PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 marsa 2017
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja

TIAKO - TIAKO FOANA!
Bokin'i Toetra Ràja

 

Pôetawebs 2017

  Vao avy nankalazaina ny andro maneran-tany momba ny pôezia (21 mars : Journée Mondiale de la Poésie). Mpikolokolo izany pôezia izany no mivahiny eto amin’ny www.lakroa.mg.

Pôety iray nanomboka nanoratra tany amin’ny taona 1983. Toetra Ràja no anarany. Vao avy namoaka boky mitondra ny lohateny hoe "Tiako - tiako foana !", ahitana tononkalo notsongainy tamin’ireo nosoratany tao anatin’ny 33 taona (1983-2016).

 

www.lakroa.mg
Miarahaba an’i Toetra Ràja. Manam-baovao lehibe ho zaraina ianao.

Toetra Ràja
Miarahaba ary misaotra nanasa ahy ato amin’ny www.lakroa.mg. Eny manam-baovao tokoa aho. Namoaka boky mirakitra ny asa soratra notsongaina tamin’ireo nosoratana tao anatin’ny 33 taona. Avelako angaha ho ireo mpamaky no hahatsapa raha lehibe na tsia ny boky "Tiako - tiako foana !". Tiako ny milaza fa mora vakina io boky io. Ny tononkalo ao anatiny dia misosa antsaina fa aza matahotra miroboka ao anatin’ireo takila 148 ao anatiny.


www.lakroa.mg
Inona avy no mety ho hita ao anatin’ireo takila 148 ireo ?

Toetra Raja
Misy ny fanolorana nataon’i Andre Rakotondranaivo mpampianatra izay efa nanoratra boky 96, mialoha ny Ala sarona nataoko nanazavana ny antom-pisian’ireo fizarana telo mandrafitra azy. Andrianasolo Hajaina, filohan’ny Havatsa-Upem sy Narivelo Rajaonarimanana profesoran’ny INALCO any Parisy no nanao ny Teny tsipy famaranana. RanjaSoa Publishing kosa no nanonta ny boky.

 
www.lakroa.mg
Any amin’ny lohateny dia fantatra fa fitiavana no votoatin-dresaka. Fitiavana ahoana moa?

Toetra Ràja
Tsara fipetraka ny fanontanianao amin’ilay hoe votoatin-dresaka. Misy resaka fanadihadiana tokoa mantsy ao fa tsy tononkalo ihany. Tsy amboaran-tononkalo akory io, eny fa na dia ahitana tononkalo 80 aza. Lahatsoratra maro no mampifamatotra ny hevitra sy ny tononkalo maneho ny endri-pitiavana amin’ny lafiny maro toy ny fitiavana soratra sy pôezia, ny akaiky, ny mpiara-belona, ny tontolo iainana, ny Tompo Andriamanitra. Ary raha ny marina dia maro amin’ireo lahatsoratra ireo aza no efa tononkalo koa.

Misy olana anefa ny fitiavana. Ny fizarana faharoa, mifandraika amin’ilay tsipi-panohizana (-) hita ao amin’ny lohateny, no mampisongadina an’izany. Any amin’ny farany no nametrahan’ny mpanoratra lalantsara mankany amin’ny vahaolana tiany hitondrana ny mpamaky ny fihetseham-pony.


www.lakroa.mg
Tsy ialana olana ny fitiavana. Fa misy vahaolana azo aroso ve anefa ?

Toetra Ràja
Marina izany. "Na inona hitranga" no lohatenin’io fizarana faharoa nentina nandalinana ny olana ka nanompanana toerana lehibe ao anatin’ny boky. Ao ny olan’ny fitiavan’olon-droa izay miafara amin’ny "fizaram-pananana". Resin’ny hambony ny maro ka tsy voafehiny ny fefy mamaritra ny tokony ho an’ny tena sy ny akaiky, hany ka misedra sy mampisedra ny bobongolon’ny fiainana izy. Ny fahafatesana aza efa tsy fidiny, ilay fahafatesana lazain’ny mpanoratra fa tokony ho fahavalo tokana iombonana.

Iza moa no sahy hilaza fa tsy efa nomontsamontsanin’ny olan’ny fitiavana ? Vahaolana hoy ianao ? Indro andinin-teny 4, amaliako azy ary ahatsapana ny maha lalina an’izany fitiavana izany.

 
TIAKO - TIAKO FOANA!

Na inona hitranga
na ianao ho moana,
ny alokao ho banga...
Tiako - tiako foana!

Na ianao mitroatra
tsy fantatro nahoana,
fa diso tafahoatra...
Tiako - tiako foana!

Tsy afaka ao am-poko
ao mandavan-taona
ianao mampitoloko...
Tiako - tiako foana!

Fa mbola mibaliaka
ary tsy ho foana
ny hasambarantsika...
Tiako - tiako foana!
Tiako - tiako foana!
Tiako - tiako foana!    

Toetra Ràja
9 oktobra 2015


www.lakroa.mg
Inona no mety ho mampiavaka ny tononkalon’i Toetra Ràja ?

Toetra Ràja
Ny ankamaroan’ny tononkaloko dia misalotra ny angaly antsoina hoe "teny fohy isan’andalana" manara-drafitra, izay heverina fa mora antsaina, misosa vakiana ary mateza eo imolotra sy hotsarotsaroana.

TENY FOHY

Teny fohy,
ary elatra,
hitohy
hielatrelatra
hariva...
ao anaty:
bitsik’iva,
tsy mba maty!

Raha mifoka
rivotr’alina
aho, sodoka-
nofy lalina;
ary injao
fa mifoha,
ho anao,
toa ritso-po!

Tsy miato
manavao...
rarivato
no atao,
efa vonona
izy izao
ka tononina
ho anao.
 
Toetra Ràja
12 aogositra 2005

 
www.lakroa.mg
"Efa vonona izy izao", hoy ianao. Aiza no mety ahitan’ny mpanjifa ny boky ?

Toetra Ràja
Napetraka any amin’ny tranomboky vitsivitsy eto Antananarivo ny boky : Bibliothèque Nationale ao Anosy, Archives Nationales ao Tsaralalàna, Cemdlac, ao amin’ny Faribolana Sandratra sy Havatsa-Upem (Tahala Rarihasina Analakely). Raha maniry ny hanana ho anao manokana ianao dia manorata amin’ny mailaka toetraraja@yahoo.fr  na mandefasa hafatra miafina ao amin’ny Facebook (Toetra Ràja).

Ao amin’ireo fitaovan-tserasera ireo isika afaka mivalampatra tsara miresaka mangina.

www.lakroa.mg
Azonao lazaina ve ny fotoana mampivelatra ny aingam-panahinao rehefa mamorona tononkalo ?

Toetra Ràja
Tongatonga ho azy eny ny aingam-panahiko fa matetika rehefa irery iny aho dia lasa lavitra tokoa ny eritreritra. Antsaina ao anaty sahady ny andalana, averimberina sy tsakotsakoina ao anaty ho tonga voninkazo marina. Rehefa teraka ny fahafaham-po vao raisina ny penina ialana amin’ny fanadinoana satria amiko manokana dia harena ny aingam-panahy ka tsy tokony hotobatobaina sy ho verivery ho azy.


ANDALAN-TENY

Andalan-teny
tongatonga
ho azy teny
no nanonga

ka nanjary
voakaly,
voarary
hampifaly!

Nokoloina
ary indrindra
nolokoina
mba hirindra,

hierinerina
an-kavoana,
averimberina
eny foana.

Toetra Ràja
25 jolay 2007

 

www.lakroa.mg
Misy sehatra na lafim-piainana mahasarika anao kokoa ve, toy ny fitiavana na tontolo manodidina na fiaraha-monina na politika na hafa?

Toetra Ràja
Mahasarika ahy avokoa ireo voatanisanao ireo ary samy tafiditra ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" avokoa. Ny politika kosa aloha tsy idirako mivantana. Fa andeha ampiako kely ny lisitra : fitiavana an’Andriamanitra.


www.lakroa.mg
Firy ny tononkalo nosoratanao ? Ary efa azo ambara sahady ve rahoviana indray ny boky manaraka ?

Toetra Ràja
Tsy haiko loatra ny manisa ireo tononkalo efa voasoratro voatahiry any am-bata ary sarotra amiko ny hilaza aminao hoe rahoviana indray ny boky manaraka. Ny fantatro aloha dia eo ampanomanana boky iraisana amin’ny Havatsa-Upem foibe aho ho fanamarihana ny faha-65 taonan’ny fikambanana ary boky iray hafa ihany koa iarahana amin’ny Havatsa-Upem sampana Frantsa ho an’ny faha-15 taona. Ankoatra ireo dia efa andalana ny bokim-pikarohana iray lehibe imasoan’ny profesora sy poety zokiny ao Parisy ao ka mba anisan’ny tafiditra ao ny tononkaloko vitsivitsy. Noho ny hasarobidin’izany boky izany dia noferana tsy hilazalaza ny andinindininy aho aloha.


www.lakroa.mg
Manoratra zavatra hafa ankoatra ny tononkalo ve ianao ?

Toetra Ràja
Tononkalo no tena ironan’ny foko. Fa amiko manokana dia mpanoratra lahatsoratra koa aho araka ny hita ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" sy ny tranonkala http://poetawebs.e-monsite.com/ anompanako fotoana maro.


www.lakroa.mg
Tonga dia nihazakazaka tany amin’ny resaka boky isika hatrany am-boalohany kanefa tsara ho fantatra ihany, iza moa i Toetra Ràja eo amin’ny fiainana andavanandro ?

Toetra Ràja
Mety mihitsy ny fomba nitarihanao ny resaka Jacques Ranaivo satria rehefa mifankahita ny olona dia mifanontany hoe "inona ny vaovao?". Mazava anefa fa ny boky no tena vaovao amiko.

Eo amin’ny andavanandro dia raim-pianakaviana i Toetra Ràja, izany hoe manam-bady ary manan-janaka roa. Toetra Rajaonarivony no anarany ara-panjakana. Mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem sy ny tranonkala Pôetawebs izy. Manana teny indraim-bava momba ny Pôetawebs aho raha sitrakao. Tamin’ny 2009 ity tranonkala entina manandratra ny Pôeta sy ny pôezia malagasy ity no natsangana. Tsy fametrahana asa soratra akory izy fa fampielezana tatitry ny hetsika tononkalo, fanadihadiana, fanaovana tapatapakahitra (100 eo ho eo hatramin’ny androany) ary famakafakana tononkalo.


www.lakroa.mg
Ny hafatrao ho an’ny olona te hanoratra ?

Toetra Ràja
Mifanerasera amin’ny mpanoratra tanora maro aho amin’ny alalan’ny fikambanana Havatsa-Upem misy ahy sy ny Pôetawebs. Maro tokoa izy ireo saingy manahy ihany aho sao dia misy ny fihazakazahana haingana loatra hamoaka tononkalo sy boky.

Raha tononkalo manaja fitsipika no atao dia mitaky sivana ara-tsipelina aloha izany izay vao avoaka. Aza atao voninahitra ny fampiasana "licence poétique" ho toy ny angalim-panoratana fa tsy mahasoa ireny. Ny asa soratra pôety mantsy dia tokony ho anisan’ny tarafin’ny mpianatra teny malagasy.


www.lakroa.mg
Mazava ny resaka Toetra Ràja. Misaotra anao nitafatafa teto amin’ny www.lakroa.mg. Mbola hihaona eto ihany isika. Mirary herinandro milamina ho anao.

Toetra Ràja
Misaotra indrindra ny www.lakroa.mg nampiantrano sy nanome toerana mampilamina ny vahiny. Mirary soa !

www.lakroa.mg

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 13/06/2020