Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 Jolay 2016

Tahirintsoa, vahinin'ny Pôetawebs

Faly hono ny raozy raha tonga ny maraina. Maitso mavana ny ketsa raha tonga ny ranonorana. Faly kosa izahay miarahaba anao ry tovolahy sady tsara meva no kanto soa, mivahiny eto amin'ny Pôetawebs. Tongasoa ianao! Fanintelony izao ianao no tonga eto amin'ny Pôetawebs.

Tahirintsoa (tsiky menamenatra)
Fatratra ery izato filazanao azy. Miarahaba anao sy ny mpisera rehetra eto amin'ity kianja efa fantatro hatry ny ela ity.


Lea Fandresena
Ampatsiahivo indray hoe iza moa i Tahirintsoa?

Tahirintsoa
Mpandrary teny, pôeta hoy ny filaza azy izay. Miaraka amin'ny Faribolana Sandratra izy.



Lea Fandresena
Ary amin'ny maha-olompirenena anao?

Tahirintsoa
Razafintsalama Herimanana Tahirintsoa no anarako feno, ary mitana andraikitra eny amin'ny Tranombokin'ny Oniveriste eny Ankatso eny.



Lea Fandresena
Ary amin'ny maha-mpanoratra indray àry e!

Tahirintsoa
Efa elaela ihany no nanomboka nanoratra, tany amin'ny taona 1994 tany, dia niditra tao amin'ny Faribolana Sandratra ny taona 1996. Ny zavatra vita? Potipoti-javatra kely be dia be mitambatra ho fahatsiarovana matsiro, antsantononkalo sy boky niarahana tamina pôeta namana teto an-toerana sy tany ivelany: Oty Fitia, Tsoka tsy mandry, Taindanitra, Ziva, Anjoria, Fotoana Mihantona sy ny sisa sy ny sisa. Tao koa ny filalaovana tantara an'onjam-peo sy an-tsehatra. An-jatony ny famelabelarana niarahana tamin'ny namana nitetezana faritra. Tsaroana ihany koa ny namelomana fandaharana momba ny haisoratra tamina onjampeo.

Dia izao mikasa hamoaka boky samirery amin'izay fa saro-piterahana ikalakely, tsy mety mitsidi-doha.



Lea Fandresena
Bandikely kosa angamba ilay koa! Hihi! Dia inona ary ny andraikitrao ao amin'ny Faribolana Sandratra e?

Tahirintsoa
Mpiraifaribolana voalohany indrindra, ary izao miandraikitra ny hetsika ao amin'ny sampana Antananarivo. Efa nitondra ny sampana koa teo aloha.



Lea Fandresena
Sady manan-talenta ianao no misahana andraikitra lehibe. Sarotra tokoa ny andraikitra raisinao, inona no tetik'ady mahomby ahafahanao manatanteraka izany?

Tahirintsoa
Ao amin'ny Faribolana Sandratra, fiaraha-manodina no tena fiainana fa izay miandraikitra mandrindra fotsiny ihany. Rehefa resy lahatra ny rehetra ka ao ilay fitiavana sy toe-tsaina Sandratra "izay tsy mihetsika, mihitsoka", dia tsy sarotra ilay izy fa mandeha ho azy ary mahafinaritra mihitsy aza ny "kilalao". 

 

"Fandrika ny famoahana boky tsy amin'ny fotoanany satria iny tsangambato mijoro mandrakizay"

 

Lea Fandresena
Maro ny tanora te hampiseho ny talentany toa anao, inona no soso-kevitrao ho azy ireo?

Tahirintsoa
Ny soso-kevitro amin'ny tanora te hampiseho ny talentany?
Tsy tokony ho maika fa mila manamasaka hatrany hatrany, mitady an'ilay tombokase hahafantaran'ny olona azy. Noho izany, ilaina ny mamaky boky betsaka, manaraka hetsika ara-javakanto (tsy haisoratra ihany), miresaka amin'ny mpanoratra zoky, mahay "mihaino, mino ary manao". Rehefa izany dia ilaina hatrany ny fifampitankosenana amina mpanoratra hafa fa mandranitra ny fanahy izany. Fandrika ny famoahana boky tsy amin'ny fotoanany satria iny tsangambato mijoro mandrakizay: mety iny, mety ianao - maty iny, maty ianao.

Dia avy eo raha tian'ilay tanora, miditra amina fikambanana mpanoratra ahafahana mahita lalana sy sehatra bebe kokoa.



Lea Fandresena
Misaotra anao fa zava-dehibe ny toro-hevitrao. Maro tokoa ny tanora mpanoratra amin'izao tsy ao anaty fikambanana. Koa ahoana no atao raha te hiditra ao aminareo? Inona no tombontsoa ao?

Tahirintsoa
Ny fidirana ao amin'ny Faribolana Sandratra, ny sampana Antananarivo aloha: mifantina karazana soratra efa misy (tsy voatery ho tononkalo ihany) 20 farafahakeliny, hodinihin'ny vaomiera miandraikitra an'izany, dia mangataka mpiraifaribolana telo afaka hiantoka an'ilay mpanoratra. Fifampitaizana eo amin'ny soratra amin'ny samy mpiraifaribolana no tena tombony voalohany.



Lea Fandresena
Ary ahoana ny fanehoana talenta ao aminareo?

Tahirintsoa
Misy ny sehatra azo ivelarana toy ny antsantononkalo fanao ao amin'ny CGM rehefa sabotsy fahefatra amin'ny volana, ny fitondrana famelabelarana mitety vazantany, ny filalaovana an-tsehatra amina tantara na tsangantononkalo, ny famoahana ny soratra amin'ny boky famoakan'ny Faribolana sy amin'ny Gazetin'ny Faribolana antsoina hoe Gazety Ambioka, gazety tsy miresaka afa-tsy haisoratra. Misy koa ny mpiraifaribolana any amin'ireny onjampeo ireny, manamora ny famoahana ny asasoratra.



Lea Fandresena
Ary misy hetsika ataonao ato ho ato?

Tahirintsoa
Hetsika kely tsotsotra iarahako amin'i Liantsoa izy io. DOLEVY no anarany, antsa sy resaka an-jorony, ny zoma 29 jolay izao amin'ny 4 ka hatramin'ny 5 tolakandro ao amin'ny Trano foiben'ny Faribolana Sandratra eny amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Ry MAWE no hidolevy amin'ny vazo ary Maherisoa Rakotomalala kosa no hidolevy amin'ny endrika amam-bikan'ny efitra.
Somary voafetra ihany ny fahafahana manatrika ilay hetsika satria etiety ny trano ka sao miara-maty ao ny mpidolevy (tsiky vendrana).



Lea Fandresena
Mankasitraka indrindra amin'ny hetsika ho karakarainao. Inona moa no hevitry ny dolevy?

Tahirintsoa
Ny DOLEVY dia teny avy any Antsihanaka any, ilazana kiakiaka na korontam-peo mifangaro voraka (anaty sioka sy hira elanina "haika ambo"), toa "ala azy" an-korana mamoha mandry. Ny mpisotro toaka, rehefa mamo, dia midolevy aoka izany ka tsy misy atorian'ny manodidina azy fa mikorana sy mihiakiaka mandra-paharerany, toy ireny any anaty trano filanonana ireny. Misy ny "dolevy" iniana atao: ohatra, dolevy mandritra ny "betakariva", ilay korana sy dihy ary "hosika" fanaon'ny Sihanaka rehefa manao "tsaboraha" (fanambadiana, forazaza, famadihana, alavolonjaza, feraomby, ...). Ary misy ny "dolevy" tsy nahy fa tongatonga ho azy: ohatra, vokatry ny hamamoana na ny adilahin'ny mpifanila vodirindrina. Amin'ny maha dolevy azy, matetika dia ny alina tompon'ny fahanginana no isongadinan-dRadolevy.

Fomba ilazana ny fisisihana manao zavatra, fanakotabana tsy misy farany te hanatratra tanjona koa ny dolevy, ohatra hoe tompontrano mitaky hofantrano ka mandondona dia doleveziny isanandro ny mpanofa".

Lazaina koa fa midolevy ny zaza mihetsika mafy ao am-bohoka, sy ny zaza madinika mila vaniny te hatory.
Izay no heviny tena izy fa nalainay ambadika izy hilazanay dolevin-kalo, dolevim-panahy, dolevim-po sns.

 

Lea Fandresena
Ary ny endriky ny seho?

Tahirintsoa
Ny endriky ny seho indray tsy tiako holazaina avy hatrany eto fa aleo any mahita azy izay tsara vintana hiara-midolevy aminay.
Ny tsara ho fantatra ihany, nasiana fisoratana anarana amin'ny hafatra miafina eto amin'ny Facebook, dia raha feno ny fetr'isa dia mikatona ny fandraisana.



Lea Fandresena
Mahaliana tokoa izany. Ampatsiahivo indray hoe Tahirintsoa, amin'ny firy ny fotoana?

Tahirintsoa
Ny fotoana amin'ny zoma 29 jolay amin'ny 4 ao amin'ny Foiben'ny Faribolana Sandratra ao amin'ny Tahala Rarihasina. Saika ireo mpisera ao amin'ny Facebook aloha no nokitihina tamin'ity ka ho an'izay liana dia mandefa "mp" amiko amin'ny kaontiko Tahirintsoa Hr hoe hidolevy dia mety. Enjikenjehina ihany anefa satria voafetra ny afaka manatrika ary efa madiva dia madiva hikatona ny fandraisana, raha tsy efa tapitra amin'ny fotoana ivoahan'ny resatsika. Mahazo manandrana ihany.

Ankoatr'izay moa manararaotra milaza vaovaom-piangonana fa ny sabotsy 30 jolay amin'ny 3 dia hamoaka ny bokiny i Hanitra Olive, izay ao amin'ny Faribolana Sandratra ihany, ka manasa anao etsy amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely hanasina ilay tsangantononkalony hoe ANTSAHANOFY, tsy misy vidimpidirana io fa manasa anao hividy ny boky.

Dia eo ihany koa ny fahatsiarovana hoentinay ho an'ny poeta Om-Gui izay lasa namonjy ny kintana vao tsy ela. Etsy amin'ny CGM Analakely io ny sabotsy 6 aogositra izao amin'ny 3, antsantononkalo hoe HIRATRY NY KINTANA hiantsana ireo tononkalo nosoratan'i Om-Gui, izay marihina moa fa Faribolana sandratra ihany koa fahavelony. Iarahanay manatontosa amin'ny fianakaviany sy ny Tarika Ny Ainga izy io, tsy misy vidimpidirana fa hisy boky hirakitra ireo tononkalo ireo hamidy. Manasa antsika rehetra.

 

"Tsy ampy an'ilay fifampitankosenana amin'ny mpanoratra hafa sy ny boky sy ny hetsika ara-javakanto ve?"

 

Lea Fandresena
Voaray ny vaovao tompoko. Fa amin'ny maha-poeta anao, ahoana ny fahitanao ny tontolon'ny soratra ankehitriny sy ny fivoarany? Manana teny atsipy ho an'ny tanora namana momba ny literatiora ve ianao?

Tahirintsoa
Raha ny fahitana ny firohotan'ny tanora manoratra sy mamoaka soratra amin'ny tambajotran-tserasera na onjampeo dia toa mampite-hilaza hoe miroborobo ny haisoratra. Manamora ny fanapariahana soratra tokoa ny hairahan'ny fifandraisana toy ny Internet. Rehefa tena mandinika lalina anefa dia somary latsaka ny lentan'ny soratra mivoaka. Tsy ampy an'ilay fifampitankosenana amin'ny mpanoratra hafa sy ny boky sy ny hetsika ara-javakanto ve? Asa! Fa mahavelom-bolo ny fivoaran'ny haisoratra ka, tsy ampy fifanakalozana kely, izay fotsiny dia tena manja. Tsy mbola ho faty vetivety ny haisoratra malagasy ary antenaina hiaka-danja sy handroso hasina mitaha amin'ny zavakanto hafa.
Ho an'ny tanora namana dia manamafy ny efa voalazako teo aloha aho: tsy maika loatra fa mila manamasaka tsara, mila vaky boky be, fifampitankosenana amin'ny mpanoratra sy ny hetsika ara-javakanto isan-karazany. Ilaina karohina miandalana ilay iavahanao amin'ny hafa (mamorona fa tsy mamerina hoy i elie rajaonarison izay). Dia izao: tsy ny malaza no inona fa ny mahalaza. Rehefa mahalaza dia apetraky ny tantara ho azy ao amin'ny bokiny.

Fa miverina kely ihany aho, raha ny fividianan'ny olona boky momba ny haisoratra indray anefa no zoro itarafana azy dia tena mahakivy hoe tsy ilain'ny olona ve ny haisoratra sa ilay haisoratra amin'izao mihitsy no tsy mety aminy sa tena variana amin'ny makalioka sy ny dista ny olona.

Ampiako kely koa ho an'ny tanora: mila mitozo fa tsy kivikivy an-dalana fa lazon'ady io. Ary farany ny soratra dia iainana fa tsy iniana, tsy toy ny zaitra eny an-tsena etsy Andravoahangy io ka terena hifanaraka amin'ny didin'ny toe-java-misy. Na tsy tonga aza ny aingam-panahy, na telo taona tsy mahasoratra, tsy maninona izany fa fombany ihany, fa aza terena ny aingam-panahy fa aleo hiresaka madiorano aminao izy, aza manao kolikoly aminy.



Lea Fandresena
Marina izany voalazanao izany ary misy ho tsakotsakoina tokoa. Mankasitraka indrindra anao nivahiny teo amin'ny Pôetawebs. Mirary soa anao, dia ho ela velona anie ny asa soratra malagasy e!

Tahirintsoa
Mandrosoa hasina daholo ry havana. Misaotra anareo.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/07/2016