Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Martsa 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i TSANTA MIKANTO

Hanatanteraka hetsika antsan-tononkalo ao amin'ny CEMDLAC Analakely ny sampana Malagasy ENS eny Ampefiloha ny 30 aprily 2016 izao.
Tafahaona tamin'ny iray amin'ny mpikarakara izahay izay tanora dia tanora tokoa.

Tsanta Mikanto no anarany. I Toetra Ràja no mitapatapakahitra miaraka aminy.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Tsanta Mikanto. Fahasalamana? Te hahafantatra anao ireo mpiseran'ny

Pôetawebs.

Tsanta Mikanto
Misaotra, salama tsara! RANAIVOHARILALA Tsanta Mahefasoa no tena anarako,

Mpanoratra avy ao amin'ny Sampana Malagasy ENS, mitondra ny solon'anarana "Tsanta Mikanto".


Toetra Ràja
Tanora dia tanora tokoa ny fahitako anao izany. Efa namoaka boky na niantsehatra ve?

Tsanta Mikanto
Zazalahy 20 taona aho. Mbola tsy namoaka boky irery satria amiko dia zava-dehibe izany ka tsy tokony atao alasafay. Mila fiomanana aman-taonany maro mba hipetrahan'ny soratra voakaly tsara ao aminy... Tsy mbola hieritreritra hamoaka boky mihitsy aloha fa ny hetsika an-tsehatra no ezahako atao araka izay tratry ny hery.

Toetra Ràja
Ho resahintsika izay sehatra izay fa araka izao taonanao tanora izao, anisan'ny mpanaja fitsipi-pitenenana ve ianao rehefa manoratra?

Tsanta Mikanto
Amin'ny maha mpianatra mandalina ny teny malagasy ahy manokana dia miezaka manaja fitsipika foana aho, na ny "licence poetique" aza tsy fampiasako raha tsy hoe efa tsy fidiny. Na dia nianarana ihany koa aza izany dia tsy dia tiako ampiasaina satria ny mpanoratra no tarafin'ny olona amin'ny fomba fanoratra matetika, indrindra rehefa voavoaka boky ny asa soratra.


Toetra Ràja
Betsaka mpampiasa anefa ireny "licence poétique" ireny ankehitriny!

Tsanta Mikanto
Amiko aloha raha toa te hampiasa ny "licence poetique" ny tanora dia mila mahafehy sy efa manana traikefa amin'ny resaka tsipelina sy ny asa soratra  aloha, izany hoe mila mianatra ny fototry ny soratra. Tsy voatery ianarana any ampianarana izany fa azo rantovina tsara anaty boky sns... Raha ampitahaina amin'ny kanto hafa izany, ny mozika ohatra, dia mila mahay sy manana traikefa vao tokony hanao fitendry "jazz". Ny tena marina dia maro ny pôeta tanora no maka tahaka be fahatany ny namany, na ny mpanoratra ankafiziny eo amin'ny fomba fanoratra. Kanefa ny olana dia mety tsy fantatra akory ny antony nampiasan'ny hafa ilay izy, izay mety ho fanenjehana ngadona sns... Izany hoe lasa amin'ny tsy tokony hampiasana azy ilay izy.

Ny licence poetique dia mety hanimba ny tontolon'ny soratra raha atao be fahatany amin'ny tsy tokony ilana azy

 

Toetra Ràja
Azonao hazavaina àry ve azafady ny fotoan-dehibe amin'ny alarobia izao?

Tsanta Mikanto
Amin'ny Alarobia 30 Martsa 2016 ho avy izao ao amin'ny CEMDLAC Analakely dia misy hetsika mitondra ny lohateny hoe "ARY NISY KALO" handraisako anjara miaraka amin'ireo pôeta namana avy ao amin'ny Sampana Malagasy ENS ihany.

 

 

 

Toetra Ràja
Io mihitsy izany no sehatra voalohany andraisanao anjara?

Tsanta Mikanto
Efa nanao hetsika an-tsehatra maromaro aho teo aloha. Anisan'izany ny "Santatra Antsa" natao tao amin'ny IKM Antsahavola tamin'ny 2015 sy ny "Antsa sy Tafasiry" natao teny amin'ny Petit Amphi ENS.


Toetra Ràja
Anisan'ny mpiandraikitra an'io hetsika amin'ny alarobia io ve ianao?

Tsanta Mikanto
Azo lazaina fa isan'ny mpitarika aho ka!


Toetra Ràja
Milamina ve ny àry ny fanomanana àry e! Misy mpampianatra malagasy manampy anareo ve ohatra?

Tsanta Mikanto
Ny fanomanana aloha azo lazaina efa milamina tsara. Efa famerenana ankapobeny sisa no atao. Misy mpampianatra literatiora mihitsy, izay sady mpanoratra ihany koa no nanitsinitsy izay tena tsy nety nataonay. Io mpampianatra io koa dia mitarika mpihira mpamelona hira teatraly, izay hanaingo ny antsanay, ny "TAFASIRY KOLOKANTO" moa izany e!


Toetra Ràja
Inona avy tokoa moa ny zavatra asehonareo?


Tsanta Mikanto
Antsa tononkalo no ataonay. Tsy antsa fe antsa toy ny mahazatra anefa ilay izy fa noezahina nasiana fihetsika sy haingon-tsehatra fanehoana. Araka ny efa voalaza teo dia hisy hira Teâtraly (kalon'ny fahiny) ataon'ny TAFASIRY KOLOKANTO manelanelana ny fizarana, manomboka ary mamarana azy!

 

 

Ny TAFASIRY KOLOKANTO dia mpihira avy ato aminay ato amin'ny Sampana malagasy ENS ihany. Mbola tanora daholo na izahay poeta, na ry zareo mpihira.


Toetra Ràja
Iza avy ianareo no hiantsa amin'izany?

Tsanta Mikanto
8 mianadahy izahay no hamelona ny antsa : Ranoly, Adhjan, Anna Zaela, Mielin'Anja, Lov'aina, Ranja Hery Mayam, RMTEP ary ny tenako Tsanta Mikanto.


Toetra Ràja
Ary karazana mpijery inona no kendrenareo?

Tsanta Mikanto
Ny mpijery kendrenay dia ny olona tsy ankanavaka, na iza na iza, satria ny asa soratra tsy literatiora raha ho an'olom-bitsy tahaka ny niandohany tamin'ny vanim-potoana kristianina.
Fa raha ny sitraponay aloha dia ho feno tanteraka ny efitrano.


Toetra Ràja
Ahoana ny fomba ampielezanareo ny hetsika?

Tsanta Mikanto
Ny peta-drindrina sy ny facebook no tena nezahinay hanentanana olona. Ankoatra izay dia nandefa lahatsoratra tamin'ny gazety vitsivitsy izahay!


Toetra Ràja
Gazety inona ary ahoana ny sarany?


Tsanta Mikanto
Gazety midi, Basy Vava, Marikoditra. Maimaimpoana daholo satria lahatsoratra no nataonay fa tsy dokambarotra akory.


Toetra Ràja
Asio resaka kely hoe ny sampana malagasy eny amin'ny ENS.

Tsanta Mikanto
Izahay mpikarakara dia nahatsapa sy nahita fa marobe ny mpanoratra ao anatin'ny sampana malagasy eny amin'ny ENS. Ny ankizy izay efa matomatotra dia lasa mankany amin'ny Havatsa na Faribolana Sandratra. Ireo zandriny kosa dia tsy mba afaka mivelatra satria tsy misy ny fifanakalozana. Teo indrindra no nahatongavan'ny eritreritr'olom-bitsy hoe:

"Andao hanao hetsika iraisana ho an'izay mazoto, ary rehefa vita ny hetsika dia hanagana fikambanan'ny mpianatra ao anatin'ny sampana, izay mpanoratra rehetra no tanjona".

Rehefa tafajoro ny fikambanana dia ny fifanakalozana mba hitomboan'ny traikefa, sy ny fivelaran'ny pôeta tsirairay no tanjona, ary indrindra indrindra ny fampiroboroboana sy fikajiana ny literatiora malagasy.

 

Toetra Ràja
Mazava tokoa ny momba ny fikambanana. Mazava ny fampisehoana. Misaotra anao ny Pôetawebs Tsanta Mikanto nitondra fanazavana teto. Mirary fahombiazana tanteraka ho an'io hetsika io sy ho anao manokana.

Amiin'ny alarobia izany ny fotoana!


Tsanta Mikanto
Ao amin'ny CEMDLAC Analakely amin'ny roa. Mankasitraka ny Pôetawebs tompoko!

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/03/2016

×