Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

29 Jona 2016

NATHALIA, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Tato ho ato dia niezaka mifampikasoka tamin'ny mpanakanto samihafa ny Poetawebs. Anio ohatra dia tsy poeta toy ny mahazatra no vahininy fa mpilalao sarimihetsika. Nathalia no anarany. Mety ho manan-javatra zaraina amin'ny poeta sy ny mpakafy tononkalo izy ary manana ny heviny ihany koa momba ny tononkalo ankehitriny. Eo amorom-patan'ny Pôetawebs izy no mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja.

 

Toetra Ràja
Miarahaba anao Nathalia ary misaotra anao nanaiky mitapatapakahitra aminay poeta eto amorom-patana.


Nathalia
Miarahaba anao Toetra Ràja ary misaotra indrindra amin'ny fandraisana. Misaotra ireo mpamaky sy mpakafy ny kanto malagasy koa ary faly miarahaba ny mpiseran'ny Poetawebs.

 

Toetra Ràja
Manana anarana mpanakanto ve ianao?

Nathalia
Efa Nathalia aloha no niantsoanao ahy teo fa mety daholo re izay iantsoana ahy na Raivo na Rinah.

 


Toetra Ràja
Samy anarana nisaloranao tamin'ny sarimihetsika ireo. Fa raha tsy mahadiso, azonao fintinina ve ny mombamomba anao eo amin'ny fiainana andavanandro?

Nathalia
Ny fiainako andavanandro dia mitovy amin'ny an'ny olon-drehetra ihany, fa mila mitandrina fotsiny aho mba tsy ho simba ny endrika amin'ny maha-mpilalao sarimihetsika ahy!


Toetra Ràja
Oviana ianao no nanomboka nilalao sarimihetsika?

Nathalia
Ny taona 2004 aho no nanomboka nilalao sarimihetsika. Nataoko ho andrana fotsiny izy tamin'izany, fa rehefa niainako dia lasa tiako. Tsy nijanona teo anefa aho fa isaky ny misy fifantenana mpilalao dia lasa foana aho manao. Faly aho satria lany foana. Izany indrindra no nahatafiditra ahy tao amin'ny Acticom Production izay nahazoako fiofanana nandritra ny 3 volana teo ho eo. Ary mbola noho izany koa no nahatafidirako tao amin'ny CGM ka nahazoako traikefa lehibe teo amin'ny filalaovana sarimihetsika sy teatra malagasy.


Toetra Ràja
Karazana sarimihetsika ahoana no filalaonao?

Nathalia
Mety amiko daholo izay anjara toerana omena ahy. Fa matetika dia anjara toeran'olona masiaka sy hentitra foana no omena ahy!

 

Toetra Ràja
Efa nisalotra toetran'olona tena mifanalavitra amin'ny toe-panahinao izany ianao?

 

Nathalia
Tena efa nisalotra toetran'olona mifanalavitra amin'ny toetrako mihitsy aho!
Ohatra, toetran'olona ratsy saina, ratsy toetra, masiaka.

 

Toetra Ràja
Mahatalanjona tokoa ho'aho ny fahatezeranao tao amin'ny "Vakivakin-tsiny", tantara nolalaovinao. Mahavita an'ireny ve ianao amin'ny tena fiainana?

Nathalia
Tena mafy tamiko ny nanao an'iny ry Toetra, ary tena nampitomany ahy. Fa rehefa tiana ilay izy dia tafavoakako ihany... Na dia tsy fiainako aza!

 

Toetra Ràja
Ahoana ny fahitanao ny sarimihetsika malagasy ankehitriny?

 

Nathalia
Mahita aho fa samy efa manao izay ho afany ny rehetra hanandratana ny sarimihetsika malagasy, fa mbola mila ezaka lehibe vao hanakaiky amin'ny any ivelany.

 

Toetra Ràja
Niresaka CGM ianao teo. Misy azonao lazaina ve ny fifampikasohana amin'ny mpanakanto ao?

 

Nathalia
Tao amin ny CGM no tena nahazoako traikefa maro. Isaorako ilay olona nanome fiofanana ahy izay. Tsy ho tononiko eto ny anarany. Izany dia nanampy ireo traikefa efa azoko tamin'ny "famokarana" hafa nandraisako anjara satria tsy nijanona ho mpilalao sarimihetsika fotsiny aho fa lasa mpiantsehatra ihany koa. Manana namana poeta maro koa aho.

 

Toetra Ràja
Ary ankoatra ny poeta?

Nathalia
Mifanerasera amin'ny mpanakanto maro aho hatramin'ny nidirako tao amin'io tontolo io: mpihira, mpikabary, mpanoratra, mpanao hosodoko sns.

 


Toetra Ràja
Hono ho'aho Nathalia, mankafy tononkalo ve aloha ianao e?

 

 

Nathalia
Hmm! Tena ankafiziko ry Toetra an!



Toetra Ràja
Fa nisy tsiaro niorim-paka angaha?

 

 


Nathalia
Fony tany an-tsekoly!

 

Toetra Ràja
Tononkalo tahaka ny inona?

Nathalia
Ny tononkalon'i Rado no nahatonga ahy hankafy tononkalo hatramin'izao.

 


Toetra Ràja
Misy fotoana ve mampihetsika tampoka ny aingam-panahinao ka mampaniraka anao mihitsy haka ny toeran'ny poeta?

Nathalia
Te handray penina mihitsy aho rehefa tojo olona mampiseho toetra ratsy saina saingy indrisy tsy mety ho tafavoakako!
Fa iangaviako ianao, ianao poeta, soraty izay, amin'ny fomba kanto, mirindra ary mampihetsi-po


Toetra Ràja
Voaray ny hafatra. Tsy ampy an'izay angaha moa ny tononkalo ankehitriny?


Nathalia
Misy fahavitrihana ny poeta ankehitriny saingy mbola mitady ilay ho afaka handova an'i Rado aho hatramin'izao. Mitady aho, mitady e! Saingy mbola tsy nahita!

 

 

Toetra Ràja
Ary raha mahita ianao, azo eritreretina ve ny fampidirana andinin-tononkalo iray na roa ao anatin'ireny sarimihetsika ireny?

 

Nathalia
Raha eo amin'ny sarimihetsika aloha, araka ny hevitro, tsy mety. Fa any amin'ny sehatry ny teatra sy tantara amin'ny radio dia mety.

 

Toetra Ràja
Tsy manelingelina ny adidy sahaninao amin'ny fivelomana sy ny maha-renim-pianakaviana anao ve ny fiainana mpanakanto?


Nathalia
Tamin'ny voalohany aloha somary sahirana kely ihany aho fa taty aoriana dia haiko ihany ny nandrindra azy.

 

Toetra Ràja
Ahoana ohatra ny endriky ny andavanandronao amin'ny fotoana ilalaovana sarimihetsika?


Nathalia
Miala tanteraka amin'ny maha-izaho ahy aho, dia maka ny toetra sy ny toeran'ilay olona isalorako.
Amin'io andro io dia tonga dia mijanona iray andro mialoha any amin'ilay toerana ireo mpandray anjara. Efa voahoman'ny mpikarakara ny zavatra rehetra toy ny fitaterana sns.

 

Toetra Ràja
Satry hotohizina eto hatrany ny tafatafantsika Nathalia kanefa tsy hanararaotra ny fahatsoram-ponao izahay. Misaotra indrindra re! Mirary fahombiazana tanteraka sy ho avy mamirapiratra ho anao ny Poetawebs. Mandra-pihaona!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/07/2016