Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 Mey 2016

Mamiratra, vahinin'ny Pôetawebs

Mamiratra ny alina raha eo ny kintana sy ny volana. Mamiratra ny andro rehefa tonga ny masoandro. Mamiratra kosa ny poezia rehefa i MAMIRATRA no tonga mivahiny ato amin'ny Poetawebs. 


Lea Fandresena
Faly miarahaba anao izahay. Tongasoa e! Iza moa i Mamiratra?

Mamiratra
Faly miarahaba anao sy ny mpiseran'ny Poetawebs ihany koa ary misaotra indrindra amin'ny fanasana. Iza moa i Mamiratra?

Mamiratra dia ilay kambana amin'i FALY na RABEJERENA Faly.


Lea Fandresena
Oviana ianao no nanomboka nanoratra ary iza avy no fikambanana misy anao?

Mamiratra
Nanomboka nanoratra aho ny taona 2008 ary niditra tao amin'ny Mpizaka Stelarim ny 2013. Mpiangaly zavakanto avy ao amin'ny DLLM eny Ankatso koa aho.


Lea Fandresena
Ankoatra ny tononkalo, inona koa ny talenta anananao?

Mamiratra
Mamiratra dia mpikabary ihany koa avy ao amin'ny FIMPIAVA.


Lea Fandresena
Misy seho ho karakarainareo inona ilay izy?

Mamiratra
SOKOELA no lohatenin'ilay hetsika.
Poezia maro loko no hita ao na dia
miompana tanteraka amin'ny hoe SOKOELA aza.

SOKOELA? Teny fampiasan'ny Betsileo ilazana ny TAFASIRY ataon'ny olon-dehibe.


Lea Fandresena
Olon-dehibe izany ianareo ao. Tanisao ary ireo mpandray anjara?

Mamiratra
Mamiratra, Fidy Razakarison, Maphona ary Fanojo.

Izahay 3 no namolavola ilay hetsika.


Lea Fandresena
Oviana no nikarakarana ny hetsika? Manao ahoana fanomanana?

Mamiratra
Tamin'ny herintaona no efa novolavolaina ny Ainga fa ny fanaovana azy ho tonga boky no nanahirana ihany.


Lea Fandresena
Teny indraim-bava àry mahakasika ny endriky boky?

Mamiratra
Misy pejy 93 ny boky ary Aina Miolapandry no manao ny teny fanolorana.


Lea Fandresena
Akoatra anareo telo, misy manampy miantsa ve? Misy zavamaneno koa?

Mamiratra
Misy olona fito no manampy miantsa izay avy ao amin'ny Mpizaka ihany. Tsy iza izany fa ry Tadio, Fam Ratrano, Dinah, Nirina, Tamby, Tsiresy...

Misy fizarana 3 ny hetsika ary TORINAITY no mpihira hanelanelana ny antsa.


Lea Fandresena
Ampatsiahivo hoe ny fotoanantsika amin'ny Sokoela io?

Mamiratra
Amin'ny 1 jona ao amin'ny CEMDELAC Analakely.


Lea Fandresena
Ahoana ny fahitanao ny asa soratra sy mpanoratra amin'izao fotoana izao?

Mamiratra
Ny mpanoratra dia maniry ohatra ny anana fa ny lentan'ny asa soratra mihena be na dia hita hoe EFA TSARA IHANY.


Lea Fandresena
Misy fanatsarana azo atao ve raha hevitrao?

Mamiratra
Ny fanatsarana azo atao angamba dia avy amin'ireo tenin'ny zoky be teo aloha hoe "MILA MIFAMPITAKOSONA" ny mpanao zavakanto.
Fanampin'izany ny hoe "mila karazany izay vao mahaforona tontolo ary tsy maintsy miara-miaina amin'ny mpamosavy sy vorondolo" izany hoe: mila toetsaina miabo isika mpanoratra rehetra.


Lea Fandresena
Hafatra farany ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs Mamiratra raha sitrakao.

Mamiratra
Ho famaranako azy angamba dia izao e! Tokony tsy hafangaro ny hoe tononkalo sy poezia ary ny asa soratra sy ny sora-kanto!

Lea Fandresena
Tsara be ny teninao fa azonao faritana ve ny tononkalo sy ny poezia, ny asa soratra sy sorakanto voalazanao teo?

Mamiratra
Tononkalo aloha tsy voatery ho POEZIA fa ny poezia dia endri-panehoana eo amin'ny zava-kanto iray. Ohatra ny mpandoko sy mpanao hoso-doko. Ny asa soratra sy sora-kanto koa ohatran'izay. saina sy fanahy e! samy hafa kanefa afaka mifameno ihany ireo. Izay fa manasa anareo rehetra ho avy amin'ny 1 jona izao ao amin'ny CEMDLAC Analakely fa hahita ainga vaovao ianareo. MISAOTRA TOMPOKO O!

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/05/2016