Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 Martsa 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i MEVA

Poeta lehilahy indray no vahinin'ny Poetawebs. Izany dia mifanandrify amin'ny hetsika tononkalo andraisany anjara antsoina hoe TRITRIVA. I Doda Razafindravelo izay poeta ihany koa moa no nandray azy.


Doda Razafindravelo
Miarahaba anao Meva tonga soa eto amin'ny tapatapakahitra!

Meva Rakotonjanahary
Miarahaba anao sy ny mpisera ary faly indrindra mivahiny ato ihany koa.


Doda Razafindravelo
Meva, afaka lazainao anay ve aloha hoe iza ianao?

Meva Rakotonjanahary
Rakotonjanahary Meva Mahenintsoa! Lehilahy, poeta, mpilalao tantara an'onjampeo, mpilalao an-tsehatra. Raim-pianakaviana. Kamboty ray; velon-dreny.


Doda Razafindravelo
Anatin'izay talentanao izay indrindra, misy hetsika ahitana anao ato ho ato, azonao lazaina anay ve ny mahakasika izany?

Meva Rakotonjanahary
"TRITRIVA", angano tranainy iray, anganom-pitiavana! Efa diso fantatry ny maro. Hovelominay poetan'ny ankehitriny tafara-dalana ao amin'ilay festival "ROMBOM-PANAHY". Etsy Anosy, ao amin'ny "Cercle Franco Malagasy", amin'ny sabotsy ho avy izao. Asehonay amin'ny alalan'ny tononkalo voarindra haneho tantara!
Ho avy ao koa ny "KALA THEATRE", izay fantatra amin'ny fanaovana hira sy dihy fampitan-kafatra. Izy ireo koa hiseho an-tsehatra.

Doda Razafindravelo
Izany hoe ny tantaran-dRabeniomby sy Ravolahanta ve izany no haseho amin'ny fomba kanto amin'io TRITRIVA io?

Meva Rakotonjanahary
Izany hoe "angano iray" fa fanehoana roa samy hafa no haseho amin'io.


Doda Razafindravelo
Maromaro ireo endrika hita amin'ny petadrindrin'ny TRITRIVA. Azo fantarina ve ohatra ireo mpilalao fototra?

Meva Rakotonjanahary
Meva no Rabeniomby. Dielo Keni no Ravolahanta. Rima sy Hanitra Olive no ray sy reny.

 

  

 

 

 

 

 

 

Doda Razafindravelo
Misy hifandraisany amin'ny Rombom-panahy andiany faharoa hono izy io?

Meva Rakotonjanahary
Ny vola azo dia hoentina iantohana ny saram-pivahinian'ireo poeta avy eto Antananarivo ho any Antsirabe, hanatrika ny "Rombom-panahy II"


Doda Razafindravelo
Raha azoko tsara dia hisy vidim-pidirana izany amin'io hetsika TRITRIVA io? Ary aiza no hahafahana mandray ny tapakila?

Meva Rakotonjanahary
5000ar ny billet. Any an-tsikinan'ny poeta Rombo II ny tapakila. Mbola misy koa afaka jifaina amin'ny andron'ny fampisehoana! 15000ar kosa ho an'ireo notsongaina.


Doda Razafindravelo
Rahoviana no hanatanterahana io "Rombom-panahy II" io?

Meva Rakotonjanahary
Amin'ny 8/9/10 aprily ho avy izao. Anton'ny safidy hoe Tritriva no avoitra.


Doda Razafindravelo
12 Martsa ny Tritriva, 8 aprily ny Rombom-panahy II. Tena mifanakaiky kely o? Manao ahoana ny fanomanana? Ary azonao ambara ihany koa ve ny amin'ireo mpanohana raha misy?

Meva Rakotonjanahary
Izay aloha e!
Ny mpanohana tsy misy! Fa ny mpanao tsilazaina no betsaka! Ny fanomanana mafotaka! Mampanantena seho kanto izahay. Eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Asatanana ary ny OFNAC ity hetsika ity.


Doda Razafindravelo
Eny ary, mirary fahatanterahana soa ny amin'ny "TRITRIVA" sy ny "ROMBOM-PANAHY II" ary mankasitraka an'i Meva nitapatapakahitra ny Poetawebs!

Meva Rakotonjanahary
Mankatelina ny Poetawebs nandrindra dinidinika mahasoa!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/03/2016

×