Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

29 Aprily 2016

TSIKY RAKOTOMAVO, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Tsiky Rakotomavo dia Lehiben'ny Sampandraharaha Misahana ny Teny sy Soratra ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Asatanana (MKA). Niandraikitra ny tsikeran'ny boky navoaka tamin'ny Rombom-panahy 2 izy, niaraka tamin'i Ra-Phi (Sandratra ao Antsirabe). Izy ihany koa no efa nitsikera ny Rombom-panahy 1 niaraka tamin'i Nalisoa Ravalitera sy Niry-Solosoa ary Ranoe. Nanatona azy ny Pôetawebs, araka izany, ka namaliany ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

Toetra Raja
Miarahaba anao tompoko. Raha tsy mahadiso dia sitrakay Pôetawebs ny hanontany anao ny zava-nitranga tamin'ny fotoanan'ny tsikera tamin'iny Rombom-panahy 2 tany Antsirabe iny.

Tsiky Rakotomavo
Miarahaba anao Toetra Raja.
Efa nitsidika ny tranokalan'ny Pôetawebs aho amin'ny fikarohana ataoko ary efa tsy vaoavao amiko ny anarana.

Toetra Raja
Misaotra tompoko. Ahoana ny fahitanao ny kalitaon'ny boky?

Tsiky Rakotomavo
Tsara ny kalitaon'ny boky.

Toetra Raja
Nisy fivoarana ve raha ampitahaina tamin'ilay andiany voalohany?

Tsiky Rakotomavo
Efa nisy fivoarana be ny endriky ny hetsika amin'ny maha sahoby azy.


Toetra Raja
Ampy ve ny fotoana nomena anao mialoha ny andron'ny tsikera?

Tsiky Rakotomavo
Ny fanomanana sy fikarakarana ny antsipiriany dia tokony ho efa am-bolana mialoha mba tsy hisian'ny antomotra be. Ho ahy manokana mantsy, fohy loatra ny fotoana nanomanako ny tsikera (3 andro) kanefa tsy Rombom-panahy fotsiny no asako.


Toetra Raja
Amin'ny ankapobeny, inona no fahombiazana sy lesoka azo tsoahina?

Tsiky Rakotomavo
Nandritra ny tsikera izay nataonay sy Ra-Phi dia nadringa kely satria nanantena ny hisian'ny mpianatra maromaro aho. Somary nizara fahalalana kely mikasika ny literatiora ihany mantsy aho nandritra ny tsikera, ka tsy dia nahafa-po ahy loatra ny fahavitsian'ny olona. Tsikera ihany mantsy no nandehanako tany an-tany lavitra tany sy nahafoizako fotoana sy vola. Saingy tiana ilay soratra ka tsy dia nahoana loatra izany.

Toetra Raja
Raha misy ny andiany fahatelo, inona no fepetra tokony ho raisina ho fanatsarana ny kalitaony?

Tsiky Rakotomavo
Ny soso-kevitra fanatsarana nataoko ho amin'ny hetsika manaraka dia ny hifotoran'ny hetsika amin'ny tononkalo hatrany, na fifaninana dihy, na hira. Tsy voatery hamorona tononkalo foana no fifaninanana atao fa ny miantsa, manao fihetsika. Ny mamorona feo miainga avy amin'ny tononkalo dia azo atao avokoa.

Toetra Raja
Ahoana ny fahitanao ny fomba fanoratra ankehitriny?

Tsiky Rakotomavo
Ny tsy fifehezana ny tsipelina no tena hitako lesoka be amin'ny fanoratana ankehitriny, tena mila arenina haingana fa manimba ny teny malagasy.

Toetra Raja
Misaotra indrindra, Tsiky Rakotomavo, nahafoy fotoana nandray sy namaly ny fanontanian'ny Poetawebs.

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 30/04/2016