Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 Jona 2016

ARI IRA, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Maro hono ny hazo fa ny fary no mamy indrindra; maro ny vorona fa ny railovy no mpanjakany ary maro ny mpanoratra fa Cupido Absolu (Ari Ira) no vahinin'ny Pôetawebs anio.


Léa Fandresena
Miarahaba anao Ari Ira. Faly mandray anao izahay tongasoa eto amin'ity fitaovan-serasera ity.

Ari Ira
Dia faly miarahaba antsika rehetra ihany koa ary mankasitraka ny Pôetawebs mampandroso.


Léa Fandresena
Ny anarana hono toy ny tanim-boanjo ka tsy ilaozan'izay tsy hisy hitovizana. Azonao hambara ve ny anaranao sy ny nahatonga io solon'anarana ao anaty tranokalam-pifandraisana io ary ny anarana maha-mpanoratra anao?

Ari Ira
Eny ary, RANDRIANANTENAINA Fenohasina no tena anarako, saingy eto amin'ny Fesiboky moa dia Cupidon Absolu no ahalalan'ny maro ahy. Amin'ny lafiny fanoratana indray dia ARI IRA, tsy misy hoe antony manokana ireo solon'anarana ireo fa tiako fotsiny.


Lea Fandresena
Ny teny ifamaliana tokoa mahatsara fihavanana. Koa lazao àry ny mombamomba anao fa mahaliana ny mpanara-baovao e?

Ari Ira
Ari Ira dia mpanoratra tononkalo sy sombin-tantara, mpanandrana ihany koa, mpitsikera ary mpamakafaka hevitra. Eny Ankatso aho no mianatra, ny taranja Filôzôfia no nilofosako ary efa mampianatra ihany koa aho izao. Mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM aho ary miara-miasa amin'ny mpanoratra maro.


Lea Fandresena
Manantalenta maro tokoa ianao. Inona no nahatonga anao ho mpanoratra?

Ari Ira
Fony aho mbola kilasy fahafito tao amin'ny RASALAMA no notairin'ny mpampianatra ny fitiavako literatiora, notrandrahiko satria tiako ilay izy.


Lea Fandresena
Inona no nahasarika anao hiditra ao amin'ny HAVATSA UPEM?

Ari Ira
Niditra HAVATSA UPEM aho noho ny famporisihan'ny mpampianatra iray teny Ankatso tamin'ny 2012.


Lea Fandresena
Azonao asiana resaka ve ny fandaharam-potoanao amin'ny maha sady mpampianatra sy mpianatra ary mpanoratra anao?

Ari Ira
Ny hoe fandaharam-potoana indray? Ny fahaiza-mandamina no entina miady e!


Lea Fandresena
Amin'ny maha-filôzôfy mpandinika fiaraha-monina anao, araka izay koa ve ny fomba fanoratrao?

 

Ari Ira
Ezahiko tsy hisy fiantraikany amin'ny tononkaloko ny maha-mpianatra filôzôfia ahy. Ny fomba fanoratro mantsy dia tsotra: miainga ny fanahy, mihetsika ny fo dia tonga ny soratra miboridana, fa ny saina no manafy akanjo azy. Ny soratra miboridana mantsy mampanahirana ny mpamaky ka izay no ilàna ny akanjo kanton'ny fo voasaina. Dia ezahina ho mora azo raha tsy hoe tranga nandona ny fiainako manokana angaha!


Lea Fandresena
Omeo tononkalo iray àry hoe izahay raha sitrakao!

  Ari Ira

LAVO,

Nolavoin'ny hetraketraka,
ity voninkazo vao nitsiry...
Tsy mba nisy tafapetraka
ankoatry ny hirifiry
navelany ho an'ny tany
dibo-drahona tomany.

Ari Ira, tamin'ny 16/12/14

 

 

"manoratra avokoa ny rehetra na iza na iza, hany ka mihena ny lanjan'ny kanto"

 

 

Lea Fandresena
Misaotra tompoko! Milaza ianao fa mpisikera sy mpamakafaka lahatsoratra. Ahoana ny fahitanao ny asa-soratra amin'izao fotoana izao?

Ari Ira
Raha ny tontolon'ny soratra ankehitriny dia ny zavatra tsapa dia izao. Mibosesika ao anatin'ny fon'ny rehetra ny finiavana hanandratra ny kolontsaina malagasy. Vokany, manoratra avokoa ny rehetra na iza na iza, hany ka mihena ny lanjan'ny kanto. Tiako ho marihina fa tsy mitovy ny hoe kanto sy ny hoe mety. Mety ho an'ny Teny Malagasy raha manoratra avokoa ny rehetra, saingy mampihena ny kalitaon'ny kanto izany.

 

"Rehefa hitanao fa tsy ao anatinao ilay ran'ny mpanoratra na tsy anananao ny fenitra takian'ny fanoratana dia mijanòna"

 

Lea Fandresena
Inona àry ny vahaolana arosonao hanatsarana ny asa soratra amin'izao?

Ari Ira
Ny vahaolana dia tsotra: tokony handini-tena ny rehetra. Rehefa hitanao fa tsy ao anatinao ilay ran'ny mpanoratra na tsy anananao ny fenitra takian'ny fanoratana dia mijanòna. Aleo mankafy ny tena izy e! Ho an'ireo manana talenta dia ilaina foana ny fanovozana fahalalana! Ankoatra izay, tsy mahazaka tsikera ny ankabeazan'ny olona eto amin'ny tanàna. Tsarovy fa tokony raisina amin'ny lafy tsarany foana ny tsikera.


Lea Fandresena
Inona no tanjonao amin'ny maha-mpanoratra anao?


Ari Ira
Manoratra aho, tsy hoe mba ho fantatry ny rehetra fa mba hanomezako fahafaham-po ny ato anatiko izay zary mitady izany toy ny vatana mitady rano. Tanjoko ihany anefa ny mba hahazoan'izay mamaky ny soratro ny alahelo na ny hafaliana tiako avoitra.


Lea Fandresena
Ahoana ny fomba fanapariahanao ny asa soratrao?

Ari Ira
Ny fandaharana amin'ny RNM "Fanahy mirenty Teny" no fanapariahako ny soratro, ankoatra izay ny eto amin'ny Fesiboky na ny any an-dakilasy rehefa mangataka ny mpianatra.


Lea Fandresena
Taiza avy ireo toerana nandraisanao anjara tamin'ny seho an-tsehatra?

Ari Ira
Ny sehatra efa niakarako ve? Mmmmh, tao amin'ny Tahala Rarihasina no nisalorako voalohany ny maha-ARI IRA ahy, avy eo tao amin'ny IKM niaraka tamin'NY EJA sy i RIMA tamin'ny herintaona. Ny tabataba tononkalo, ny herinandron'ny boky teny Antaninarenina. Ireo no tena hoe niseho vahoaka fa maro ihany koa ny tany anivon'ny fianakaviana.


Lea Fandresena
Efa manana boky ve ianao sa maniry hamoaka,?

Ari Ira
Efa ao anatin'ny eritreritra ny boky saingy tsy mbola ampy telo ny toko.


Lea Fandresena
Amin'ny maha-mpanoratra ana, iza ny andrarezina ankafizinao ny fanoratany?

Ari Ira
Ny mpanoratra ankafiziko indrindra dia i DOX raha hoe Malagasy, fa i VERLAINE kosa raha vahiny.


Lea Fandresena
Eto am-pamaranana àry, manana hafatra farany azo zaraina amin'ny mpiseran'ny Pôetawebs ve ianao?

Ari Ira
Farany, manentana ny rehetra ny tenako mba hankamamy ny maha-Malagasy. Ilay fanahy malagasy no tokony haverina dia hanaraka ho azy ny zavatra rehetra. Ry rahalahy sy anabavy ato anatin'ny fanoratana, tsara foana ny mandalina sy manovo fahalalana mba hampandrosoana ny literatiorantsika. koa andeha hifanohana sy hifanakalo e!!
Misaotra indrindra ny Pôetawebs nandray. Ho ela velona anie ny literatiora malagasy. "MASINA NY TENINDRAZANA"  hoy i Ari Ira.


Lea Fandresena
Sitraka sy telina izao tafatafa mamy izao Ari Ira. Mandra-pihaona. Mirary soa!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com