala fahendrena, mpikanto izay manana ny teny fanevany hoe: "Tsy ny lalana no natao fahendrena fa ny fahendrena narafitra ho lalana." Fikambanana tarihin'i Brentch Mbolamasoandro.
 Efa dimy taona izay no nijoroan'ny fikambanana ary am-pisantarana ny fahadimy taonany indrindra izy amin'izao hetsika "HANITRY NY FITIA"izao.

Ikaloyna Vony
Azonao asiana resaka kely ve ny momba ny mpikambana ao aminy sy ny raharaha sahanin'ny fikambanana?

Mahery Andriamahandrimanana
Araka ny efa nolazaina teo dia dimy taona izay no nijoroan'ny fikambanana. Nandritra izay dimy taona izay dia maro ireo tonga nanatevin- daharana ny fikambanana satria ny fikambanana dia misokatra ho an'ny sokajin-taona sy ho an'ny sokajin'olona rehetra.

Ankoatra ity hetsika an-tononkalo ity dia mivelatra amin'ny sehatry ny kanto rehetra ihany koa ny fikambanana toy ny tantara an-tsehatra, hira, dihy sns...

Ikaloyna Vony
Hanitra fitia ny anaran'ny hetsika, nahoana no natao 13 febroary ny hetsika ?

Mahery Andriamahandrimanana
Nokendrena mihitsy hifanandrify amin'ny andron'ny mpifankatia ny hetsika mba hitondra hanitra sy hampamerovero ny fitiavana ary izany indrindra no nampisalorana azy ny anarany hoe "HANITRY NY FITIA".


Ikaloyna Vony
Dia ho manimanitra fitia tokoa izany isika. Antsanareo mpikambana ihany ve no ho heno amin'izany ?

Mahery Andriamahandrimanana
Amin'ny ankapobeny aloha dia ny mpikambana no tena mandray anjara betsaka amin'ny hetsika saingy amin'ny maha fetin'ny mpifankatia azy dia tsy maintsy hisy ihany ampaham-potoana hatokana ho an'ireo tia handray anjara.

Ikaloyna Vony
Hisy fahatsiarovana hifampizarana amin'izay hanatrika ve ?

Mahery Andriamahandrimanana
Toy ny mahazatra dia fanaon'ny fikambanana ny mifampizara ny kanto sy mifampizara mari-pahatsiarovana ka ataoko fa tsy ho diso anjara isika amin'io andro io. Eny isika mahita azy fa tongava!

Ikaloyna Vony
Fanontaniana kidaladala, tsy maintsy mpifankatia ve izany vao afaka hanatrika ao?

Mahery Andriamahandrimanana
Tsy voatery ho mpifankatia... Misokatra ho an'ny rehetra ny hetsika satria isika rehetra dia samy manampitiavana, nateraka hitia ary samy afaka mihanoka ny "HANITRY NY FITIA" avokoa.

Ikaloyna Vony
Na dia izahay zokinjokiny koa aza ve?


Mahery Andriamahandrimanana
Eny, mahazo tokoa satria ny "HANITRY NY FITIAVANA" dia toy ny garana ka antitra vao mamerovero, antitra ihany koa vao tsara tsiro e!

Ikaloyna Vony
Araraotina ny fandalovanao eto Mahery, ahoana ny fomba fahitanao ny literatiora malagasy ankehitriny ?  Inona no antony sy ny vahaolana atolotrao ?

Mahery Andriamahandrimanana
Miroborobo fatratra ny literatiora sy ny asa soratra Malagasy. Mila fitandremana anefa manoloana ny fandrosoan'ny teknolojia sy fangalana tahaka ny teny vahiny. Samy tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny fitsipika sy fanajana tsipelina malagasy ny rehetra. Tafahoatra sy mihoapapana mantsy ny fanoratana sy fampitana hafatra an-tsary ka manadino ny abidia isika indraindray. Entanina isika hamaky boky sy hijery ireo tahirin-kevitra ary hikaroka ireo teny Malagasy fampiasa.

Ikaloyna Vony
Marina izany fa antsika rehetra ny andraikitra ka ho famaranana, manana hafatra apetraka aminay ve ianao?

Mahery Andriamahandrimanana
Misaotra sy mankasitraka ny mpikarakara. Fitaovam-pifandraisana voalohany ny teny koa tokony ho saro-piaro isika rehetra. Mbola malalaka ny sehatry ny kanto, indrindra ny tononkalo. Koamanentana antsika handroso hatrany satria velona sy miaina mandrakizay ny teny. Veloma vetivety.

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 09/02/2016