Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Febroary 2016

Tapatapakahitra : Ramiary sy Diary no vahinin'ny Pôetawebs
 

Diary sy Ramiary dia Mpikabary, Pôeta koa anefa, ka izany indrindra no nahaliana ny Pôetawebs nihaona tamin'izy ireo izay manan-kambara momba ny fihaonan'ny kabary sy ny pôezia.  Ambonin'izay dia fantatsika fa hiaka-tsehatra tsy ho ela izy ireo. Ikaloyna no nitoto nahafotsy ny tapatapakahitra.

Ikaloyna
Miarahaba anareo mirahalahy, tonga soa aty aminay!

 

 

Ramihary
Salama o!

Dia
Miarahaba antsika rehetra!

Ikaloyna
Izy ireo no hampahafantatra amintsika ny mombamomba azy avy.

Ramihary
Randrianaivo Tolotra no tena anarako... Ramihary no solonanarako ao anaty asa soratra... Pôeta Mitaria no solonanarana nomen'ny Ministera taorian'ny nandraisana anjara tamin'ny boky tononkalo ROMBOM-PANAHY izay niarahana tamin'ireo pôeta namana maromaro.
Avy ao amin'ny fikambanana Avaradrano Mikabary.

Dia
Randriamiharisoa Tiana Lalaina na DiaRy! Manandratra kosa no anarana nomen'ny Ministera taorian'ny hetsika namoahana ny boky ROMBOM-PANAHY 1.
Vondrona Mpikabary Lova LMA rantsana FIMPIMA

Ikaloyna
Saikatra ihany ny tena fa manoloana mpikabary roalahy, ianareo koa anefa Pôeta.
Inona no maha samy hafa ny kabary sy ny pôezia, mifanohitra ve sa mifameno ireo?

Ramihary
Azo ambara ho toy ny kambana samy hafa ray ireo. Toa samy hafa nefa toa iray ihany. Ny pôezia dia anisan'ny amin'ny singa mandrafitra sy manaingo ny kabary.
Samy kanto izy ireo fa ny pôezia dia  malalaka sy natao ampitana hetaheta na ventsoventsom-po sy hitantarana ny zava misy. Atsy andaniny, ny kabary kosa dia lahateny manara-drafitra natao hampitan-kafatra sy hilazam-baovao.

Izany hoe, samy kanto izy ireo. Samy asa soratra avoaka amin'ny alalan'ny teny.
Toy ny aponga be sy ny langoraona ireo ka na samy hafa aza, afaka mifameno...

Porofon'izany ny kabary pôezia izay fampiasan'ny mpikabary sasantsasany. Maro no mampiasa an'io eto Iarivo.


Ikaloyna
Ary ahoana ny hevitr'i Diary ?

"Sakamalaho sy havozo ny pôezia sy ny kabary ka samy manana ny maha kanto azy!"

Dia
Sakamalaho sy havozo ny pôezia sy ny kabary ka samy manana ny maha kanto azy! Malalaka kokoa ny pôezia noho izy miresaka ny fiainana andavanandro amin'ny ankapobeny! Ny kabary kosa dia lahateny amin'ny feo avo, voarindra sy manara-drafitra. Samy arakararaky ny votoatiny no hiantsana azy roa.

Ikaloyna
Izahay tsy mpikabary fa izany kabary izany ve misy famoronana sa hoe tonga dia misy raikipohy? Asa iza no afaka mamaly an'izay?

Dia
Tsy dia hoe raikipohy loatra fa amin'ny maha lahateny manara-drafitra ny kabary dia tsy maintsy manaraka ny rafitra izany izy. Malalaka arak'izany ny famoronana mba hahakanto azy fa tsy mivoana amin'ny drafitra.

Ikaloyna
Ianareo moa sady mpikabary no Pôeta ka eo amin'ny pôezia, misy namana izay niteny hoe "ny tsy itiavako ny pôezia dia ianao fohaziny amin'ny alina be, marina ve izany?

Dia
Arakaraky ny fotoana manainga ny fanahy hanoratra pôezia no hamohazany ny pôeta iray, fa tsy voatery amin'ny alina be.


Ikaloyna
Ianareo moa matoa tonga miantrano eto amin'ny tranonkala dia mitondra vaovao. Arosoy àry fa mangetaheta ny mpanaraka ny Pôetawebs.

"fo vato mafy orina, vato fototry ny tena fitiavana!"

Dia
"FO  VATO", io no lohatenin'ny hetsika hotontosaina ny alarobia 2 martsa 2016 ao amin'ny efitrano lehibe CEMDLAC Analakely manomboka amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro! Antsa tononkalo somary miendrika hatsikana, indraindray toa toriteny tampoka amin'ny endrika fo vato, fo vato mafy orina, vato fototry ny tena fitiavana!... Iarahanao amin'ny i Feno Tolotra Ramihary, Ragasy ary Diary.

Hisy ny rakitsary hamidy amin'io! Antsa an-tsary! Amin'ny vidiny mirary! Miaraka amin'ny vidim-pidirana 0 ariary monja! Tongava maro fa tsy miantsa tsy misy mpijery izahay! Hahaha! Vazivazy ihany izany a!

Ikaloyna
Angaha I Gloriah tsy anisany?

Dia
Nohon'asa aman-drahafaha dia efa nandefa fialan-tsiny ny namana Gloria amin'ny tsy fahafahany!

Ikaloyna
Moa tsy Pôeta tao amin'ilay angaredona ROMBOM-PANAHY andiany voalohany avokoa ve ireo? Misy antony ve izany ary azo atao hoe tratra ve ny tanjon'ny ROMBOM-PANAHY?

Dia
Amin'ny ankapobeny dia efa somary mahatazana ny tanjona ihany ny ekipan'ny ROMBOM-PANAHY fa ny fampivelarana azy manerana an i Madagasikara izao no tanjona manaraka. Azo nofinofisina ny hahatongavany hatrany am-pitan-dranomasina.

Ikaloyna
Inona ny nahatonga an'ilay lohateny hoe "FO VATO"? Ramihary angamba no hamaly izay?

"Fa izahay dia MPAMAKY VATO, izany hoe, hampody ny fo vato ho nofo"

Ramihary
Misaotra! Efa betsaka ny fanazavan'i Diary teo aloha fa hanampiako azy dia ny hoe, FO VATO, raha ara-bakiteny dia olona mafy fo. Tsy miantsa olona, mpitana alahelo sns. Fa izahay dia MPAMAKY VATO, izany hoe, hampody ny fo vato ho nofo, ho feno fanantenana sy ho velontsika. Ka aorian'ny hetsika sy ao anatiny dia hianoka tanteraka izay manana fo vato ka ny kanto no hanova azy ho fo nofo.

Ikaloyna
Hafakely! Nanahoana ny fanomanana? Hisy boky moa?

Ramihary
Tsy hisy boky fa CD no misy. Amidy amin'ny vidiny 3000 ariary. Efa mipetaka ny afisy eny amin'ny CEMDLAC, TAHALA RARIHASINA sns.

Ikaloyna
CD mirakitra sary sy feo ve? Inona ny nahatonga anareo mpikarakara hisafidy izay raki-tsary sy na feo izay fa tsy boky?

Dia
VCD no hamidy, izany hoe mirakitra sary sy feo! Natao izany mba hanamora ny fampitana ny hafatry ny Mpamaky Vato, hanamaivana sy hanasitrana ny fanaintainan'ny otrik'aretina FO VATO.

Ikaloyna
Mahafinaritra! Ho feno tokoa izany ny hetsika satria ho hita amin'io fotoana io ny tononkalo, kabary, hatsikana. Ary ny hira, iza no handravaka sa ianareo ihany?

Ramihary
Ny AVARADRANO MIKALO. Hanao fako-drazana. Ary hisy mpihira tsy ampoizina ho avy ao.

Ikaloyna
Ahoana ny fahitanareo ny zava-kanto vita avy amin'ny teny ankehitriny raha mitaha amin'ny hira tany aloha?

Dia
Ny hira sasany ankehitriny dia hira fe hira fa tsy dia misy loatra hafatra lalina raiketiny! Ny zavakanto vita amin'ny teny kosa ankehitriny dia manomboka malalaka kokoa, mazava sy mora takarina ny heviny. Tsy dia mipetraka intsony ilay fanontaniana zary vazivazy hoe inona no tian'ny mpanoratra ambara?

Ikaloyna
Manana vahaolana azo atolotra ve ianareo?

Dia
Ny vahaolana azo atolotra eo amin'ny lafin'ny hira dia mila fidiana ny hira henoina sy ankafizina ary indrindra ibeazana! Eo amin'ny lafin'ny teny indray dia mila manana ny voambolana rehetra ny mpanoratra izany hoe mila manana ny voambolana tranainy sy maoderina mba hahafahana maneho malalaka sy amim-pahamatorana ny hafatra entin'ny soratra.

Ikaloyna
Marina izany! Dia ho Ambohimpihaonan'ny kanto sy ny mpankafy izany io andro io.

Ramihary
Misaotra tompoko o!

Dia
Manentana antsika rehetra ho tonga! Miandry anao ny KANTO!


Ikaloyna
Mandra-pitafa tompoko!

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/03/2016

×