Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 Martsa 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i Batsola Silapanahy

Sambatra hono ny mponina amoron-tsiraka fa raha tsy misonanina eny amin'ny tora-pasika dia mialokaloka eny am-body voanio, raha torovana tsotsofin-drivotra raha noana mitono hazan-drano. Fa sambatra sy tretrika kosa izahay eto amin'ny Poetawebs mandray vahiny sady kanto meva no soa dia ramatoakely BATSOLA SILAPANAHY.


Lea Fandresena
Tongasoa ianao!

Batsola Silapanahy
Salama aby isika ato ary! Mankasitraka indrindra amin'ny fanasana!
 

Lea Fandresena
Mba ampahafantaro amin'ny mpisera ary ny mombamomba anao.

Batsola Silapanahy
Eny ary! BATSOLA SILAPANAHY dia teraka ny 13 MAI 1999; anarana anaty kanto isaloran-dramatoa RATOBISAONA Siliarimino Lanto Seheno Rina; miangaly ny famoronana tononkalo sy sombin-tantara ary tantara foronina; mpikambana ao amin'ny MPIZAKA STELARIM nanomboka ny taona 2007; mpikambana ao amin'ny TSANTA nanomboka ny taona 2015.
Efa niara-namoaka ny boky VATOLAHIN-TSORATRA teo anivon'ny Poetan'ny MPIZAKA.


Lea Fandresena
Azonao hazavaina ve ny nahatonga io solon'anaranao io azafady?

Batsola Silapanahy
Eny! Isaky ny mifanatsafa amin'ny olona aho dia misy manontany hoe: misy hifandraisany amin'i AMINA BATSOLA ve? Tsia avy hatrany no valiny!


Lea Fandresena
Fa ahoana ary e? hihi!

Batsola Silapanahy
Ny BATSOLA, anarana fiantsoana ahy faha adolan-tsento dia entiko mandrak'ankehitriny ato anaty asasoratra. Ny SILAPANAHY kosa dia azo heverina hoe avy amin'ny silaka + fanahy. Tsy ho feno na oviana na oviana mantsy ny mahakanto ny asa iray raha tsy eo ny mpakafy manovona azy ho iray. Niniana nodisoina tsipelina izy io mba hananany endrika kanto kokoa sy miavaka amin'ny mahazatra.

Lea Fandresena
Maro be ny asa soratra vitanao tsy mionona amin'ny lohahevitra iray. Inona ny hevitra tianao ampitaina amin'ny HAY VE?

Batsola Silapanahy
Amiko tsy voafetra ao anatina sehatra na lohahevitra tokana ny asasoratra na toa hita ho mibahan-toerana aza ny resaka FITIAVANA. Tononkalo maneho fahatsapana ny fahalemena ezahin'ny lehilahy afenina ny HAY VE?

Tsapa ny fitanondrehana rehefa tojo olana ara-pitiavana kanefa dia miseho ho mafy sy mahery ny lehilahy.


Lea Fandresena
Manindrona lehilahy ianao satria vehivavy mitraka foana angamba na sanatria voadona aza? Inona ary aminao no atao hoe poeta satria nanontany izany mantsy ianao tao amin'ny tononkalonao hoe IZA IREO POETA ?

Batsola Silapanahy
Tsy hoe satria vehivavy; fa milaza ny zava-misy fotsiny tahaka ny hita ao amin'ny HIADY ZO izay manome tsiny ireo vehivavy manao amboletra amin'ny zavatra sasany izay tsy tokony ho takiana akory. Samy manana ny famaritany ny hoe POETA ny tsirairay avy.

Lea Fandresena
Aminao manokana?

Batsola Silapanahy
Ny hevitro manokana dia izao. Ny antsoina hoe POETA dia ireo izay mahay maneho ny zava-misy amin'ny endrika kanto, mahaliana, mandona fo, mihataka amin'ny mahazatra ary mahay mandray ny toeran'ny sokajin'olona rehetra... Tsy feno ary tsy ampy izay famaritako izay fa eo ianareo mpakafy hameno sy hanovona azy!


Lea Fandresena
Ianao ato amin'ny tononkalo HIOVA FO! dia mivavaka sy manao fianianana. Inona no antony mahatonga izany?

Batsola Silapanahy
Satria izay no fihetseham-po nananana teo am-pamoronana ny ainga ankoatra ny maha efa faniriana azy.


Lea Fandresena
Tena be mpankafy anaty tononkalo ny resaka fitiavana. Afaka manao tononkalo ilay ve ianao miampy fanazavana?

Batsola Silapanahy
Eny ary koa!

GIAZAKO...

eny, tsy avelako hitroatra,
sakanako tsy hivoaka
tampenako tsy hiloaka
izay anaty foko!
...
dia tsy ho henoiko intsony
izay mba ngotingotiny
sy mba nofinofiny!
...
ho giazako malala a,
na aza fery manadala
no sisa ijanona ao
...
na mbola tiako ianao
dia ho ferako ny aminy!
tsy ho jereko ny tomaniny
fa fo adaladala

s.batsola
 

Fanazavana.
Matetika rehefa mitia mangina na nisaraka tamin'ny olon-tiana dia samy mahatsapa io avokoa na ny lahy na ny vavy saingy samy miforitra anaty, miaina irery ny fery ao am-po na maniry hiaina sy higoka fahasambarana anilan'ny tiany aza.

 

Lea Fandresena
Fitiavana anie toy ny afo ka raha kobonina mahamay e! Hihi! Mankasitraka indrindra fa avadika ny tafa. Azonao lazaina ve ny momba ireo fikambanana roa misy anao ireo?
 
Batsola Silapanahy
Eny. Ny MPIZAKA dia fikambanana misy eo anivon'ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy eny amin'ny anjerimanontolo. Teo aloha dia ny mpianatra tao amin'ny sampana ihany no mpikambana tao saingy efa novaina izay lamina izay ka izay Malagasy mankafy sy mandala ny kanto malagasy dia afaka miditra ho mpikambana. Mbola eny anivon'ny Anjerimanontolo no misy azy aloha hatreto. Ahitana sokajy vitsivitsy ny ao amin'ny MPIZAKA dia ny sokajy hira, teatra, soratra, kabary sy hatsikana.
Mpiangaly Zava-Kanto no fanalavana ny hoe MPIZAKA.
 
Ny fanalavana ny TSANTA indray dia hoe "Tiako Sy Andrianiko Ny TENIKO Sy Taniko". Ny TSANTA ihany koa dia vondron'ny mpiangaly ny famoronana tononkalo. Tsy voatery ho mpanoratra akory vao afaka miditra ho mpikambana ao fa izay rehetra liana amin'izany sehatra izany. Andriamatoa AINA NIRINA no filoha mpanorina ny TSANTA.

Raha fintinina dia samy misokatra ho an'ny sokajin'olona rehetra liana sy mandala ny kanto malagasy ireo vondrona ireo; mifanabe sy mifanolokolo amin'ny fanandratana ny teny malagasy


Lea Fandresena
Mitondra vaovao ho anay ianao amin'ny fahatongavanao eto aminay izao. Hiantsehatra ianao. Tantarao hoe?

Batsola Silapanahy
Manam-pikasana hanao seho an-tsehatra tsy ho ela ireo vondrona roa ireo ato ho ato; ifampitana ato anaty tambazotra ihany ny mahakasika izay. Ny azoko ambara fotsiny dia ny hoe: ho avy tsy ho ela!


Lea Fandresena
Ho famaranana ny tapatapakahitra ary dia ahoana ny fahitanao ny teny malagasy sy ny tanora ary ny fanatontoloana amin'izao fotoana izao?

Batsola Silapanahy
Misedra olana goavana ny teny malagasy ankehitriny raha ny zava-misy no jerena; mihavitsy ny mahay manoratra sy miteny ity tenintsika ity araka ny tokony ho izy satria miha mahazo vahana ny fanafohezan-teny sy ny fanovana isankarazany...

Tokony hitondra tombon-tsoa ho an'ny tsirairay ny fandrosoana entin'ny fanatontoloana raha hay ny mampiasa azy araka ny tokony ho izy.

Tsapa ihany koa fa mihavitsy ny Malagasy liana amin'ny vaky boky ankehitriny.


Lea Fandresena
Mankasitraka anao izahay nitafatafa naharitra tato dia mankatelina tamin'ny valinteninao ary mirary soa anao hatrany amin'izay atao rehetra.

Batsola Silapanahy
Mankasitraka antsika rehetra! Mirary ny soa sy ny tsara indrindra! Ho ela velona anie ny TENY MALAGASY
 

Lea Fandresena
Misaotra tompoko!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/03/2016